Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Eksodosy 26:32 - Baiboly Katolika

32 ka ahantòny amin’ny andry hazo akasià efatra, samy voapetaka takela-bolamena sy misy faraingo volamena ary miorina amin’ny faladia volafotsy efatra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

32 Ary ahantòny amin’ny andry hazo akasia efatra izay voapetaka takelaka volamena izany; ho volamena koa ny fihantonany, ary eo amin’ny faladia volafotsy efatra no hiorenany.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

32 Io efitra lamba io dia hahantona amin’ny fantsika volamena eo amin’ny andry efatra vita amin’ny hazo mimôzà voarakotra takela-bolamena sady mipetraka amin’ny faladia volafotsy efatra.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

32 Io efitra lamba io dia hahantona amin’ny fantsika volamena eo amin’ny andry efatra vita amin’ny hazo mimôzà voarakotra takela-bolamena sady mipetraka amin’ny faladia volafotsy efatra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

32 Ary ahantòny amin’ny andry hazo akasia efatra izay voapateka takela-bolamena izy; ho volamena koa ny fihantonany; ary eo amin’ny faladia volafotsy efatra no hiorenany. Ary ny efitra lamba dia ataovy eo ambanin’ny farango; ary ampidiro ao anatin’ny efitra lamba ny fiaran’ny Vavolombelona;

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

32 Ary ahantòny amin'ny andry hazo akasia efatra izay voapateka takela-bolamena izy; ho volamena koa ny fihantonany; ary eo amin'ny faladia volafotsy efatra no hiorenany.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

32 Ary ahantòny amin’ny andry hazo akasia efatra izay voapetaka takelaka volamena izany; ho volamena koa ny fihantonany, ary eo amin’ny faladia volafotsy efatra no hiorenany.

Jereo ny toko dika mitovy




Eksodosy 26:32
6 Rohy Ifampitohizana  

hoditr’ondrilahy voasoka mena, hodi-dogaona, hazo akasià;


«Manaova efitra lamba amin’ny jaky volomparasy sy jaky mangatrakatraka sy lamba mena antitra ary rongony fotsy madinika voahasina, asiana sarin-kerobima, asan-tanan’ny mpanenona mahay;


Apetaho eo ambonin’ny jaigirafy ny efitra lamba, ka dia ao indrindra no hampidiranao ny fiaran’ny vavolombelona ao ivohon’ny efitra lamba; fa ny efitra lamba no hampisaraka eo imasonareo ny Fitoerana Masina sy ny Fitoerana Masina indrindra.


Hanaovanao andry akasià dimy io varavarana lamba io, ka petahanao takela-bolamena ny andry sy asianao faraingo volamena; ary handrendrika varahina hatao faladiany dimy ianao.»


Nanaovana andriny dimy mbamin’ny faraingony avy io varavarana lamba io, ary voapetaka takela-bolamena ny koronosin’ireo mbamin’ny anjaka itohizany, ary varahina ny faladiany dimy.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra