Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Jeremia 48:11 - Baiboly Katolika

Hatry ny fony mbola zaza i Moaba dia nandry feizay, niotrika teo amin’ny faikany, tsy nafindrafindra vilany, tsy lasana ho any amin’ny fahababoana, ka dia naharitra ny tsirony, ary tsy niova ny fofony.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Nandry fehizay i Moaba hatry ny fony izy mbola kely ka niotrika tao amin’ny faikany, fa tsy mba naidina nafindrafindra siny ary tsy mbola lasan-ko babo izy; koa izany no naharetan’ny tsirony ao aminy sy tsy niovan’ny fofony.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

«Tsy mba niaina tamin’ahiahy i Môaba hatry ny fony izy mbola kely, ary tsy mbola nentina ho babo mihitsy. Nandry feizay am-pilaminana izy toy ny divay niotrika hitsihan’ny faikany ary tsy mbola naidina nafindra siny ka mitana tsiro sady tsy miova hanitra.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

«Tsy mba niaina tamin’ahiahy i Môaba hatry ny fony izy mbola kely, ary tsy mbola nentina ho babo mihitsy. Nandry feizay am-pilaminana izy toy ny divay niotrika hitsihan’ny faikany ary tsy mbola naidina nafindra siny ka mitana tsiro sady tsy miova hanitra.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Moaba nandry fahizay hatry ny fony izy mbola kely Ka niotrika tao amin’ny faikany, Fa tsy naidina nafindrafindra siny, Ary tsy mbola lasan-ko babo izy; Koa izany no aharetan’ny tsirony ao aminy Sy tsy iovan’ny fofony.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Moaba nandry fahizay hatry ny fony izy mbola kely ka niotrika tao amin'ny faikany, fa tsy naidina nafindrafindra siny, ary tsy mbola lasan-ko babo izy; koa izany no aharetan'ny tsirony ao aminy sy tsy iovan'ny fofony.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Nandry fehizay i Moaba hatry ny fony izy mbola kely ka niotrika tao amin’ny faikany, fa tsy mba naidina nafindrafindra siny ary tsy mbola lasan-ko babo izy; koa izany no naharetan’ny tsirony ao aminy sy tsy niovan’ny fofony.

Jereo ny toko



Jeremia 48:11
16 Rohy Ifampitohizana  

Efa nanototra ny fanahinay izaitsizy, ny famingavingan’ny mpirehareha, ny fanevatevan’ny mpiavonavona.


Hanafaka ny fanahiko amin’ny ady amelezany ahy, ho amin’ny fiadanana, Izy, fa maro ry zareo miady amiko.


Fa ny faniasiavan’ny tsy mahalala no mamono azy, ary ny tokin’ny tsy misy saina no mahavery azy.


Fantatray ny avonavon’i Moaba, ilay fatra-piavonavona, ny rehareha aman’avonavony, ny anjonanjony aman-teny mamitaka.


Hosimbana sy hatolotra horobaina, ny tany, fa izany no teny notononin’i Iaveh.


Hanomanan’i Iavehn’ny tafika amin’ity tendrombohitra ity ho an’ny firenena rehetra, fanasana amin’ny hena matavy, fanasana amin’ny divay ela niotrehana, hena matavy sy be tsoka, divay ela niotrehana sy voatantavana.


Efa niteny taminao Aho, fony ianao mbola niadana nefa hoy ianao: Tsy hihaino aho! Fanaonao hatry ny fony mbola tanora izany: tsy nihaino ny feoko ianao!


Koa indro, tonga ny andro, - teny marin’i Iaveh, - hanirahako mpamindra am-bilany, hamindra vilany azy, hofoanany ny vilaniny, ary hovakiny ny sininy.


Efa renay ny avonavon’i Moaba, ilay fatra-piavonavona, ny fisolanàndrany, ny avonavony, ny reharehany, ary ny hambom-pony.


Nandany ahy, nandevona ahy, i Nabokodonozora, mpanjakan’i Babela; nampitsatoka ahy teo, toy ny vazy foana, nitelina ahy, toy ny dragona; nameno ny kibony, tamin’ny nahandroko tsara indrindra, dia nandroaka ahy.


Baboy ny volafotsy, baboy ny volamena! fa tsy hita lany ny hareny, mbamin’ny fanaka sarobidiny rehetra voaangony.


Misy mpandrava tamy hamely anao; tano ny trano mimanda, ambeno ny lalana, hatanjaho ny andilanao, angony ny herinao rehetra!


Izao no hatao amin’izany andro izany: Hokarohiko amin’ny fanala i Jerosalema, ka hofaizako ny olona mandry mifetaka amin’ny faikany, izay manao anakampo hoe: Tsy manisy soa, tsy manisy ratsy i Iaveh!


Ary mbola azon’ny fahasaro-piaro mafy Aho hamely ny firenena izay milomano amin’ny harem-be. Satria Izaho moa, efa tezitra kely sahady, izy kosa niasa nankamin’ny fandravana ihany.