Jeremia 43:2 - DIEM PROTESTANTA2 dia namaly i Hazarià zanakalahin’i Hosaià sy i Jôhanàna zanakalahin’i Karea ary ireo lehilahy mpirehaka rehetra ka nanao tamin’i Jeremià hoe: –Mpandainga ianao fa tsy naniraka anao hisakana anay tsy handeha hialokaloka any Ejipta ny TOMPO Andriamanitsika. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy 20112 dia niteny i Azaria, zanak’i Hosaia, sy i Johanana, zanak’i Karea, mbamin’ny olona mpirehareha rehetra ka niteny tamin’i Jeremia hoe: Mandainga ianao; fa tsy naniraka anao NY TOMPO Andriamanitsika hilaza hoe: Aza mandeha hivahiny any Ejipta; Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara2 dia namaly i Hazarià zanakalahin’i Hosaià sy i Jôhanàna zanakalahin’i Karea ary ireo lehilahy mpirehaka rehetra ka nanao tamin’i Jeremià hoe: –Mpandainga ianao fa tsy naniraka anao hisakana anay tsy handeha hialokaloka any Ejipta ny TOMPO Andriamanitsika. Jereo ny tokoBaiboly Katolika2 dia niteny i Azariasa zanak’i Osaiasa, sy i Johanàna zanak’i Karea, mbamin’ireo lehilahy mpiavonavona rehetra, ka nanao tamin’i Jeremia hoe: «Milaza lainga ianao; i Iaveh Andriamanitsika tsy naniraka anao hilaza aminay hoe: ‹Aza miditra any Ejipta mba hitoetra ao›. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy2 dia niteny Azaria, zanak’i Hosaia, sy Johanana, zanak’i Karea, mbamin’ny olona mpirehareha rehetra ka niteny tamin’i Jeremia hoe: Mandainga hianao; fa tsy naniraka anao Jehovah Andriamanitsika hilaza hoe: Aza mandeha hivahiny any Egypta; Jereo ny tokoMalagasy Bible2 dia niteny Azaria, zanak'i Hosaia, sy Johanana, zanak'i Karea, mbamin'ny olona mpirehareha rehetra ka niteny tamin'i Jeremia hoe: Mandainga ianao; fa tsy naniraka anao Jehovah Andriamanitsika hilaza hoe: Aza mandeha hivahiny any Egypta; Jereo ny tokoLa Bible en Malgache2 dia niteny i Azaria, zanak’i Hosaia, sy i Johanana, zanak’i Karea, mbamin’ny olona mpirehareha rehetra ka niteny tamin’i Jeremia hoe: Mandainga ianao; fa tsy naniraka anao NY TOMPO Andriamanitsika hilaza hoe: Aza mandeha hivahiny any Ejipta; Jereo ny toko |
Dia hoy ny olona hoe: «Andeha isika hanao tetika hamelezana an’i Jeremià, fa tsy ho foana akory ny mpisorona hanome fampianarana, na ny olon-kendry hanolo-tsaina na ny mpaminany hampita ny tenin’Andriamanitra. Andeha hasiantsika amin’ny fanalam-baràka izy, ka tsy horaharahaintsika akory izay lazainy.»
Koa nanatona an’i Gedalià tao Mitsepà niaraka tamin’ny olom-peheziny ary ireo lehiben’andia-miaramila ireo, fa ireto avy izy: i Jismahela zanakalahin’i Netanià, i Jôhanàna sy i Jônatàna samy zanakalahin’i Karea, i Seraià zanakalahin’i Tanehometa, ireo zanakalahin’i Hôfay avy any Netôfà, ary i Jazanià avy any Mahekà.
Taorian’izany i Jôhanàna sy ireo lehiben’ny andia-miaramila niaraka taminy dia niandraikitra ny olona sisa rehetra izay nentin’i Jismahela ho babo avy tao Mitsepà taorian’ny namonoany ho faty an’i Gedalià zanakalahin’i Ahikama; ireo olona sisa rehetra ireo dia ny lehilahy mpiady sy ny zaza amam-behivavy ary ny tandapa, izay nentina niverina avy tany Gibehôna.