Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Eksodosy 27:16 - DIEM PROTESTANTA

16 Ny vavahadin’ny kianja kosa dia hasiana varavarana lamba folo metatra, hamboarin’ny mpanao peta-kofehy amin’ny kiran-drongony mafy mifangaro volon’ondry miloko volomparasy sy mena ary jaky, ka hahantona amin’ny andry efatra misy faladiany efatra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

16 Eo amin’ny vavahadin’ny kianja dia hasiana vavahady sy lamba roapolo hakiho, manga, volomparasy, jaky ary lamba rongony fotsy madinika voatenona, asan’ny mahay tenona samihafa soratra; ho efatra ny andriny ary ho efatra ny faladiany.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

16 Ny vavahadin’ny kianja kosa dia hasiana varavarana lamba folo metatra, hamboarin’ny mpanao peta-kofehy amin’ny kiran-drongony mafy mifangaro volon’ondry miloko volomparasy sy mena ary jaky, ka hahantona amin’ny andry efatra misy faladiany efatra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

16 Ny amin’ny vavahadin’ny kianja, dia hasiana varavarana lamba, roapolo hakiho, vita amin’ny jaky volomparasy, sy jaky mena mangatrakatraka sy lamba mena antitra, ary rongony madinika voahasina, misoratsoratra, mbamin’ny andriny efatra sy faladia efatra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

16 Ary eo amin’ny vavahadin’ny kianja dia hisy vavahady sy lamba roa-polo hakiho, dia manga sy volomparasy sy mena ary rongony fotsy madinika voahasina, asan’ny mahay tenona samy hafa soratra; ho efatra ny tsangantsangany, ary ho efatra ny faladiany.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

16 Ary eo amin'ny vavahadin'ny kianja dia hisy vavahady sy lamba roa-polo hakiho, dia manga sy volomparasy sy mena ary rongony fotsy madinika voahasina, asan'ny mahay tenona samy hafa soratra; ho efatra ny tsangantsangany, ary ho efatra ny faladiany.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

16 Eo amin’ny vavahadin’ny kianja dia hasiana vavahady sy lamba roapolo hakiho, manga, volomparasy, jaky ary lamba rongony fotsy madinika voatenona, asan’ny mahay tenona samihafa soratra; ho efatra ny andriny ary ho efatra ny faladiany.

Jereo ny toko dika mitovy




Eksodosy 27:16
10 Rohy Ifampitohizana  

Mamirapiratra tokoa ilay Andriambavy ombàn’ny firavaka mifaham-bolamena.


«Mpahay taozavatra no hanao efitra lamba iray amin’ny rongony mafy mifangaro volon’ondry miloko volomparasy sy mena ary jaky, ravahana kerobima roa vita amin’ny peta-kofehy tsara.


«Momba ny fidirana ao amin’ny tranolay masina dia aoka hanaovan’ny mpanenona za-draharaha varavarana lamba iray hafa amin’ny rongony mafy, mifangaro volon’ondry miloko volomparasy sy mena ary jaky.


Hisy anjaka volafotsy hampitohy ny andry rehetra izay mamaritra ny kianja; ny farangony koa dia ho volafotsy, fa ny faladiany halimo.


«Farany dia hanenomana akanjo lava vita rongony i Aharôna, ary hanaovana satroka fehiloha rongony sy fehikibo vita peta-kofehy.


Ho an’ny fidirana ao an-tranolay dia mpanao peta-kofehy no nanao efitra lamba iray hafa tamina kiran-drongony mafy mifangaro volon’ondry miloko volomparasy sy mena ary jaky.


Fa ny fehikibo vita peta-kofehy no natao tamin’ny kiran-drongony mafy nifangaro volon’ondry miloko volomparasy sy mena ary jaky, araka izay efa nandidian’ny TOMPO an’i Mosesy.


ny fefilamban’ny kianja sy ny vavahady lamba amin’ny kianja izay manodidina ny Fonena-masina sy ny alitara, ary ny tadin’ny lay. Nisahana ny fikarakarana rehetra momba ireny ny Gersônita.


«Manangona babo izay ny miaramila, ary mbola eo am-pizaràna azy: tovovavy iray na roa isaky ny mahery fo; karazan-damba miloko samy hafa sady vita peta-kofehy ho an’i Siserà; eny, lamba vita peta-kofehy anatiny sy ivelany no hahodidina ny vozon’ilay mpamabo.»


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra