fa ampy ho an’ny mpianatra ny tahaka ny mpampianatra azy, ary ho an’ny mpanompo ny tahaka ny tompony. Raha ny lohan’ny fianakaviana aza nantsoiny hoe Belzeboba, mainka fa ny ankohonany.
Matio 23:8 - Baiboly Katolika Fa ianareo kosa, aza mba mety hantsoina hoe Raby, fa iray ihany no Mpampianatra anareo, ary mpirahalahy avokoa ianareo rehetra. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Fa ianareo kosa dia aza mba mety hatao hoe: Raby ô; fa iray ihany no Mpampianatra anareo ary ianareo rehetra dia mpirahalahy avokoa. DIEM PROTESTANTA Ianareo kosa, aza mba mety hantsoina hoe «Rabỳ» na hoe Mpampianatra, satria iray ihany no Mpampianatra anareo ary mpiray tampo avokoa ianareo rehetra. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ianareo kosa, aza mba mety hantsoina hoe «Rabỳ» na hoe Mpampianatra, satria iray ihany no Mpampianatra anareo ary mpiray tampo avokoa ianareo rehetra. Baiboly Protestanta Malagasy Fa hianareo kosa aza mba mety hatao hoe: Raby ô; fa iray ihany no Mpampianatra anareo, ary hianareo rehetra dia mpirahalahy avokoa. Malagasy Bible Fa ianareo kosa aza mba mety hatao hoe: Raby ô; fa iray ihany no mpampianatra anareo, ary ianareo rehetra dia mpirahalahy avokoa. La Bible en Malgache Fa ianareo kosa dia aza mba mety hatao hoe: Raby ô; fa iray ihany no Mpampianatra anareo ary ianareo rehetra dia mpirahalahy avokoa. |
fa ampy ho an’ny mpianatra ny tahaka ny mpampianatra azy, ary ho an’ny mpanompo ny tahaka ny tompony. Raha ny lohan’ny fianakaviana aza nantsoiny hoe Belzeboba, mainka fa ny ankohonany.
Fa raha mbola niteny Izy, dia indro nisy rahona mazava nanarona azy ireo. Ary injao nisy feo avy tamin’io rahona io nanao hoe: «Ity no Zanako malalako, izay sitrako indrindra: henoy Izy.»
Dia mba niteny i Jodasy ilay hamadika Azy nanao hoe: «Raby, moa izaho va izany?» ka novaliany hoe: «Voalazanao.»
Ary niaraka tamin’izay dia nanatona an’i Jesoa izy ka nanao hoe: «Arahaba, Raby» dia nanoroka Azy.
«Inona, hoy i Jesoa taminy, no tianao hataoko aminao?» Dia hoy ilay jamba: «Rabòny ô, aoka mba hahiratra aho.»
Dia nahatsiahy i Piera ka nanao taminy hoe: «Raby ô, he! maina ilay aviavy nozoninao.»
Vantany vao tonga izy dia nanatona an’i Jesoa ka nanao hoe: «Arahaba, Raby,» dia nanoroka Azy izy.
fa Izaho nangataka ho anao, mba tsy ho lavo ny finoanao, ary rehefa mibebaka ianao dia hamafiso ny rahalahinao.»
Ary nitodika i Jesoa ka nahita azy ireo nanaraka Azy, dia nanao taminy hoe: «Inona no tadiavinareo?» Ary hoy izy ireo taminy: «Raby, (izany hoe, ry Mpampianatra, raha adika) aiza Ianao no mitoetra?»
Dia namaly Azy i Natanaely, ka nanao hoe: «Raby ô, Ianao no zanak’Andriamanitra, Ianao no Mpanjakan’i Israely.»
Ka hoy ny mpianany taminy: «Raby ô, vao haingana teo no nitady hitora-bato Anao ny Jody, ka dia hankany indray ve Ianao?»
Dia hoy i Jesoa taminy: «Ry Maria!» Dia nitodika izy ka nanao taminy hoe: «Rabòny!» (izany hoe Mpampianatra).
Nankao amin’i Jesoa izy nony alina ka nanao taminy hoe: «Raby, fantatray fa Mpampianatra avy amin’Andriamanitra Ianao, fa tsy misy olona hahefa izao fahagagana ataonao izao raha tsy Andriamanitra no momba azy.»
ka nankany amin’i Joany ny mpianany nanao taminy hoe: «Raby, Ilay teny aminao, teny an-dafin’i Jordany, izay nambaranao manko, ka indro manao batemy koa ary mankany aminy ny olona rehetra.»
Ary rehefa hitany teny an-dafin’ny ranomasina Izy, dia nilazany hoe: «Raby, oviana no tonga teto Ianao?»
ka hoy ny mpianany nanontany Azy: «Raby, iza moa no nanota, io lehilahy io, sa ny rainy aman-dreniny, no teraka jamba izy?»
tsy dia hoe hanao jadona amin’ny finoanareo izahay (sanatria), fa miara-miasa hampandroso ny hafalianareo; raha ny finoana, dia efa miorina tsara ianareo.
Fa tsy tenanay no torinay, fa i Kristy Jesoa Tompo, ary izahay dia mpanomponareo noho ny amin’i Jesoa.
tsy toy ny mpanompo intsony, fa mihoatra noho ny mpanompo, dia tahaka ny rahalahy malala, ho ahy indrindra ary mainka fa ho anao, na araka ny nofo, na araka ny Tompo.
Ry kristianina havako, aza dia maro loatra aminareo no ho mpampianatra, satria fantatrareo fa ho mafimafy kokoa ny fitsarana anay.
Izaho Joany, havanareo sy namanareo amin’ny fahoriana sy fanjakana ary fandeferana ao amin’i Jesoa Kristy, dia tao amin’ny nosy anankiray atao hoe Patmosy, noho ny amin’ny tenin’Andriamanitra sy ny fanambaràn’i Jesoa.
Dia nidaboka tamin’ny tongony aho, mba hiankohoka aminy, nefa hoy izy tamiko: «Tandremo, aza manao izany, fa mpanompo namanao ihany koa aho, sy naman’ny havanao izay manana ny fanambaràn’i Jesoa. Andriamanitra no iankohofy. Fa mifanaraka ny fanambaràn’i Jesoa sy ny fanahin’ny faminaniana.»
nefa hoy izy tamiko: «Tandremo, aza manao izany, fa mpanompo namanao ihany koa aho, sy naman’ny mpaminany havanao, mbamin’izay mitandrina ny teny amin’ity boky ity; Andriamanitra no tsaohy.»