8 Dia nanamboatra ny fonena-masina ny mpahay taozavatra mahay indrindra; lamba temitra folo vita amin’ny kiran-drongony mafy, mifangaro volon’ondry miloko volomparasy sy mena ary jaky, no nanaovany azy, ka noravahany kerobima vita peta-kofehy tsara.
8 Dia nanamboatra ny fonena-masina ny mpahay taozavatra mahay indrindra; lamba temitra folo vita amin’ny kiran-drongony mafy, mifangaro volon’ondry miloko volomparasy sy mena ary jaky, no nanaovany azy, ka noravahany kerobima vita peta-kofehy tsara.
8 ARY ny hendry rehetra teo amin’izay nanao ny raharaha dia nanao ny tabernakely: dia ambainy folo amin’ny rongony fotsy madinika voahasina sy manga sy volomparasy ary mena; kerobima, asan’ny mpanenona mahay, no nataony sorany.
8 Ary ny hendry rehetra teo amin'izay nanao ny raharaha dia nanao ny tabernakely: dia ambainy folo amin'ny rongony fotsy madinika voahasina sy manga sy volomparasy ary mena; kerobima, asan'ny mpanenona mahay, no nataony sorany.
Tao amin’io efitrano misy ny Vatamasina io dia namboarana kerobima roa vita tamin’ny hazo ôliva izay samy nirefy dimy metatra ny haavony. Ny voalohany dia nanana elatra roa metatra sy sasany ny halavany, izany hoe dimy metatra no elanelan’ny tendron’elatra anankiroa. Ny faharoa koa dia nirefy dimy metatra, ary nitovy refy sy bika tamin’ilay voalohany ihany.
I Davida dia nanao trano ho an’ny tenany tao «an-tanànan’i Davida», sady nanomana toerana sy nanorina tranolay teo ho an’ny Vatamasina mirakitra ny fanekempihavanan’Andriamanitra.
Dia niara-niakatra ho any amin’ny toeram-pisoronana tao Gibehôna i Salômôna sy ny olona rehetra tafangona; fa tao no nisy ny Tranolay fihaonana tamin’Andriamanitra, dia ilay nataon’i Mosesy mpanompon’ny TOMPO tany an-taniefitra.
Tao amin’ny Toeramasina Indrindra dia namboarana sarivongana kerobima anankiroa, ka metaly narendrika sady nopetahana takela-bolamena no nanaovana azy.
dia ny Tranolay fihaonana, ny Vatamasina misy ny raki-tsoratry ny fanekempihavanana, ny saron’ny Vatamasina, ny fitaovana rehetra momba ny tranolay masina,