Dia nivoaka i Lôta, ka nilaza tamin’ny vinantony, izay naka ny zanany vavy ho vadiny, nanao hoe: «Mitsangàna ianareo, mialà amin’ity fitoerana ity, fa horavan’i Iaveh ny tanàna.» Nataon’ireo vinantony ho manao vazivazy anefa izy.
Jeremia 43:2 - Baiboly Katolika dia niteny i Azariasa zanak’i Osaiasa, sy i Johanàna zanak’i Karea, mbamin’ireo lehilahy mpiavonavona rehetra, ka nanao tamin’i Jeremia hoe: «Milaza lainga ianao; i Iaveh Andriamanitsika tsy naniraka anao hilaza aminay hoe: ‹Aza miditra any Ejipta mba hitoetra ao›. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 dia niteny i Azaria, zanak’i Hosaia, sy i Johanana, zanak’i Karea, mbamin’ny olona mpirehareha rehetra ka niteny tamin’i Jeremia hoe: Mandainga ianao; fa tsy naniraka anao NY TOMPO Andriamanitsika hilaza hoe: Aza mandeha hivahiny any Ejipta; DIEM PROTESTANTA dia namaly i Hazarià zanakalahin’i Hosaià sy i Jôhanàna zanakalahin’i Karea ary ireo lehilahy mpirehaka rehetra ka nanao tamin’i Jeremià hoe: –Mpandainga ianao fa tsy naniraka anao hisakana anay tsy handeha hialokaloka any Ejipta ny TOMPO Andriamanitsika. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara dia namaly i Hazarià zanakalahin’i Hosaià sy i Jôhanàna zanakalahin’i Karea ary ireo lehilahy mpirehaka rehetra ka nanao tamin’i Jeremià hoe: –Mpandainga ianao fa tsy naniraka anao hisakana anay tsy handeha hialokaloka any Ejipta ny TOMPO Andriamanitsika. Baiboly Protestanta Malagasy dia niteny Azaria, zanak’i Hosaia, sy Johanana, zanak’i Karea, mbamin’ny olona mpirehareha rehetra ka niteny tamin’i Jeremia hoe: Mandainga hianao; fa tsy naniraka anao Jehovah Andriamanitsika hilaza hoe: Aza mandeha hivahiny any Egypta; Malagasy Bible dia niteny Azaria, zanak'i Hosaia, sy Johanana, zanak'i Karea, mbamin'ny olona mpirehareha rehetra ka niteny tamin'i Jeremia hoe: Mandainga ianao; fa tsy naniraka anao Jehovah Andriamanitsika hilaza hoe: Aza mandeha hivahiny any Egypta; La Bible en Malgache dia niteny i Azaria, zanak’i Hosaia, sy i Johanana, zanak’i Karea, mbamin’ny olona mpirehareha rehetra ka niteny tamin’i Jeremia hoe: Mandainga ianao; fa tsy naniraka anao NY TOMPO Andriamanitsika hilaza hoe: Aza mandeha hivahiny any Ejipta; |
Dia nivoaka i Lôta, ka nilaza tamin’ny vinantony, izay naka ny zanany vavy ho vadiny, nanao hoe: «Mitsangàna ianareo, mialà amin’ity fitoerana ity, fa horavan’i Iaveh ny tanàna.» Nataon’ireo vinantony ho manao vazivazy anefa izy.
Nikomy tamin’i Nabokodonozora mpanjaka aza izy, izay efa nampianiana azy tamin’ny anaran’Andriamanitra. Nanamafy ny hatony sy nanamafy ny fony izy, mba tsy hiverenany amin’i Iaveh Andriamanitr’i Israely.
Mandrahona ny mpiavonavona Ianao, dia ireo olom-boaozona, izay mania lavitra ny didinao.
Mifampilaza lainga no ataon’ny olona; molotra mandrobo sy feo mamorom-pitaka no itenenany.
Efa nanototra ny fanahinay izaitsizy, ny famingavingan’ny mpirehareha, ny fanevatevan’ny mpiavonavona.
Fa hoy ny navalin’i Faraôna: «Iza moa i Iaveh no hoekeko teny, ka handefasako an’i Israely handeha? Izaho tsy mahalala izay Iaveh, ka tsy avelako handeha i Israely.»
