Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Matio 20:21 - Baiboly Katolika

«Inona no irinao?», hoy i Jesoa taminy. Dia hoy izy: «Aoka ireto zanako roa lahy ireto mba hipetraka eo ankavananao ny anankiray ary eo ankavianao ny anankiray, ao amin’ny fanjakanao.»

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Hoy Izy taminy: Inona no irinao? Dia hoy Ravehivavy Taminy: Manomeza teny mba hipetrahan’ireto zanako roa lahy ireto ao amin’ny fanjakanao; koa ny iray dia ho eo amin’ny ankavananao ary ny iray dia ho eo amin’ny ankavianao.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Ka hoy i Jesoa tamin-dravehivavy: –Inona no irînao? Dia novaliany hoe: –Omeo teny ireto zanako roa lahy ireto fa hipetraka eo ankavananao ny anankiray ary eo ankavianao ny anankiray, rehefa tonga mpanjaka Ianao.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Ka hoy i Jesoa tamin-dravehivavy: –Inona no irînao? Dia novaliany hoe: –Omeo teny ireto zanako roa lahy ireto fa hipetraka eo ankavananao ny anankiray ary eo ankavianao ny anankiray, rehefa tonga mpanjaka Ianao.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary hoy Izy taminy: Inona no irinao? Dia hoy ravehivavy taminy: Mandidia mba hipetrahan’ireto zanako roa lahy ireto, ny anankiray ho eo amin’ny ankavananao, ary ny anankiray ho eo amin’ny ankavianao, ao amin’ny fanjakanao.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary hoy Izy taminy: Inona no irinao? Dia hoy ravehivavy taminy: Mandidia mba hipetrahan'ireto zanako roa lahy ireto, ny anankiray ho eo amin'ny ankavananao, ary ny anankiray ho eo amin'ny ankavianao, ao amin'ny fanjakanao.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Hoy Izy taminy: Inona no irinao? Dia hoy Ravehivavy Taminy: Manomeza teny mba hipetrahan’ireto zanako roa lahy ireto ao amin’ny fanjakanao; koa ny iray dia ho eo amin’ny ankavananao ary ny iray dia ho eo amin’ny ankavianao.

Jereo ny toko



Matio 20:21
24 Rohy Ifampitohizana  

Dia nankany amin’i Salômôna mpanjaka, i Betsabea, hilaza aminy ny amin’i Adoniasa. Nitsangana nitsena azy ny mpanjaka, sady niankohoka teo anatrehany; dia nipetraka teo amin’ny seza fiandrianany, sy nampanisy seza fiandrianana ho an’ny renin’ny mpanjaka, ka nipetraka teo ankavanany ravehivavy.


Ary i Iaveh niseho tamin’i Salômôna tamin’ny nofy, nony alina, tany Gabaôna, ka hoy Andriamanitra taminy: «Angataho izay tianao homeko anao.»


Salamon’i Davida. I Iaveh nilaza tamin’ny Tompoko hoe: Mipetraha eo ankavanako ianao, mandra-panaoko ny fahavalonao ho fitoeran-tongotrao.


Manitra mira sy aloesy aman-kasa ny fitafianao rehetra; mamalifaly anao ny zava-maneno avy ao an-dapa ivoara.


Ary ianao kosa hitady zava-dehibe ho anao? Aza mitady izany, fa indro hahatonga loza amin’ny nofo rehetra Aho, - teny marin’i Iaveh, - fa ianao kosa homeko ny ainao ho babonao, any amin’izay fitoerana rehetra halehanao.


Tamin’izay, nanatona an’i Jesoa ny mpianany ary nanao taminy hoe: «Iza moa no ambony indrindra amin’ny fanjakan’ny lanitra?»


Hoy i Jesoa taminy: Lazaiko marina aminareo fa raha mby amin’ny andro fanavaozana, ny Zanak’olona dia hipetraka eo amin’ny fiketrahan’ny fiandrianany; ary ianareo izay nanaraka Ahy koa hipetraka amin’ny fiketrahana roa ambin’ny folo, ka hitsara ny foko roa ambin’ny folo amin’i Israely.


Dia hoy ny famalin’i Jesoa: «Tsy fantatrareo izay angatahinareo. Moa mahasotro izay kapoaka hosotroiko va ianareo?» «Efanay ihany,» hoy ireo taminy.


Dia nijanona i Jesoa sady niantso azy ka nanao hoe: «Inona no tianareo hataoko aminareo?»


«Inona, hoy i Jesoa taminy, no tianao hataoko aminao?» Dia hoy ilay jamba: «Rabòny ô, aoka mba hahiratra aho.»


Ary rehefa niteny tamin’izy ireo i Jesoa Tompo, dia nakarina any an-danitra, ka mipetraka eo ankavanan’Andriamanitra.


Fa niditra nandihy tao an-trano fanasana ny zanakavavin’i Herôdiada, ka nahafaly an’i Herôda sy izay niara-nihinana taminy; dia hoy ny mpanjaka tamin-drazazavavy: «Angataho amiko izay tianao, fa homeko anao,»


«Inona no tianao hataoko aminao?» Ary hoy izy: «Mba hahiratra aho, Tompoko.»


Raha mbola nihaino izany ny olona dia nanao ity fanoharana ity koa i Jesoa, fa efa akaikin’i Jerosalema Izy, ary nataon’ny olona fa ny fanjakan’Andriamanitra hiseho miaraka amin’izay,


Ary velona koa ny ady hevitra tamin’izy ireo, momba ny hahalalany izay lehibe indrindra amin’izy ireo,


Raha mitoetra ao amiko ianareo ka mitoetra ao aminareo ny teniko, dia hangataka izay tianareo ianareo, ka hatao aminareo izany.


Ka izay tafangona teo dia nanontany Azy hoe: «Tompoko, amin’izay va no fotoana hanangananao ny fanjakan’i Israely indray?»


Mifankatiava toy ny ifankatiavan’ny mpiray tam-po, mifaninàna hifanaja.


ka zovy no hanameloka? Moa i Kristy va, Ilay efa maty, fa nitsangan-ko velona, sy mipetraka eo ankavanan’Andriamanitra ary mifona ho antsika?


Koa raha niara-nitsangana tamin’i Kristy ianareo, dia ny zavatra any ambony, amin’izay itoeran’i Kristy eo ankavanan’Andriamanitra, no katsaho;