Ento hanaraka anao aho; andao faingana isika! Nentin’ny mpanjaka ho ao an’efitranony mitokana aho, hientan-kafaliana sy hiravoravo aminao izahay, hidera ny fitiavanao, mihoatra noho ny divay izahay. An-drariny loatra ny itiavan’ny olona anao!
Jeremia 3:22 - Baiboly Katolika Miverena, ry zaza mpiodina, fa hositraniko ny fiodinanareo. - Indreto izahay manatona Anao, fa Ianao no Iaveh Andriamanitray. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Miverena ianareo, ry zaza mpikomy, fa hositraniko ny fikomianareo. Indreto, manatona Anao izahay, fa Ianao, RY TOMPO, no Andriamanitray. DIEM PROTESTANTA Miverena amiko, ry zaza mpiodina, fa hositraniko amin’ny fiodinanareo ianareo! Indreto izahay manatona Anao, satria Ianao no TOMPO Andriamanitray. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Miverena amiko, ry zaza mpiodina, fa hositraniko amin’ny fiodinanareo ianareo! Indreto izahay manatona Anao, satria Ianao no TOMPO Andriamanitray. Baiboly Protestanta Malagasy Miverena hianareo, ry zaza mpiodina, Fa hositraniko ny fiodinanareo. Indreto, manatona Anao izahay, Fa Hianao Jehovah no Andriamanitray. Malagasy Bible Miverena ianao, ry zaza mpiodina, fa hositraniko ny fiodinanareo. Indreto, manatona Anao izahay, fa Hianao Jehovah no Andriamanitray. La Bible en Malgache Miverena ianareo, ry zaza mpikomy, fa hositraniko ny fikomianareo. Indreto, manatona Anao izahay, fa Ianao, RY TOMPO, no Andriamanitray. |
Ento hanaraka anao aho; andao faingana isika! Nentin’ny mpanjaka ho ao an’efitranony mitokana aho, hientan-kafaliana sy hiravoravo aminao izahay, hidera ny fitiavanao, mihoatra noho ny divay izahay. An-drariny loatra ny itiavan’ny olona anao!
Mihainoa, ry lanitra, ary ianao ry tany, mitongilàna sofina, fa miteny i Iaveh: «Efa namelon-jaza Aho, ary efa nanabe ireny, kanjo izy ireo niodina tamiko.
Nofaizinao amin’ny sazy antonony izy, nataonao sesitany. Noroahiny tamin’ny rivotra mahery tamin’ny andro misy rivotra avy atsinanana.
Noho ny fitsiriritany mahameloka, nitezitra Aho ary namely azy noho ny fahatezerako, nefa miery tsy ho hita Aho; ary izy kosa maditra, nanaraka ny lalan’ny sitrapony!...
Koa mandehana, ary ireto teny ireto ataovy amin’ny feo avo, amin’ny lafiny avaratra ka lazao hoe: Miverena, ry Israely mpiodina, - teny marin’i Iaveh - Tsy sitrako ny hanenjan-tava aminareo, fa mamindra fo Aho - teny marin’i Iaveh - ka tsy mitahiry fahatezerana mandrakizay.
Fa efa hamehy anao aho, efa hositraniko amin’ny ferinao ianao, -teny marin’i Iaveh.- Fa ny anaranao dia atao hoe: Ikala noroahina, Siôna tsy manam-piahy!
Reko ny fitarainan’i Efraima hoe: «Nofaizanao aho, ka voafay, toy ny vantotr’ombalahy tsy voafolaka; avereno aho, dia hiverina, satria ianao no Iaveh Andriamanitro;
Indro asiako bandy ny feriny, sy tsaboiko izy, mba ho sitrana; ary hanehoako ny fiadanana sy fandriam-pahalemana be dia be izy ireo.
Raha te-hiverina ianao, ry Israely, - teny marin’i Iaveh - dia miverena amiko. Ka raha esorinao tsy ho eo anatrehako ny fahavetavetanao, dia tsy hirenireny foana intsony ianao!
Koa hotsaraiko araka ny lalanareo avy ianareo, ry taranak’i Israely, - teny marin’ny Tompo Iaveh. - Miverena ka mibebaha amin’ny fahotanareo rehetra ka tsy handoza anareo ny tsy fahamarinana.
Lazao aminy hoe: «Velona Aho, - teny marin’ny Tompo Iaveh: - tsy ny fahafatesan’ny ratsy fanahy no sitrako, fa ny hialan’ny ratsy fanahy amin’ny lalany, ka ho velona izy. Miverena! miverena! avy amin’ny lalan-dratsinareo! Fa nahoana no ho faty ianareo, ry taranak’i Israely?»
Ary Izaho no Iaveh Andriamanitrao, hatrany amin’ny tany Ejipta; tsy hahalala Andriamanitra afa-tsy Izaho ianao; ary eo ivelan’ny Tenako tsy misy mpamonjy.
Hofaizina i Samaria, fa niodina tamin’ny Andriamaniny; ho lavon-tsabatra izy ireo! hotorotoroina ny zanany madinika; ary hotatahana ny kibon’ireo vadiny bevohoka.
I Asora tsy hamonjy anay, izahay tsy hitaingin-tsoavaly; na hiteny hoe: Ry Andriamanitray ô! amin’ny asan’ny tananay. Ianao, izay ahitàn’ny kamboty fiantrana!
Hositraniko ny fiodinany; ho tiako amin’ny foko tokoa izy, fa efa niala taminy ny fahatezerako.
Izay ho avy hiala sasatra ao ambanin’ny alokalony, hampahavokatra ny vary indray; haniry toy ny voaloboka izy; ary ho tahaka ny divain’i Libàna ny anarany.
Rehefa afaka izany vao hibebaka ny zanak’i Israely, ka hitady an’i Iaveh Andriamaniny sy i Davida mpanjakany, indray; hiverina amim-pangovitana amin’i Iaveh sy amin’ny hatsaram-pony izy ireo, amin’ny faran’ny andro.»
Na ankehitriny aza anefa, - teny marin’i Iaveh, - miverena amiko, amin’ny fonareo rehetra, amin’ny fifadian-kanina sy amin-dranomaso amam-pitarainana.
Fa io ampahatelony io hampidiriko ao amin’ny afo, hodioviko toy ny fandio volafotsy, haofana toy ny fanofana volamena. Izy hiantso ny Anarako; ary Izaho hamaly azy. Izaho hanao hoe: «Oloko izy!» Ary izy hilaza hoe: «Andriamanitro i Iaveh!»