Fahavetavetana amin’i Iaveh ny miavona am-po rehetra; azo itompoana tokoa fa tsy ho afa-maina izy.
fandrao voky aho dia mandà Anao, ka hanao hoe: «Iza moa i Iaveh?» ary andrao koa mangalatra aho, raha mahantra, ka hanamavo ny Anaran’Andriamanitra.
(Ny fankahalana ny ratsy no fahatahorana an’i Iaveh); ny rehareha aman’avonavona, ny lalan’ny haratsiana, ary ny lela fandainga, dia izany no halako.
Ary i Samaria no lohan’i Efraima, ny zana-dRomelia no lohan’i Samaria. Raha tsy mino ianareo, dia tsy haharitra.»
Hahalala izany avokoa ny vahoaka, dia i Efraima sy ny mponina any Samaria, izay miteny amim-piavonavonana sy amim-pireharehan’ny fony manao hoe:
Dia hoy izy ireo: «Andeha, hiray tetika hamely an’i Jeremia isika; fa tsy ho faty ny lalàna ao amin’ny mpisorona, na ny hevitra ao amin’ny hendry, na ny tenin’Andriamanitra, ao amin’ny mpaminany! Andeha hasiantsika amin’ny vavantsika izy, ary aza manongilan-tsofina amin’ny teniny isika.»
dia nanatona an’i Godoliasa, tany Masfà izy ireo, izany hoe i Ismaely zanak’i Nataniasa, i Johanàna sy i Jonatàna zanak’i Karea, i Seraiasa zanak’i Tanehometa, ireo zanak’i Efoì, sy i Netofà, ary i Jezoniasa zanak’ilay Môahatianina, dia ireo mbamin’ny olom-peheziny avy.
Noraisin’i Johanàna zanak’i Karea mbamin’ny mpifehy miaramila rehetra nomba azy, ny vahoaka sisa rehetra izay efa nentin’i Ismaely zanak’i Nataniasa, avy any Masfà, nony avy namono an’i Godoliasa, zanak’i Ahikama izy, dia ny olona mpiady, ny zaza amam-behivavy, ary ny eonòka, ka nentiny niverina avy any Gabaôna izy ireo.
nanalavitra ny Kaldeanina izay natahorany, noho ny namonoan’i Ismaely zanak’i Nataniasa an’i Godoliasa zanak’i Ahikama, izay napetraky ny mpanjakan’i Babilôna, ho governoran’ny tany.
Tamin’izay, nanatona an’i Jeremia avokoa ny mpifehy miaramila rehetra mbamin’i Johanàna zanak’i Karea, i Jezoniasa zanak’i Osaiasa, ary ny vahoaka rehetra na kely na lehibe,
Fa efa naningo-tena ianareo, tamin’ny nanirahanareo ahy ho any amin’i Iaveh Andriamanitsika, nanao hoe: Mivavaha amin’i Iaveh Andriamanitsika ho anay, fa izay rehetra holazain’Iaveh Andriamanitsika, dia ambarao anay fa hotanterahinay avokoa.
Dia hoy izy ireo tamin’i Jeremia: «Aoka i Iaveh ho vavolombelona marina sy mahatoky miampanga anay, raha tsy manatanteraka ny zavatra rehetra araka ny tenin’i Iaveh Andriamanitrao izay hampitondrainy anao ho anay izahay. Hanaiky ny feon’i Iaveh Andriamanitray, izay nanirahanay anao izahay,
Nony tapitra voalazan’i Jeremia tamin’ny vahoaka rehetra avokoa ny tenin’i Iaveh Andriamaniny, ireo teny rehetra nanirahan’i Iaveh Andriamaniny azy ho aminy,
Lehibe toy izany koa anefa ny fahasoavana omeny, araka ny lazain’ny Soratra Masina hoe: Manohitra ny mpiavonavona Andriamanitra, fa manome fahasoavana ny manetry tena.
Ary ianareo mbola tanora kosa, maneke ny Pretra. Samia misikina fanetren-tena ianareo ka mifanompoa, fa manohitra ny mpiavonavona Andriamanitra, ary manome fahasoavana ny manetry tena.