Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Eksodosy 26:32 - DIEM PROTESTANTA

32 Io efitra lamba io dia hahantona amin’ny fantsika volamena eo amin’ny andry efatra vita amin’ny hazo mimôzà voarakotra takela-bolamena sady mipetraka amin’ny faladia volafotsy efatra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

32 Ary ahantòny amin’ny andry hazo akasia efatra izay voapetaka takelaka volamena izany; ho volamena koa ny fihantonany, ary eo amin’ny faladia volafotsy efatra no hiorenany.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

32 Io efitra lamba io dia hahantona amin’ny fantsika volamena eo amin’ny andry efatra vita amin’ny hazo mimôzà voarakotra takela-bolamena sady mipetraka amin’ny faladia volafotsy efatra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

32 ka ahantòny amin’ny andry hazo akasià efatra, samy voapetaka takela-bolamena sy misy faraingo volamena ary miorina amin’ny faladia volafotsy efatra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

32 Ary ahantòny amin’ny andry hazo akasia efatra izay voapateka takela-bolamena izy; ho volamena koa ny fihantonany; ary eo amin’ny faladia volafotsy efatra no hiorenany. Ary ny efitra lamba dia ataovy eo ambanin’ny farango; ary ampidiro ao anatin’ny efitra lamba ny fiaran’ny Vavolombelona;

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

32 Ary ahantòny amin'ny andry hazo akasia efatra izay voapateka takela-bolamena izy; ho volamena koa ny fihantonany; ary eo amin'ny faladia volafotsy efatra no hiorenany.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

32 Ary ahantòny amin’ny andry hazo akasia efatra izay voapetaka takelaka volamena izany; ho volamena koa ny fihantonany, ary eo amin’ny faladia volafotsy efatra no hiorenany.

Jereo ny toko dika mitovy




Eksodosy 26:32
6 Rohy Ifampitohizana  

Nisy lamba temitra fotsy na maitso na manga, ka tady rongony fotsy sy volomparasy no nihantonany tamina masom-bolafotsy na tamina andry vatokaranana; nisy farafara volamena sy volafotsy nalahatra teo ambony lampivato alabasitra sy vatokaranana fotsy ary hara sy vatokaranana mainty.


hoditr’ondry miloko mena, hoditra mafy, hazo mimôza,


«Mpahay taozavatra no hanao efitra lamba iray amin’ny rongony mafy mifangaro volon’ondry miloko volomparasy sy mena ary jaky, ravahana kerobima roa vita amin’ny peta-kofehy tsara.


Eo ambanin’ny farango no hanantonana ny efitra lamba. Any aorian’ny efitra lamba no hametrahana ny Vatamasina mirakitra ny raki-tsoratry ny fanekempihavanana. Ny efitra lamba amin’izay no hampisaraka ny Toeramasina sy ny Toeramasina indrindra.


Hisy andry dimy hatao amin’ny hazo mimôzà, sady horakofana takela-bolamena, ka eo no hanantonana io varavarana lamba io amin’ny farango volamena. Faladia halimo dimy no harendrika hitsatohan’ireo andry ireo.


Namboarina koa ny andry dimy hitondra ny efitra lamba sy ny fantsika hanantonana azy eo. Ny lohan’ny andry sy ny anjany dia samy norakofana takela-bolamena avokoa; fa natao halimo kosa ny faladiany dimy.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra