Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jeremia 3:22 - DIEM PROTESTANTA

22 Miverena amiko, ry zaza mpiodina, fa hositraniko amin’ny fiodinanareo ianareo! Indreto izahay manatona Anao, satria Ianao no TOMPO Andriamanitray.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

22 Miverena ianareo, ry zaza mpikomy, fa hositraniko ny fikomianareo. Indreto, manatona Anao izahay, fa Ianao, RY TOMPO, no Andriamanitray.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

22 Miverena amiko, ry zaza mpiodina, fa hositraniko amin’ny fiodinanareo ianareo! Indreto izahay manatona Anao, satria Ianao no TOMPO Andriamanitray.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

22 Miverena, ry zaza mpiodina, fa hositraniko ny fiodinanareo. - Indreto izahay manatona Anao, fa Ianao no Iaveh Andriamanitray.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

22 Miverena hianareo, ry zaza mpiodina, Fa hositraniko ny fiodinanareo. Indreto, manatona Anao izahay, Fa Hianao Jehovah no Andriamanitray.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

22 Miverena ianao, ry zaza mpiodina, fa hositraniko ny fiodinanareo. Indreto, manatona Anao izahay, fa Hianao Jehovah no Andriamanitray.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

22 Miverena ianareo, ry zaza mpikomy, fa hositraniko ny fikomianareo. Indreto, manatona Anao izahay, fa Ianao, RY TOMPO, no Andriamanitray.

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 3:22
21 Rohy Ifampitohizana  

Ento aho hanaraka anao, ary aoka isika hihazakazaka. Dia ianao mpanjakako no hampiditra ahy an’efitranonao. Aoka isika, noho ny aminao, hiara-tsambatra sy hiara-paly; dia hankamamiantsika anie ny safosafonao izay fy mihoatra noho ny divay. Marina ny itiavan’ireo zatovovavy anao!


Mihainoa, ry lanitra, ary mandrenesa, ry tany, satria ny TOMPO no miteny hoe: «Efa nitaiza sy nahalehibe zanaka Aho; kanjo nikomy tamiko izy.


Tsia, fa nohelohiny hatao sesitany izy ka halefa any am-pahababoana, nopaohiny tamin’ny rivo-mahery, dia tamin’ny andron’ny rivotra avy any atsinanana.


Ry Israelita ô, miverena amin’Ilay efa niodinanareo lavitra.


Ny fahadisoan’ny vahoakako no nahatezitra Ahy vetivety. Noho Izaho tezitra no nikapohako azy sady tsy netezako hijery azy. Nefa nikomy hatrany izy ka nanaraka ny ditran’ny fony,


Koa mandehana ambarao any avaratra any izao hafatra izao hoe: Miverena, ry Israely mpiodina, hoy ny teny hentitry ny TOMPO; fa tsy hanao tarehy ratsy aminao Aho, satria entanim-pitiavana, fa tsy mitahiry hatezerana maharitra.


Satria ireo efa niantso anao hoe: «Ry ilay tsy misy ilana azy,» «ry Tsiôna tsy misy miahy akory», koa hositraniko ny ratranao ary hohamainiko ny ferinao; teny hentitra avy amiko TOMPO izany.».


Reko tsara mihitsy ny olon’i Efraîma nitaraina hoe: ‹TOMPO ô, nofaizinao izahay ary dia manaiky hofaizinao tahaka ny ombilahy tanora tsy tena folaka. Nefa ampodio aminao izahay mba hiverenanay tokoa aminao, satria Ianao, TOMPO ô, no Andriamanitray.


«Kanefa indro Aho hitsabo an’i Jerosalema ka hahasitrana azy tanteraka; ary hasehoko mitafotafo amin’ny mponina indray ny fiadanana sy ny filaminana.


Raha hiverina ianao, ry Israely, hoy ny teny hentitry ny TOMPO, dia mahazo miverina amiko. Raha esorinao tsy ho hitan’ny masoko ireo sampinao maharikoriko, dia tsy hirenireny intsony ianao.


Noho izany, Izaho Tompo ANDRIANANAHARY dia hitsara anareo Israelita tsirairay avy araka ny fitondrantenany; teny hentitra avy amiko izany. Koa ovay ny toe-dratsy, ialao ny hadisoana rehetra fanaonareo, dia tsy hisy intsony zavatra hitarika anareo amin’ny heloka.


Ambarao aminy hoe: Velona Izaho Tompo ANDRIANANAHARY ka manao teny hentitra sy mianiana fa tsy sitrako ny hahafatesan’ireo olon-dratsy; fa ny tena tadiaviko dia ny hiovany mba hahavelona azy. Koa ialao mihitsy ny toe-dratsinareo, ry Israelita, fa nahoana moa no te ho faty ianareo?


Fa Izaho no TOMPO Andriamanitrao, hatry ny fony ianao tany Ejipta; ary ianao dia tsy mahafantatra andriamani-kafa ankoatrako sy mpamonjy afa-tsy Izaho.


Hozakain’ny mponin’i Samaria ny vokatry ny heloka nataony fa nikomy tamin’Andriamaniny izy. Ho faty an’ady ireo, ho voatorotoro ny zaza; ary hotatahina kibo ny vehivavy bevohòka.


Tsy i Asiria no hahavonjy anay, tsy hitaingin-tsoavaly izahay; ary tsy amin’ny sampy asan-tananay intsony no hitenenanay hoe: ‹Ry Andriamanitray ô!›; fa Ianao no mamindrafo amin’ny kamboty.»


Izaho TOMPO dia hanasitrana an’ilay Israely amin’ny fiodinany. Ho tia azy amim-po malalaka Aho; fa efa nialan’ny fahatezerako izy.


Ho avy indray i Israely, ka hitoetra eo ambany fiarovako. Hamboly vary indray izy, ka hiroborobo tahaka ny voaloboka sy halaza tahaka ny divay avy any Libàno.


Aorian’izany ny Israelita dia hitady indray ny TOMPO Andriamaniny sy i Davida mpanjakany, ka hiverina amin-kovitra amin’ny TOMPO sy ireo zava-tsoany amin’ny hoavy.


Hoy ny teny hentitry ny Tompo: «Dieny ankehitriny, miverena amiko amin’ny fonareo manontolo: mifadia hanina, mitomania ary manaova fitalahoana.


Ary hotsapaiko io ampahatelony io ka hodioviko toy ny fandrendrika volamena sy volafotsy amin’ny afo. Koa hivavaka amiko izy, ary hamaly azy Aho. Dia hilaza aminy Aho hoe: ‹Ry vahoakako› ary izy hanao hoe: ‹Ny Tompo no Andriamanitray›. »


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra