Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Eksodosy 38:20 - DIEM PROTESTANTA

20 Ny tsîmatra rehetra momba ny fonena-masina sy ny momba ny fefin’ny kianja dia samy natao halimo avokoa.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

20 Ary ny tsatòkan-day amin’ny tabernakely sy amin’ny kianja manodidina dia nataony varahina avokoa.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

20 Ny tsîmatra rehetra momba ny fonena-masina sy ny momba ny fefin’ny kianja dia samy natao halimo avokoa.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

20 Varahina avokoa ny tsimatra amin’ny Fonenana sy amin’ny fefin’ny kianja.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

20 Ary ny tsimatra amin’ny tabernakely sy amin’ny kianja manodidina dia nataony varahina avokoa.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

20 Ary ny tsimatra amin'ny tabernakely sy amin'ny kianja manodidina dia nataony varahina avokoa.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

20 Ary ny tsatòkan-day amin’ny tabernakely* sy amin’ny kianja manodidina dia nataony varahina avokoa.

Jereo ny toko dika mitovy




Eksodosy 38:20
10 Rohy Ifampitohizana  

Ny fantsika volamena dia nilanja dimampolo sekela. Ary ireo efitrano tamboniny aza dia nopetahana volamena koa ny rindrina anatiny.


Kanefa ankehitriny, ry TOMPO Andriamanitray ô, no fotoanandro nanehoanao famindrampo taminay, ka navelanao ho nisy sisa afaka izahay ary hiorim-ponenana eto amin’ity faritrao masina ity; dia nampamirapiratinao ny masonay ary nataonao velombelona kely ny ainay ao anatin’izao fahandevozanay izao.


Ny fitaovana rehetra fanampiny mba hahatomombana ny fonena-masina dia hatao halimo avokoa, ka isan’izany ny tsîmatra rehetra momba azy sy ny tsîmatra rehetra momba ny fefin’ny kianja.


Andry efatra misy faladiany halimo efatra no nametahana azy; volafotsy ny farangony sady norakofana volafotsy koa ny lohan’ny andry sy ny anjany.


Ireto no isan’ny fitaovana nampiasaina tamin’ny fonena-masina misy ny raki-tsoratry ny fanekempihavanana. Araka ny baikon’i Mosesy, ny fanisana dia nataon’ny Levita notarihan’i Itamara, zanakalahin’i Aharôna mpisorona.


Ny tenin’ny hendry dia manindrontsindrom-panahy tahaka ny fanjaitra; ary ireo mpanangona azy dia mamefy soritra tahaka ny tsatomarika. Fanomezana avy amin’ilay hany mpitarika avokoa ireny.


Halentiko toy ny tsatòka eo amin’ny toerana mafy izy, ka ho tonga anaram-boninahitra ho an’ny fianakavian-drainy.»


Ndeha topazonao maso i Tsiôna, fankalazàntsika ny fety firavoravoana, dia ho hitanao i Jerosalema, fonenana tony tokoa toy ny lay tsy hahorona intsony, ka ny tsimatra aminy tsy hongotana ary ny kofehiny tsy hovahana intsony.


Tsy mifikitra amin’i Kristy Izay loha izy ireo, kanefa i Kristy no mamelona ny tena manontolo sady mampiray azy amin’ny alalan’ny hozatra amam-pamavàny ka mampitombo azy araka ny fitomboana sitrak’Andriamanitra.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra