Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Eksodosy 38:21 - DIEM PROTESTANTA

21 Ireto no isan’ny fitaovana nampiasaina tamin’ny fonena-masina misy ny raki-tsoratry ny fanekempihavanana. Araka ny baikon’i Mosesy, ny fanisana dia nataon’ny Levita notarihan’i Itamara, zanakalahin’i Aharôna mpisorona.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

21 Izao no isan’ny zavatra momba ny tabernakely, dia ny tabernakelin’ny Vavolombelona, izay voaisa araka ny nandidian’i Mosesy, satria natao fanompoan’ny levita, fehin’Itamara, zanak’i Arona mpisorona, ny fanisana azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

21 Ireto no isan’ny fitaovana nampiasaina tamin’ny fonena-masina misy ny raki-tsoratry ny fanekempihavanana. Araka ny baikon’i Mosesy, ny fanisana dia nataon’ny Levita notarihan’i Itamara, zanakalahin’i Aharôna mpisorona.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

21 Ary izao no isan’ny zavatra nanaovana ny Fonenana, dia ny Fonenan’ny vavolombelona; ny Levita, notarihin’i Itamara, zanak’i Aarôna, mpisorona no nanao ny fanisana, araka ny teny azony tamin’i Môizy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

21 ARY izao no isan’ny zavatra nomba ny tabernakely, dia ny tabernakelin’ny Vavolombelona, izay nisaina araka ny didin’i Mosesy; natao fanompoan’ny Levita, fehin’Itamara, zanak’i Arona mpisorona, ny nanisa azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

21 Ary izao no isan'ny zavatra nomba ny tabernakely, dia ny tabernakelin'ny Vavolombelona, izay nisaina araka ny didin'i Mosesy; natao fanompoan'ny Levita, fehin'Itamara, zanak'i Arona mpisorona, ny nanisa azy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

21 Izao no isan’ny zavatra momba ny tabernakely*, dia ny tabernakelin’ny Vavolombelona, izay voaisa araka ny nandidian’i Mosesy, satria natao fanompoan’ny levita*, fehin’Itamara, zanak’i Arona mpisorona, ny fanisana azy.

Jereo ny toko dika mitovy




Eksodosy 38:21
31 Rohy Ifampitohizana  

Ny zanakalahin’i Kehata dia i Hamrama sy i Jitsehara ary i Hebrôna sy i Hoziela.


Koa nampanantsoin’ny mpanjaka i Jôiadà mpisorombe ary nataony hoe: «Nahoana no tsy nohizingizininao ny hitondran’ny levita ny hetra avy tamin’ny mponin’i Joda sy Jerosalema, araka ny didin’i Mosesy mpanompon’ny TOMPO fony izy namory ny vahoaka Israely? Hanasoavana ny Fonena-masina misy ny raki-tsoratry ny Fanekempihavanana io hetra io,


Nambaranao aza hoe: «Madio ny teny nalahatro; Andriamanitra no mahita fa tsy manan-tsiny aho».


Miverena am-panetren-tena amin’ilay Tsitoha, ampanalaviro ny lainao ny tsy fahamarinana.


Namaly i Jôba ka nanao tamin’i Bildada hoe:


Salamo nataon’i Davida. –TOMPO ô, iza moa no horaisina an-tempolinao sy hahazo toerana eo an-tendrombohitrao masina?


Ao anatin’io Vatamasina io no hametrahanao ny raki-tsoratry ny fanekempihavanana izay homeko anao.


Eo ambanin’ny farango no hanantonana ny efitra lamba. Any aorian’ny efitra lamba no hametrahana ny Vatamasina mirakitra ny raki-tsoratry ny fanekempihavanana. Ny efitra lamba amin’izay no hampisaraka ny Toeramasina sy ny Toeramasina indrindra.


Ny tsîmatra rehetra momba ny fonena-masina sy ny momba ny fefin’ny kianja dia samy natao halimo avokoa.


I Betsalela, zanakalahin’i Orỳ sady zafikelin’i Hora, avy amin’ny fokon’i Joda, no nanatanteraka izay rehetra nandidian’ny TOMPO an’i Mosesy.


Ao no hametrahana ny Vatamasina misy ny raki-tsoratry ny fanekempihavanana ka ho takona ao am-badiky ny efitra lamba.


I Aharôna dia nanambady an’i Eliseba, zanakavavin’i Haminadaba sady anabavin’i Nahasôna; io Eliseba io no niterahan’i Aharôna an’i Nadaba sy i Abihò ary i Elehazara sy i Itamara.


Fa ampiandraiketo azy kosa ny fitandremana ny Fonena-masina izay nametrahana ny raki-tsoratry ny fanekempihavanana ary koa ny fanaka sy ny kojakoja rehetra momba azy. Ireo no hitondra ny Fonena-masina mbamin’ny fanaka rehetra momba azy sy hanao fanompoam-pivavahana ao aminy ary hitoby manodidina azy.


Fa ny Levita kosa dia hitoby manodidina ny Fonena-masina mba tsy hirehitra amin’ny fiangonan’ny Israelita ny fahatezerako.»


Tamin’ny andro faha-roapolon’ny volana faharoa, tamin’ny taona faharoa nialana tany Ejipta, dia niakatra ny rahona niala teo ambonin’ny Tranolay nitahirizana ny raki-tsoratry ny fanekempihavanana.


Ento miaraka aminao koa ireo levita mpiray foko aminao, fa izy ireo no ho mpanampy anao sy ho mpanomponao rehefa mankeo amin’ny Tranolay misy ny raki-tsoratry ny fanekempihavanana ianao sy ny taranakao;


«Akory ny hatsàran’ny lainareo, ry taranak’i Jakôba; endrey ny hasoan’ny fonenanareo, ry vahoaka Israelita!


Tamin’ny andro nananganana ny Fonena-masina, dia nisy rahona nandrakotra ny Tranolay nitahirizana ny raki-tsoratry ny fanekempihavanana. Amin’ny hariva izy io dia mazava toy ny afo eo ambonin’ny Tranolay mandra-maraina.


Dia hoy i Petera tamin’i Jesoa: –Tompo ô, tsara ho antsika ny mitoetra eto; koa raha sitrakao, dia hanao lay telo eto aho: ny anankiray ho Anao, ny anankiray ho an’i Mosesy, ary ny anankiray ho an’i Elià.


Ny tranolay nitahirizana ny raki-tsoratry ny fanekempihavanana kosa dia nananan’ny razantsika fony ireo tao an-taniefitra. Namboarina araka ny fepetra voalazan’Andriamanitra tamin’i Mosesy rahateo.


Eny, fantatsika fa raha rava ny tranolay itoerantsika eto an-tany (izany hoe ity vatantsika ity), dia manan-trano izay tsy nataon-tanan’olona fa narafitr’Andriamanitra isika, dia trano maharitra mandrakizay any an-danitra.


Mpanao fanompoam-pivavahana ao amin’ny Toeramasina Izy, dia ao amin’ny tena tranolay izay naorin’ny Tompo fa tsy naorin’olombelona.


Fa tonga kosa i Kristy ho Mpisorombe ny amin’ny zava-tsoa efa tanteraka ankehitriny. I Kristy dia namakivaky tranolay lehibe lavitra sady tsara lavitra, izay tsy nataon’olombelona ka tsy mba isan’izao zavaboaary izao.


Saingy heveriko fa raha mbola amin’ity fiaina-mandalo ity koa aho, dia mety ny hanaitairako anareo amin’ny fampahatsiarovana izany.


Dia novohana ny tempolin’Andriamanitra any an-danitra, ka niseho teo anatin’ny tempolin’Andriamanitra ilay vata mirakitra ny fanekempihavanana nataony; ary nisy tselatra sy kotrokorana ary kotro-baratra sy horohorontany mbamin’ny havandra vaventy.


Taorian’izany, dia hitako novohàna tany an-danitra ny tempoly nisy ilay fonena-masina itahirizana ny raki-tsoratry ny fanekempihavanana;


Ary nisy feo mahery reko avy teo amin’ilay sezafiandrianana ka nanao hoe: «Indro ny fonenan’Andriamanitra tonga eny amin’ny olona, ary Andriamanitra dia hiara-monina aminy; ka izy ireo ho vahoakany, ary ilay Andriamanitra miaraka aminy kosa ho Andriamanitr’izy ireo.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra