Hatramin’ny andro namoahako ny vahoakako tany amin’ny tany Ejipta, tsy nisy tanàna nofidiko, teo amin’ny fokon’i Israely rehetra, hanaovan-trano hitoeran’ny Anarako, ary tsy nisy olona nofidiko ho mpanapaka an’i Israely vahoakako;
Zakaria 3:2 - Baiboly Katolika Dia hoy i Iaveh tamin’i Satana: «Aoka hosakanan’i Iaveh ianao, izay nifidy an’i Jerosalema! Tsy forohana nosarihina avy amin’ny afo va ity?» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary hoy NY TOMPO tamin’i Satana: Hananatra anao anie NY TOMPO, ry Satana! Eny, NY TOMPO izay nifidy an’i Jerosalema anie hananatra anao! Tsy forohana nosarihana tamin’ny afo va ity? DIEM PROTESTANTA Dia hoy ilay anjelin’ny TOMPO tamin’i Satàna: –Hanery anao hangina anie ny TOMPO; eny, hanery anao hangina anie ny TOMPO Izay efa nifidy an’i Jerosalema! Fa tsy toy ny forohana nalaina tamin’ny afo va i Josoa? Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia hoy ilay anjelin’ny TOMPO tamin’i Satàna: –Hanery anao hangina anie ny TOMPO; eny, hanery anao hangina anie ny TOMPO Izay efa nifidy an’i Jerosalema! Fa tsy toy ny forohana nalaina tamin’ny afo va i Josoa? Baiboly Protestanta Malagasy Ary hoy Jehovah tamin’i Satana: Hananatra anao anie Jehovah, ry Satana; eny, Jehovah Izay nifidy an’i Jerosalema anie hananatra anao; tsy forohana nosarihana tamin’ny afo va ity? Malagasy Bible Ary hoy Jehovah tamin'i Satana: Hananatra anao anie Jehovah, ry Satana; eny, Jehovah Izay nifidy an'i Jerosalema anie hananatra anao; tsy forohana nosarihana tamin'ny afo va ity? La Bible en Malgache Ary hoy NY TOMPO tamin’i Satana: Hananatra anao anie NY TOMPO, ry Satana! Eny, NY TOMPO izay nifidy an’i Jerosalema anie hananatra anao! Tsy forohana nosarihana tamin’ny afo va ity? |
Hatramin’ny andro namoahako ny vahoakako tany amin’ny tany Ejipta, tsy nisy tanàna nofidiko, teo amin’ny fokon’i Israely rehetra, hanaovan-trano hitoeran’ny Anarako, ary tsy nisy olona nofidiko ho mpanapaka an’i Israely vahoakako;
fa i Jerosalema no nofidiko hitoeran’ny Anarako, ary i Davida no nofidiko hanjaka amin’i Israely vahoakako.
ka ianao hilaza aminy hoe: Mitandrema, mandria amim-piadanana, aza matahotra, ary aza rera-po foana ianao eo anatrehan’ireo tapa-porohana roa midonaka ireo, amin’ny fisafoakan’i Rasìna sy i Siria, ary ny zana-dRomelia.
Nahatonga fanakorokoroana ao anatinareo Aho toy ny nanakorokoroan’Andriamanitra an’i Sôdôma sy Gômôra, ary ianareo izany, dia toy ny forohana voatsoaka tamin’ny hain-trano; nefa tsy niverina tamiko ihany ianareo, - teny marin’i Iaveh. -
Ataovy antso avo koa izao: Izao no lazain’i Iavehn’ny tafika: Mbola hitobaka eto an-tanànako ny harem-be; ary mbola hampionona an’i Siôna i Iaveh, sy mbola hifidy an’i Jerosalema.
Fa izao no lazain’i Iavehn’ny tafika: Ho voninahiny no nanirahany ahy ho any amin’ny firenena namabo anareo; satria izay mikasika anareo mikasika ny anakandriamasony.
Dia sady ninananàna ny demony no nampifanintontsintona azy mafy vao niala taminy, ka efa toy ny maty ilay zazalahy, ary efa nataon’ny maro hoe maty aza.
fa Izaho nangataka ho anao, mba tsy ho lavo ny finoanao, ary rehefa mibebaka ianao dia hamafiso ny rahalahinao.»
Fa notenenin’i Jesoa mafy izy nataony hoe: «Mangina, ary mialà amin’io lehilahy io.» Dia nandavo azy tamin’ny tany teo afovoan’ny olona teo ny demony vao nivoaka niala taminy, nefa tsy nandratra azy akory.
Tsy ianareo rehetra no antsoiko (fantatro izay nofidiko); fa mba ho tanteraka ny Soratra Masina manao hoe: Izay miara-mihina-mofo amiko no nanainga ny ombalahin-tongony hamely Ahy.
Ny Andriamanitry ny fiadanana anie hanorotoro faingana an’i Satana eo ambanin’ny tongotrareo. Ary ho ao aminareo rehetra anie ny fahasoavan’i Jesoa Kristy Tompontsika.
Izay manota dia avy amin’ny devoly, fa mpanota hatrany am-boalohany ny devoly. Ary ny handrava ny asan’ny devoly no nisehoan’ny Zanak’Andriamanitra.
afaho amin’ny afo no famonjy ny sasany; ary ny sasany indray amindrao fo, fa amin-tahotra, ka ankahalao na hatramin’ny akanjo voaloton’ny nofo aza.
Kanefa na i Misely Arkanjely aza, raha niady tamin’ny devoly, nifanditra taminy ny amin’ny fatin’i Môizy, dia tsy sahy nanameloka azy tamin’ny teny fanozonana, fa izao fotsiny no nataony: Hofaizin’ny Tompo anie ianao.
Hiady amin’ny Zanak’ondry izy rehetra, nefa ho resin’ny Zanak’ondry, satria Izy no Tompon’ny tompo, sy Mpanjakan’ny mpanjaka, ary ny voaantso sy olom-boafidy sady mahatoky no momba Azy.