Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jeremia 45:5 - Baiboly Katolika

5 Ary ianao kosa hitady zava-dehibe ho anao? Aza mitady izany, fa indro hahatonga loza amin’ny nofo rehetra Aho, - teny marin’i Iaveh, - fa ianao kosa homeko ny ainao ho babonao, any amin’izay fitoerana rehetra halehanao.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

5 Mitady zavatra lehibe ho anao va ianao? Aza mitady izany! Fa indro, hahatonga loza ho amin’ny nofo rehetra Aho, hoy NY TOMPO; fa raha ny ainao dia homeko anao ho babonao ihany any amin’izay rehetra halehanao.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

5 Koa ianao ve sahy hitaky tombontsoa ho an’ny tenanao manokana? Tsia, aza mitaky na inona na inona; fa indro Aho hahatonga loza ho amin’ny olombelona rehetra. Teny hentitra avy amiko TOMPO izany. Kanefa izao no tombontsoa hanananao: Hataoko velona aina ianao any amin’ny toerana rehetra halehanao.»

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

5 Koa ianao ve sahy hitaky tombontsoa ho an’ny tenanao manokana? Tsia, aza mitaky na inona na inona; fa indro Aho hahatonga loza ho amin’ny olombelona rehetra. Teny hentitra avy amiko TOMPO izany. Kanefa izao no tombontsoa hanananao: Hataoko velona aina ianao any amin’ny toerana rehetra halehanao.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

5 Mitady zavatra lehibe ho anao va hianao? aza mitady izany! fa, indro, hahatonga loza ho amin’ny nofo rehetra Aho, hoy Jehovah; fa raha ny ainao dia homeko anao ho babonao ihany any amin’izay rehetra halehanao.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

5 Mitady zavatra lehibe ho anao va ianao? aza mitady izany! fa, indro, hahatonga loza ho amin'ny nofo rehetra Aho, hoy Jehovah; fa raha ny ainao dia homeko anao ho babonao ihany any amin'izay rehetra nalehanao.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

5 Mitady zavatra lehibe ho anao va ianao? Aza mitady izany! Fa indro, hahatonga loza ho amin’ny nofo rehetra Aho, hoy NY TOMPO; fa raha ny ainao dia homeko anao ho babonao ihany any amin’izay rehetra halehanao.

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 45:5
19 Rohy Ifampitohizana  

Nijery ny tany Andriamanitra ka indro efa simba izy, fa samy efa nanimba ny lalany tambonin’ny tany avokoa ny nofo rehetra.


Ka hoy Andriamanitra taminy: «Noho ianao nangataka izany zavatra izany, ka tsy nangataka andro maro ho anao, sy tsy nangataka harena ho anao, ary tsy nangataka ny ain’ny fahavalonao ho anao; fa ny saina no nangatahinao ho anao mba hitsara araka ny rariny;


Koa saina mahiratra no omeo ny mpanomponao, hitsarako ny vahoakanao, hanavahako ny soa sy ny ratsy. Fa iza moa no hahay mitsara izao vahoakanao maro be izao!»


Fa hoy i Elisea taminy: «Tsy niaraka taminao va ny fanahiko, tamin’ilay nilaozan-dralehilahy ny kalesiny hitsena anao? Moa va izao no fotoana fandraisam-bola, na fandraisam-pitafiana, na ôliva, na voaloboka, na ondry, na omby na mpanompo lahy sy vavy?


Fihirana fiakarana. Nataon’i Davida. Iaveh ô, tsy mba nivontom-piavonavonana ny foko, tsy mba niandranàndrana ny fijeriko, tsy mba mikarokaroka zavatra ambony aho, na izay avo mihoatra noho izaho.


Fa amin’ny afo no anaovan’i Iaveh ny fitsarana, ary ny sabany no ampiharany azy amin’ny nofo rehetra; ary maro no ho voagorobak’i Iaveh.


Izay mbola hitoetra amin’ity tanàna ity dia ho fatin’ny sabatra na ny mosary na ny pesta; izay hivoaka hanatona ireo Kaldeanina na manao fahirano anareo kosa dia ho velona ary hanana ny ainy ho babony.


Fa izao no nolazain’i Iaveh, Andriamanitr’i Israely tamiko: «Raiso ity kapoakan’ ny divaim-pahatezerako etỳ an-tanako ity, ka ampisotroy ny firenena rehetra hanirahako anao.


Hisotro amin’izany izy ireo, dia handraingiraingy sy ho very saina eo anoloan’ny sabatra halefako ho eo afovoan’izy ireo.»


ny mpanjaka rehetra any avaratra, na ny akaiky na ny lavitra, na ity na itsy mbamin’ny fanjakana rehetra amin’izao tontolo izao, etỳ ambonin’ny tany; ary ny mpanjakan’i Sesàka no hisotro manaraka ireo.


Re hatrany am-paran’ny tany, ny horakoraka; satria i Iaveh mampamoaka ny firenena rehetra, mifandahatra amin’ny nofo rehetra eo amin’ny fitsarana, manolotra ny ratsy fanahy amin’ny sabatra, - teny marin’i Iaveh. -


«Izao no lazain’i Iaveh: Izay hitoetra amin’ity tanàna ity, ho fatin’ny sabatra sy ny mosary ary ny pesta; fa izay hivoaka hanatona ny Kaldeanina kosa, ho velona aina sy hahazo ny ainy ho babony, ka ho velona.


Hataoko afaka tokoa ianao ka tsy ho lavon-tsabatra, fa hahazo ny ainao ho babo, satria natoky Ahy ianao, - teny marin’i Iaveh. -


Koa andrasonareo Aho, - teny marin’i Iaveh, - amin’ny andro hitsanganako haka babo! Satria izao no didiko, dia ny hanangonako ny firenena, hamoriako ny fanjakana, hanidinako ny fahatezerako amin’izy ireo, dia ny firehetan’ny fahatezerako rehetra. Fa ny afon’ny fahasaro-piaroko no handevona ny tany rehetra.


Miraisa hevitra: aza miavonavona, fa mifandraisa amin’ny iva toetra. Aza manao ny tenanareo ho hendry.


Aza mba mitondra tena amim-pahidiana; mionòna amin’izay anananareo, fa Tenan’Andriamanitra no nilaza hoe: Tsy handao anao Aho, na hahafoy anao akory;


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra