Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Eksodosy 27:14 - DIEM PROTESTANTA

14-15 ka eo an-daniny roa amin’ny fidirana dia samy hisy temitra fito metatra sy sasany ny halavany miaraka amin’ny andry telo sy faladiany telo avy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

14 Ary hisy fefy lamba dimy amby folo hakiho amin’ny sakany iray; ho telo ny andriny ary ho telo ny faladiany.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

14-15 ka eo an-daniny roa amin’ny fidirana dia samy hisy temitra fito metatra sy sasany ny halavany miaraka amin’ny andry telo sy faladiany telo avy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

14 ka ny ilan’ny iray hasiana fefy lamba dimy ambin’ny folo hakiho mbamin’ny andry telo misy faladia telo,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

14 Ary hisy fefy lamba dimy ambin’ny folo hakiho amin’ny sakany iray; ho telo ny tsangantsangany, ary ho telo ny faladiany.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

14 Ary hisy fefy lamba dimy ambin'ny folo hakiho amin'ny sakany iray; ho telo ny tsangantsangany, ary ho telo ny faladiany.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

14 Ary hisy fefy lamba dimy amby folo hakiho amin’ny sakany iray; ho telo ny andriny ary ho telo ny faladiany.

Jereo ny toko dika mitovy




Eksodosy 27:14
5 Rohy Ifampitohizana  

«Momba ny fidirana ao amin’ny tranolay masina dia aoka hanaovan’ny mpanenona za-draharaha varavarana lamba iray hafa amin’ny rongony mafy, mifangaro volon’ondry miloko volomparasy sy mena ary jaky.


Ho 25 metatra koa ny velaran’ny kianja amin’ny lafiny fidirana atsinanana,


«Ny fonena-masina dia hohodidinina kianja izay fefen’ny temitra vita amin’ny kiran-drongony mafy. Amin’ny lafiny atsimo, dia hivelatra eo amin’ny dimampolo metatra ny halavan’ny temitra;


ka teo an-daniny roa amin’ny fidirana dia samy nisy temitra fito metatra sy sasany ny halavany, niaraka tamin’ny andry telo sy faladiany telo avy.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra