Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jeremia 40:8 - Baiboly Katolika

8 dia nanatona an’i Godoliasa, tany Masfà izy ireo, izany hoe i Ismaely zanak’i Nataniasa, i Johanàna sy i Jonatàna zanak’i Karea, i Seraiasa zanak’i Tanehometa, ireo zanak’i Efoì, sy i Netofà, ary i Jezoniasa zanak’ilay Môahatianina, dia ireo mbamin’ny olom-peheziny avy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

8 dia tonga tany amin’i Gedalia tany Mizpa izy, dia Ismaela, zanak’i Netania; i Johanana sy i Jonatana, zanak’i Karea; i Seraia, zanak’i Tanometa; ny zanak’i Efay netofatita ary i Jazania, zanak’ilay Makatita, dia izy ireny sy ny olom-peheziny avy.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

8 Koa nanatona an’i Gedalià tao Mitsepà niaraka tamin’ny olom-peheziny ary ireo lehiben’andia-miaramila ireo, fa ireto avy izy: i Jismahela zanakalahin’i Netanià, i Jôhanàna sy i Jônatàna samy zanakalahin’i Karea, i Seraià zanakalahin’i Tanehometa, ireo zanakalahin’i Hôfay avy any Netôfà, ary i Jazanià avy any Mahekà.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

8 Koa nanatona an’i Gedalià tao Mitsepà niaraka tamin’ny olom-peheziny ary ireo lehiben’andia-miaramila ireo, fa ireto avy izy: i Jismahela zanakalahin’i Netanià, i Jôhanàna sy i Jônatàna samy zanakalahin’i Karea, i Seraià zanakalahin’i Tanehometa, ireo zanakalahin’i Hôfay avy any Netôfà, ary i Jazanià avy any Mahekà.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

8 dia tonga tany amin’i Gedalia tany Mizpa izy, dia Isimaela, zanak’i Netania, sy Johanana sy Jonatana, zanak’i Karea, sy Seraia, zanak’i Tanometa, sy ny zanak’i Efay Netofatita ary Jazania, zanak’ilay Makatita, dia izy ireny sy ny olom-peheziny avy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

8 dia tonga tany amin'i Gedalia tany Mizpa izy, dia Isimaela, zanak'i Netania, sy Johanana sy Jonatana, zanak'i Karea, sy Seraia, zanak'i Tanometa, sy ny zanak'i Efay Netofatita ary Jazania, zanak'ilay Makatita, dia izy ireny sy ny olom-peheziny avy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

8 dia tonga tany amin’i Gedalia tany Mizpa izy, dia Ismaela, zanak’i Netania; i Johanana sy i Jonatana, zanak’i Karea; i Seraia, zanak’i Tanometa; ny zanak’i Efay netofatita ary i Jazania, zanak’ilay Makatita, dia izy ireny sy ny olom-peheziny avy.

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 40:8
29 Rohy Ifampitohizana  

Fantatry ny taranak’i Amôna, fa hankahalan’i Davida azy ny nataony ka ny taranak’i Amôna dia naniraka olona haka miaramila hokaramaina avy amin’ny Sirianina any Beta-Rohoba sy amin’ny Sirianina any Sobà, dia miaramila an-tongotra 20.000, ary any amin’ny mpanjakan’i Maakà koa 2.000 lahy, ary any olona ao Tôba 12.000 lahy.


Dia nivoaka ny taranak’i Amôna, ka nilahatra hiady teo anoloan’ny vavahady; ny Sirianina avy any Sobà sy Rohoba mbamin’ny lehilahy avy any Tôba sy Maakà kosa nitokana teny an-tsaha.


i Elifeleta, zanak’i Asbaia zana-Makatiana anankiray: i Eliama zanak’i Akitôfela, avy any Gilaô;


Ren’ny lehiben’ny isan-toko-miaramila, dia izy sy ny olom-peheziny avy, fa hoe i Godoliasa no voatendrin’ny mpanjakan’i Babilôna ho mpanjaka, dia tonga nanatona an’i Godoliasa tany Masfà izy ireo: i Ismaela zanak’i Nataniasa; i Johanàna, zanak’i Karea; i Saraiasa zanak’i Tanehometa avy ao Netôfa, ary i Jezoniasa zanak’ilay Maakatianina, dia ireo sy ny olom-peheziny avy.


Kanjo nony tamin’ny volana fahafito, tonga i Nataniasa zanak’i Elisamà, isam-pianakavian’ny mpanjaka, nomban’olona folo lahy, ka namono nahafaty an’i Godoliasa mbamin’ireo Jody sy Kaldeanina teo aminy tany Masfà.


i Maharay avy any Netôfa, i Heleda zanak’i Baanà, ary i Netofà;


I Maakà vaditsindranon’i Kaleba niteraka an’i Sabera sy i Taranà.


Zanaka lahin’i Salmà: i Betlehema sy ny Netofatianina, i Atarôta-Bety-Jôaba, ny antsasaky ny Manaktiana, ny Sareanina,


dia niverina niaraka tamin’i Zôrôbabela, i Jôsoe, i Nehemia, i Saraiasa, i Rahelaiasa, i Mardokea, i Belsàna, i Mesfara, i Begoai, i Rehoma, i Baanà. Izao no isan’ny ankapobem-bahoaka tamin’i Israely:


nisy 56 ny mponina teo Netofà;


nisy 188, ny mponina tao Betlehema sy i Netôfa;


Ary nisafoaka tamin’i Jeremia ny lehibe; nikapoka azy izy ireo ary nandatsaka azy an-tranomaizina, tao amin’ny tranon’i Jonatàna mpanoratra, fa nataony tranomaizina izany.


koa ankehitriny, masìna ianao, ry mpanjaka tompoko, mba henoy! Ho tonga anie ny fitarainako eo anatrehanao: aza dia averina any an-tranon’i Jonatàna mpanoratra aho, ho faty any.»


‹Nanatitra ny fitarainako tamin’ny mpanjaka aho, mba tsy haveriny any an-tranon’i Jonatàna izay hahafatesako, aho.› »


Ny Jodeanina rehetra izay tany amin’ny tanin’i Moaba ao amin’ny taranak’i Amôna, sy tany Edôma, nony efa nandre tao amin’izany tany rehetra izany fa hoe mbola misy sisan’i Jodà navelan’ny mpanjakan’i Babilôna, ary i Godoliasa zanak’i Ahikama zanak’i Safàna, no napetrany ho governoran’izy ireo,


Fa i Johanàna zanak’i Karea, mbamin’ny mpifehy miaramila tany ambanivohitra rehetra kosa, tonga tany amin’i Godoliasa tany Masfà,


ka nanao taminy hoe: «Fantatrao va, fa i Baalisa mpanjakan’ny taranak’i Amôna, efa naniraka an’i Ismaely, zanak’i Nataniasa, hamono anao?»


Tsy nino azy anefa i Godoliasa zanak’i Ahikama. Ary niteny mangingina tamin’i Godoliasa tany Masfà i Johanàna zanak’i Karea nanao hoe: «Aoka àry aho handeha hamono an’i Ismaely zanak’i Nataniasa, hatao tsy fantatr’olona velively. Fa nahoana no hamonoany anao, ka ho tafaely ny Jody rehetra efa tafangona atỳ aminao, ary ho lany ringana ny sisan’i Jodà?»


Nankany amin’i Godoliasa, tany Masfà, i Jeremia, ka niara-nonina taminy, teo amin’ny vahoaka sisa navela teo amin’ny tany.


Nony tamin’ny volana fahafito, tonga tao amin’i Godoliasa zanak’i Ahikama tao Masfà, i Ismaely zanak’i Nataniasa zanak’i Elisamà, taranak’andriana, nomban’ireo andriambaventin’ny mpanjaka sy olona folo lahy koa, dia niara-nihinana tao Masfà izy ireo.


Nony ren’i Johanàna zanak’i Karea mbamin’ny mpifehy miaramila rehetra teo aminy ny ratsy rehetra nataon’i Ismaely zanak’i Nataniasa,


Ary nitsangana i Ismaely, zanak’i Nataniasa, mbamin’ireo olona folo lahy niaraka taminy, ary namely sabatra an’i Godoliasa zanak’i Ahikama, zanak’i Safàna, ka matiny izy ilay napetraky ny mpanjakan’i Babilôna ho governora amin’ny tany,


Tamin’izay, nanatona an’i Jeremia avokoa ny mpifehy miaramila rehetra mbamin’i Johanàna zanak’i Karea, i Jezoniasa zanak’i Osaiasa, ary ny vahoaka rehetra na kely na lehibe,


ka nantsoin’i Johanàna zanak’i Karea, mbamin’ny mpifehy miaramila rehetra teo aminy, sy ny vahoaka rehetra na kely na lehibe,


dia niteny i Azariasa zanak’i Osaiasa, sy i Johanàna zanak’i Karea, mbamin’ireo lehilahy mpiavonavona rehetra, ka nanao tamin’i Jeremia hoe: «Milaza lainga ianao; i Iaveh Andriamanitsika tsy naniraka anao hilaza aminay hoe: ‹Aza miditra any Ejipta mba hitoetra ao›.


Fa nentin’i Johanàna zanak’i Karea, mbamin’ireo mpifehy miaramila rehetra ihany ny sisan’i Jodà rehetra, ireo izay efa niverina avy any amin’ny firenena rehetra nielezany, honina eo amin’ny tanin’i Jodà,


I Jaira, zanak’i Manase no nahazo ny tany Argoba, hatramin’ny sisin-tanin’ny Gesorianina sy ny Makatianina, ary nantsoiny amin’ny anarany ny vohitr’i Basàna izay atao hoe vohitr’i Jaira, mandrak’androany.


ny takatry ny fahefany dia ny tendrombohitra Hermôna, Salekà, Basàna rehetra, hatramin’ny faritry ny tanin’ny Gesorima sy ny Makatianina ary ny antsasak’i Galaada, faritanin’i Sehôna mpanjakan’i Hesebona.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra