Nahoma 2:4 - Baiboly Katolika4 Voaloko mena ny ampingan’ny mpiadiny, miakanjo mena mangatrakatraka ny miaramilany: mitranga ny kalesiny ao anatin’ny vy manjelanjelatra, amin’ny andro iomanany hiady, ary ny lefony mandihindihy. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy 20114 Miloko mena ny ampingan’ny lehilahy maheriny, miloko jaky ny fanamian’ny miaramilany, ny kalesy fitondrany miady dia misy vy mahery, mamirapiratra toy ny afo amin’ny andro fiomanany, ary arangaranga ny lefona. Jereo ny tokoDIEM PROTESTANTA4 Ampinga miloko mena sy akanjo jaky midorehitra no entin’ny tafika fahavalonao, ry Ninive. Manjelatra toy ny afo ny kalesiny ary mirangaranga ny lefony, rehefa mivonon-kiady izy. Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara4 Ampinga miloko mena sy akanjo jaky midorehitra no entin’ny tafika fahavalonao, ry Ninive. Manjelatra toy ny afo ny kalesiny ary mirangaranga ny lefony, rehefa mivonon-kiady izy. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy4 Nomenaina ny ampingan’ny lehilahy maheriny, Mitafy jaky ny miaramilany, Ny kalesiny dia misy vy mahery, mamirapiratra toy ny afo, amin’ny andro fiomanany, Ary antsodina ny lefona. Jereo ny tokoMalagasy Bible4 Nomenaina ny ampingan'ny lehilahy maheriny, Mitafy jaky ny miaramilany, Ny kalesiny dia misy vy mahery, mamirapiratra toy ny afo, amin'ny andro fiomanany, Ary antsodina ny lefona. Jereo ny toko |
Hamely an’ilay Masin’i Israely. Ny mpanomponao no efa naniratsiranao ny Tompo, ary ianao efa nanao hoe: ‹Amin’ny hamaroan’ny kalesiko no efa niakarako teny antampon-tendrombohitra, teny amin’ny fara sisin’i Libàna; hokapaiko ny avo indrindra amin’ny sipresa ao aminy, ny tsara indrindra amin’ny sipresa ao aminy, dia hahatakatra ny tendrony avo indrindra aho, mbamin’ny alany, hoatra ny saha misy hazo mamoa.