Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Nahoma 2:2 - Baiboly Katolika

2 Misy mpandrava tamy hamely anao; tano ny trano mimanda, ambeno ny lalana, hatanjaho ny andilanao, angony ny herinao rehetra!

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

2 Misy mpanafika miakatra hamely anao. Ambeno ny manda, tazano ny lalana, mivonòna hiady, mahereza, aoka hitomban-dahy!

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

2 Miakatra hamely anao, ry Ninive, ireo mpandrava; koa ambeno ny manda, andraso ny lalana. Mivonòna hiady ary angony ny tafikao rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

2 Miakatra hamely anao, ry Ninive, ireo mpandrava; koa ambeno ny manda, andraso ny lalana. Mivonòna hiady ary angony ny tafikao rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

2 Misy mpanorotoro miakatra hamely anao Ambeno ny mànda, Tazano ny làlana, Hatanjaho ny valahanao, Hetseho mafy ny herinao!

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

2 Misy mpanorotoro miakatra hamely anao Ambeno ny manda, Tazano ny lalana, Hatanjaho ny valahanao, Hetseho mafy ny herinao!

Jereo ny toko dika mitovy




Nahoma 2:2
14 Rohy Ifampitohizana  

Vahoaka no ampanekeny antsika; firenena no ataony ambanin’ny tongotsika.


Ianao izay efa nariana teo sy nankahalaina ary nanirery, dia hataoko reharehan’ny taona rehetra, sy fifalian’ny taranaka rehetra.


Fa jereo ange ny tanàna iantsoana ny Anarako ho fiarovana azy no nampihàrako voalohany ny loza; ka ianareo indray ve no ho afaka? Tsy ho afaka ianareo, fa hantsoiko hamely ny mponina rehetra amin’ny tany, ny sabatra,» - teny marin’i Iaveh.


Hatry ny fony mbola zaza i Moaba dia nandry feizay, niotrika teo amin’ny faikany, tsy nafindrafindra vilany, tsy lasana ho any amin’ny fahababoana, ka dia naharitra ny tsirony, ary tsy niova ny fofony.


Raha mpioty voaloboka no tonga aminao, tsy mamela hotsimponina izy, na dia kely aza; raha mpangalatra tonga alina kosa, mandroba izy, mandra-pahafa-pony.


Ary lazao aminy hoe: Izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Indro halaiko any amin’ny firenena nalehany, ny zanak’i Israely; hangoniko avy any rehetra any izy, dia hoentiko miverina eo amin’ny taniny.


Tsy handoto tena intsony izy, na amin’ny sampiny vetaveta, na amin’ny fahavetavetany, na amin’ny hadisoany rehetra; hovonjeko ho afaka amin’ny fiodinany rehetra nanotany izy, ary hodioviko; izy ireo ho vahoakako, ary Izaho ho Andriamaniny.


Voaloboka mirobona erỳ i Israely, efa mavesatry ny voany. Araka ny habetsahan’ny voany no ampitomboany ny ôteliny; araka ny hatsaran’ny taniny, no hatsaran’ny tsangam-bato nataony.


Baboy ny volafotsy, baboy ny volamena! fa tsy hita lany ny hareny, mbamin’ny fanaka sarobidiny rehetra voaangony.


Mantsakà rano ho anao ho fitaovana amin’ny fahirano; hamafiso ny manda, manditia tanimanga, mihose tanidilatra, raiso ny lasitra hanaovana biriky.


Amin’izany andro izany tsy ho henatra ho anao intsony, ny asanao rehetra izay nanotanao tamiko; satria amin’izany hoesoriko hiala eo aminao ireo izay nifaly tamim-pireharehana; ary ianao tsy hiavonavona intsony eo an-tendrombohitro masina.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra