Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Eksodosy 26:33 - DIEM PROTESTANTA

33 Eo ambanin’ny farango no hanantonana ny efitra lamba. Any aorian’ny efitra lamba no hametrahana ny Vatamasina mirakitra ny raki-tsoratry ny fanekempihavanana. Ny efitra lamba amin’izay no hampisaraka ny Toeramasina sy ny Toeramasina indrindra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

33 Ary ny efitra lamba dia ataovy eo ambanin’ireo farango. Dia ampidiro ao anatin’ny efitra lamba ny vata misy ny Vavolombelona; ary ho anareo dia ny efitra lamba no hampisaraka ny fitoerana masina sy ny fitoerana masina indrindra.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

33 Eo ambanin’ny farango no hanantonana ny efitra lamba. Any aorian’ny efitra lamba no hametrahana ny Vatamasina mirakitra ny raki-tsoratry ny fanekempihavanana. Ny efitra lamba amin’izay no hampisaraka ny Toeramasina sy ny Toeramasina indrindra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

33 Apetaho eo ambonin’ny jaigirafy ny efitra lamba, ka dia ao indrindra no hampidiranao ny fiaran’ny vavolombelona ao ivohon’ny efitra lamba; fa ny efitra lamba no hampisaraka eo imasonareo ny Fitoerana Masina sy ny Fitoerana Masina indrindra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

33 ary ny efitra lamba no hampisaraka ny fitoerana masina sy ny fitoerana masina indrindra ho anareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

33 Ary ny efitra lamba dia ataovy eo ambanin'ny farango; ary ampidiro ao anatin'ny efitra lamba ny fiaran'ny Vavolombelona; ary ny efitra lamba no hampisaraka ny fitoerana masina sy ny fitoerana masina indrindra ho anareo.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

33 Ary ny efitra lamba dia ataovy eo ambanin’ireo farango. Dia ampidiro ao anatin’ny efitra lamba ny vata misy ny Vavolombelona; ary ho anareo dia ny efitra lamba no hampisaraka ny fitoerana masina sy ny fitoerana masina indrindra.

Jereo ny toko dika mitovy




Eksodosy 26:33
16 Rohy Ifampitohizana  

Norakofana hazo sedera mirefy folo metatra hatreo ambany ka hatrany ambony koa ny rindrin’ilay efitrano anatiny; ka ny atin’io efitrano io dia namboarina ho efitra voatokana izay nantsoina hoe Toeramasina Indrindra.


Rehefa nivoaka ny Toeramasina ireo mpisorona, dia nisy rahona nameno ny tranon’ny TOMPO;


Ary ilay Vatamasina mirakitra ny fanekempihavanan’ny TOMPO dia nampidirin’ny mpisorona ho ao amin’ny toerany, tao anatin’ny efitrano atao hoe Toeramasina Indrindra, teo ambanin’ny elatr’ireo kerobima.


Avy eo dia natao ilay efitrano antsoina hoe Toeramasina Indrindra; efamira io efitrano io fa ny lafiny rehetra dia samy nirefy folo metatra tahaka ny sakan’ny tempoly. Nopetahana takela-bolamena milanja roapolo taonina ny rindrina anatiny.


Ao anatin’io Vatamasina io no hametrahanao ny raki-tsoratry ny fanekempihavanana izay homeko anao.


Io efitra lamba io dia hahantona amin’ny fantsika volamena eo amin’ny andry efatra vita amin’ny hazo mimôzà voarakotra takela-bolamena sady mipetraka amin’ny faladia volafotsy efatra.


farango sy anjaka volafotsy no hanantonana azy eo amin’ny andry halimo roapolo, izay mitsatoka amin’ny faladia halimo roapolo.


I Aharôna sy ny taranany no hametraka ny fitoeran-jiro ao amin’ny Tranolay fihaonana, eo anoloan’ny efitra lamba izay manafina ny Vatamasina; ny jiro dia hirehitra manomboka ny hariva ka hatramin’ny maraina eo anatrehako Izaho TOMPO. Fepetra raikitra hotanterahin’ny Israelita isaky ny taranaka mifandimby izany.


Nisy andry efatra namboariny tamin’ny hazo mimôzà, dia norakofany takela-bolamena; ary nahantony tamin’ny fantsika volamena teo ny efitra lamba. Nandrendrehany faladia volafotsy efatra koa ho an’ny andry.


Naiditra tao amin’ilay fonena-masina ny Vatamasina, nahantona ny efitra lamba mba hanakonana ny Vatamasina, araka izay efa nandidian’ny TOMPO an’i Mosesy.


Ao no hametrahana ny Vatamasina misy ny raki-tsoratry ny fanekempihavanana ka ho takona ao am-badiky ny efitra lamba.


Norefesiny ihany koa ny efitrano manontolo: efamira izy io ka samy folo metatra avy ny lafiny efatra. Avy eo dia hoy ralehilahy tamiko: io no Toeramasina indrindra.


Ka hoy ny TOMPO tamin’i Mosesy: «Ilazao i Aharôna rahalahinao mba tsy hiditra ao amin’ny Toeramasina Indrindra, ambadiky ny efitra lamba, afa-tsy amin’ny andro sahaza ihany; ary ilazao koa izy tsy hankeo anoloan’ilay Vatamasina izay misy rakotra volamena eo amboniny, sao ho faty izy satria hiseho anaty rahona eo ambonin’io rakotra volamena io Aho.»


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra