Ny amiko, dia honina ao Masfà aho, ho mpanao raharahan’ny Kaldeanina, tonga atỳ aminareo; ary ianareo kosa, angony ny divay amam-boankazo sy diloilo, ka ataovy amin’ny fasiana azy, dia monena amin’izay tanànanareo, izay hipetrahanareo.»
Jeremia 48:32 - Baiboly Katolika Mihoatra noho ny fitomaniana an’i Jazera no itomaniako anao, ry tanimboalobok’i Sabamà. Tafita ny ranomasina ny rantsanao tafapaka amin’ny ranomasin’i Jazera izy. Kanjo ny fitoazana anao amam-pitoazana ny voalobokao, nianjeran’ny mpandringana. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Mihoatra noho ny fitomanian’i Jazera no hitomaniako anao, ry voalobok’i Sibma, tafita ny ranomasina ny rantsanao ary tonga hatrany amin’ny ranomasin’i Jazera; ny mpandripaka dia tonga handripaka ny voankazonao masaka fahavaratra sy ny voalobokao. DIEM PROTESTANTA Mihoatra noho ny fitomanian’ny mponina tao Jahizera no itomaniako anao, ry voly voaloboka any Sibmà, fa ny sampanao nandadilady hatrany ampitan’ny Ranomasina Maty ka tafapaka hatrany Jahizera. Kinanjo ilay mpandrava nandripaka ny fiotazanao sy ny fijinjànao. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Mihoatra noho ny fitomanian’ny mponina tao Jahizera no itomaniako anao, ry voly voaloboka any Sibmà, fa ny sampanao nandadilady hatrany ampitan’ny Ranomasina Maty ka tafapaka hatrany Jahizera. Kinanjo ilay mpandrava nandripaka ny fiotazanao sy ny fijinjànao. Baiboly Protestanta Malagasy Mihoatra noho ny fitomanian’ i Jazera no hitomaniako anao, ry voalobok’i Sibma, Tafita ny ranomasina ny rantsanao Ary tonga hatrany amin’ny ranomasin’i Jazera; Ny mpandripaka dia tonga handripaka ny voankazonao masaka fahavaratra sy ny voalobokao. Malagasy Bible Mihoatra noho ny fitomanian'i Jazera no hitomaniako anao, ry voalobok'i Sibma, tafita ny ranomasina ny rantsanao ary tonga hatrany amin'ny ranomasin'i Jazera; Ny mpandripaka dia tonga handripaka ny voankazonao masaka fahavaratra sy ny voalobokao. La Bible en Malgache Mihoatra noho ny fitomanian’i Jazera no hitomaniako anao, ry voalobok’i Sibma, tafita ny ranomasina ny rantsanao ary tonga hatrany amin’ny ranomasin’i Jazera; ny mpandripaka dia tonga handripaka ny voankazonao masaka fahavaratra sy ny voalobokao. |
Ny amiko, dia honina ao Masfà aho, ho mpanao raharahan’ny Kaldeanina, tonga atỳ aminareo; ary ianareo kosa, angony ny divay amam-boankazo sy diloilo, ka ataovy amin’ny fasiana azy, dia monena amin’izay tanànanareo, izay hipetrahanareo.»
I Moaba efa rava; ny tanànany efa midona-tsetroka; ny zatovony voafantina, midina ho any am-pamonoana; - teny marin’ny mpanjaka. manana anarana hoe: Iavehn’ny tafika. -
Mietre amin’ny voninahitrao dia mipetraha amin’ny tany, ry mponina, zanaka vavin’i Dibôna; fa tafakatra hamely anao ny mpandringana an’i Moaba, ny mandanao efa voazerany.
Ho tonga hamely ny tanàna rehetra ny mpandringana, ka tsy hisy ho afaka aminy izy ireo na iray aza; ny lohasaha, hosimbana; ary ny tanety, horobaina, araka ny voalazan’i Iaveh.
Naniraka olona hisafo an’i Jazera i Môizy; dia afak’izy ireo ny zana-bohiny, ka noroahiny ny Amôreana tamin’ireny.
Ny zana-dRobena sy ny zanak’i Gada dia nanana biby fiompy be tokoa; ka nony hitany fa tany tsara ho fiandrasana biby fiompy ny tany ao Jazera sy ny tany ao Galaada,
I Nebô ary i Baalmeôna izay samy novany anarana ary i Sabamà, ka samy nomeny ny anarana ny tanàna naoriny.
ka izao no faritaniny: Jasera, ny tanànan’i Galaada rehetra, ny antsasaky ny tanin’ny taranak’i Amôna, hatrany Arôera tandrifin’i Rabà,
Ny totalin’ny tanànan’ny Levita teo amin’ny fananan’ny zanak’i Israely dia 48 sy ny manodidina azy.