Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Eksodosy 26:30 - DIEM PROTESTANTA

30 Rehefa izany, ry Mosesy, dia asaovy atsangana araka ny môdely izay efa nasehoko anao teto an-tendrombohitra ny fonena-masina.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

30 Atsangano ny tabernakely, araka ilay endriny naseho taminao tao an-tendrombohitra.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

30 Rehefa izany, ry Mosesy, dia asaovy atsangana araka ny môdely izay efa nasehoko anao teto an-tendrombohitra ny fonena-masina.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

30 Ataovy toy ny marika naseho anao tany an-tendrombohitra no fananganana ny Fonenana.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

30 Ary manangàna ny tabernakely araka ny endriny, dia ilay naseho taminao tao an-tendrombohitra.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

30 Ary manangana ny tabernakely araka ny endriny, dia ilay naseho taminao tao an-tendrombohitra.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

30 Atsangano ny tabernakely, araka ilay endriny naseho taminao tao an-tendrombohitra.

Jereo ny toko dika mitovy




Eksodosy 26:30
14 Rohy Ifampitohizana  

Dia hoy i Davida hoe: –Izany rehetra izany, anaka, dia ao anatina rakitsoratra avy tamin’ny TOMPO, rakitsoratra izay nampahafantatra ahy ny asa rehetra asehon’ny sary.


Imasoy, ry Mosesy, ny hanatanterahana ny asa araka ny môdely izay nasehoko anao teto an-tendrombohitra.


Araka ny planina sy ny môdely izay hasehoko anao no handrafetanareo io fonena-masina io sy ny fanaka rehetra momba azy.


Horakofana takela-bolamena, na ny hazo fisaka na ny barany; ary hisy haba volamena hotefena hanatsofohana ny barany.


Hazo fisaka no handrafetana ny alitara, ka hatao holoka aty izany, araka ny môdely izay efa nasehoko anao teto an-tendrombohitra.


–Ny andro voalohany amin’ny volana voalohany no hasainao hatsangana ny fonena-masina na hoe Tranolay fihaonana.


Ny niainga manaraka dia ny Kehatita nitondra ny fitaovana masina; ny levita sasany dia nanangana ny tranolay mandra-pahatongan’izy ireo.


Ny fitoeran-jiro dia volamena voatefy hatramin’ny faladiany ka hatramin’ny voniny. Araka izay endrika efa nasehon’ny TOMPO an’i Mosesy no nanaovana ny fitoeran-jiro.


Ny tranolay nitahirizana ny raki-tsoratry ny fanekempihavanana kosa dia nananan’ny razantsika fony ireo tao an-taniefitra. Namboarina araka ny fepetra voalazan’Andriamanitra tamin’i Mosesy rahateo.


Mpanao fanompoam-pivavahana ao amin’ny Toeramasina Izy, dia ao amin’ny tena tranolay izay naorin’ny Tompo fa tsy naorin’olombelona.


Ny fanompoam-pivavahana ataon’ireo mpisorona ireo dia sarintsary sy tandindon’ny ao an-danitra fotsiny; tahaka ny natoron’Andriamanitra tamin’i Mosesy ihany izany, fa nony efa hanao ny tranolay izy dia nilazan’Andriamanitra hoe: «Tandremo mba ho araka ny ohatra nasehoko anao tany an-tendrombohitra no hanaovanao ny zavatra rehetra.»


Koa toy izany no tsy maintsy nanadiovana ireo zavatra sarintsarin’ny any an-danitra ireo; fa ny tenan’ny zavatra any an-danitra kosa nodiovina tamina sorona tsara lavitra.


Taorian’ny nandresen’ny Israelita ilay tany, dia nivory tao Silao ny fiangonana israelita tsivakivolo ka tao no nananganany ny Tranolay fihaonana amin’Andriamanitra.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra