Io andro io ihany no nanokanan’ny mpanjaka ny afovoan’ny kianja manoloana ny tranon’ny TOMPO, satria teo no nanaterany ny sorona dorana manontolo sy ny fanatitra vokatry ny tany ary ny saboran’ny sorom-pihavanana. Kely loatra manko ny alitara halimo teo anoloan’ny Toeramasina ka tsy omby ny zavatra rehetra natolotra.
Ka i Hazarià mpisorombe, anisan’ny taranak’i Tsadôka, no namaly azy hoe: –Hatramin’ny niandohan’ny fitondran’ny olona ampaham-bokatra an-tranon’ny TOMPO, dia nanana hanin-kahavoky izahay, sady be koa ny ambiny tavela satria ny TOMPO efa nitahy ny vahoakany. Ireo navelanay mivangongo ireo ny ambiny.
Niaraka tamin’izay dia nanome baiko manerana ny toby i Mosesy hoe: «Aoka tsy hisy intsony olona, na lahy na vavy, hanomana fanomezana hanaovana ny Toeramasina.» Dia nitsahatra tsy nitondra fanomezana intsony ny vahoaka,