Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Nahoma 2:3 - Baiboly Katolika

3 Fa i Iaveh mampody ny voninahitr’i Jakôba, mbamin’ny voninahitr’i Israely, satria norobain’ny mpandroba izy, sady nosimbany ny foto-boalobony.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

3 Fa NY TOMPO efa mampody ny voninahitr’i Jakoba, toy ny ampodiany ny voninahitr’Israely; fa efa nandroba azy ny mpandroba ary nanimba ny sampam-boalobony.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

3 Fa efa ampodin’ny TOMPO indray ny voninahitry ny taranak’i Jakôba efa ampodiny indray ny voninahitr’i Israely, ilay voaloboka rava sady simban’ny mpandroba.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

3 Fa efa ampodin’ny TOMPO indray ny voninahitry ny taranak’i Jakôba efa ampodiny indray ny voninahitr’i Israely, ilay voaloboka rava sady simban’ny mpandroba.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

3 Fa Jehovah efa mampody ny voninahitr’ i Jakoba, Toy ny ampodiany ny voninahitr’ Isiraely; Fa ny mpandroba efa nandroba azy Ary nanimba ny sampam-boalobony.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

3 Fa Jehovah efa mampody ny voninahitr'i Jakoba, Toy ny ampodiany ny voninahitr'Isiraely; Fa ny mpandroba efa nandroba azy Ary nanimba ny sampam-boalobony.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

3 Fa NY TOMPO efa mampody ny voninahitr’i Jakoba, toy ny ampodiany ny voninahitr’Israely; fa efa nandroba azy ny mpandroba ary nanimba ny sampam-boalobony.

Jereo ny toko dika mitovy




Nahoma 2:3
13 Rohy Ifampitohizana  

Mifioka eny ambony eny ny zana-tsipìka, ny lefona manelatselatra sy ny longy.


Nahoana no dia noravanao ny fefiny, ka izay mandalo rehetra, manimba azy avokoa?


Ny sipresy aza mifaly amin’ny fahalavoanao mbamin’ny sedera any Libàna: Hatrizay nahalavoanao teo izay, tsy misy olona miakatra hikapa anay intsony.


Ho avy hamely anao ny fiadiana, ny kalesy aman-kodiarana, mbamin’ny firenena maro. Ny ampinga, ny ampinga kely, ny fiarovan-doha, halahany hamely anao; hapetrako amin’ireo ny fitsarana, ka hotsaraina araka ny lalàny ianao.


Fa izao lazain’ny Tompo Iaveh: Indro, hoentiko avy any avaratra hamely an’i Tira, i Nabokodonozora mpanjakan’i Babilôna, mpanjakan’ny mpanjaka, mitondra soavaly aman-kalesy, mitaingin-tsoavaly, omba-miaramila betsaka sy vahoaka maro.


Injany re ny firivirìvin’ny karavasy, ny firodorodon’ny kodia, ny katrokatroky ny soavaly, ny fiantraitraikan’ny sarety!


Fahitana no azoko tamin’ny alina: ka nisy lehilahy nitaingin-tsoavaly menapìny nijanona teo amin’ny hazo mirta, amin’ny toerana malokaloka; sady nisy soavaly nemapìny sy mavomena ary fotsy teo aoriany.


Midradradradrà, ry sipresa, fa lavo ny sedera, voasimba ny hazo tsara mahagaga. Midradradradrà, ry oaka ao Basàna, fa ripaka ny ala mikirindro!


Ny kalesy voalohany nisy soavaly menapìny, ny kalesy faharoa nisy soavaly mainty;


Ary nisy famantarana hafa koa niseho teny an-danitra, dia Dragona mena lehibe anankiray nitranga tampoka, fito ny lohany, folo ny tandrony, ary satroboninahitra fito no teny an-dohany.


Dia nisy soavaly hafa mena kosa nivoaka, ary ilay nitaingina azy dia navela hanesotra ny fihavanana amin’ny tany, mba hifamonoan’ny olona, ka nomena sabatra lehibe izy.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra