Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jeremia 3:23 - DIEM PROTESTANTA

23 Eny tokoa, fa nanodoka anay ny fanompoan-tsampy teny an-kavoana sy ny horakoraka teny an-tendrombohitra, kanefa aminao TOMPO Andriamanitray ihany no hahitan’Israely famonjena.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

23 Azo antoka fa fitaka ny avy amin’ny tendrombohitra sy ny horakoraky ny havoana; fa ao amin’NY TOMPO Andriamanitray ihany no famonjena azo antoka ho an’ny Israely.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

23 Eny tokoa, fa nanodoka anay ny fanompoan-tsampy teny an-kavoana sy ny horakoraka teny an-tendrombohitra, kanefa aminao TOMPO Andriamanitray ihany no hahitan’Israely famonjena.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

23 Eny, zava-poana teny amin’ny havoana teny an-tendrombohitra ny horakoraka mankalaza ny sampy. Fa amin’i Iaveh Andriamanitsika ihany no misy ny famonjena an’i Israely.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

23 Foana tokoa ny horakoraka any amin’ny tendrombohitra sy ny havoana; Marina fa ao amin’i Jehovah Andriamanitray ny famonjena ny Isiraely.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

23 Foana tokoa ny horakoraka any amin'ny tendrombohitra sy ny havoana; Marina fa ao amin'i Jehovah Andriamanitray ny famonjena ny Isiraely.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

23 Azo antoka fa fitaka ny avy amin’ny tendrombohitra sy ny horakoraky ny havoana; fa ao amin’NY TOMPO Andriamanitray ihany no famonjena azo antoka ho an’ny Israely.

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 3:23
25 Rohy Ifampitohizana  

Ry TOMPO Andriamanitro ô, midira an-tsehatra hamonjy ahy. Hasianao tehamaina ny fahavaloko rehetra, ka dia raraka ny nifin’ireo olon-dratsy.


Izy irery no Vatolampy ahazoako famonjena, fiarovana avo ho ahy ka tsy hihontsona aho.


Voaomana hiatrika ady ny soavaly, fa ny TOMPO kosa no manome ny fandresena.


Amin’izany andro izany, ireo sisa velona amin’i Israely na ireo sisa tavela amin’ny taranak’i Jakôba, dia hitsahatra tsy hiankina amin’ireo namely azy intsony; fa ny TOMPO, ilay Masin’i Israely, no hiankinany marina tokoa.


Indro Andriamanitra namonjy ahy, matoky Azy aho ka tsy mangovitra intsony. Ny TOMPO no heriko sy fidèrako, fa Izy no mpamonjy ahy.»


Izaho dia Izaho ihany no TOMPO, ka tsy misy mpamonjy afa-tsy Izaho.


Zava-poana avokoa ny mpanao sarivongan-tsampy ary tsy mahasoa akory ny zavatra lalainy: Ny sarivongan-tsampy no vavolombelona ho azy, kanefa vavolombelona tsy mahita akory, ary tsy mahalala na inona na inona ka handiso fanantenana azy.


Kanefa marina fa Andriamanitra miafina Ianao, ry Andriamanitr’i Israely sady mpamonjy ô!


Ianareo kosa, ry vahoaka Israely, dia nandray famonjena mandrakizay avy amin’ny TOMPO. Tsy ho menatra na ho afa-baràka na oviana na oviana ianareo.


Ianareo firenen-kafa sisa tavela, avia ka mivoria, manatòna miaraka. Tsy mahalala na inona na inona akory ireo manandratra ny sampy hazo voasokitra, sy mivavaka amin’izay andriamanitra tsy mahavonjy.


Iza àry ity tonga avy any Edôma, avy any Bôtserà renivohiny, ka manao fitafiana miloko mena? Izato izy miedinedina amin’akanjo marevaka, miandranandrana amin’ny haben’ny heriny! –Izaho izany, hoy ny Tompo, dia Izaho izay mitory ny fanafahana sady manan-kery hamonjy!


Satria Ianao mihitsy no Rainay, fa i Abrahama tsy mahalala anay, ary i Jakôba tsy mahafantatra anay; eny, TOMPO ô, Ianao no Rainay, Ianao ilay nantsoina hatrizay hatrizay amin’ny anaranao hoe «Mpanavotra anay.»


Ry fanantenàn’i Israely ô, ry mpamonjy azy amin’ny androm-pahoriana, nahoana no dia toy ny vahiny eo amin’ny tany Ianao sy toy ny mpandeha milasy indray alina monja?


TOMPO ô, sitrano aho, dia ho sitrana; vonjeo aho, dia ho voavonjy, fa antony hiderako Anao izany.


ka ho marika hiampangana azy ireo alitarany sy ireo tsatokazo fanajany an’i Aserà, eny akaiky hazo maitso sy eny ambony havoana


Tamin’ny andron’i Jôsià mpanjaka dia hoy ny TOMPO tamiko: –Hitanao ve izay nataon’i Israely mpiodina? Nankeny amin’ny havoana rehetra sy teny am-pototry ny hazo maitso rehetra izy ka nanolo-tena hijangajanga.


Manaova horakora-pifaliana ho an’i Israely; mihobia an’Ilay filohan’ireo firenena, ataovy antso avo ny dera ka lazao hoe: «Ny TOMPO mamonjy ny vahoakany, dia ny sisa velona amin’i Israely!» Satria izao no lazain’ny TOMPO:


Nitarika azy ho ao amin’ny tany izay nianianako homena azy Aho. Nefa nony nahita ireo tendron-kavoana misy hazo matevina izy, dia nanolotra sorona teo. Nanolotra fanatitra sy zava-manitra fampitoniana izy sady nandraraka divay teny ka nampirongatra ny hatezerako.


Fa hotiaviko kosa ny taranak’i Joda ka hovonjeko. Izaho TOMPO Andriamaniny no hamonjy azy, nefa tsy amin’ny tsipîka na amin’ny sabatra na amin’ny ady, na koa amin’ny soavaly na amin’ny mpitaingin-tsoavaly, fa amin’ny anarako.»


Ianareo Samaritanina dia mivavaka amin’izay tsy fantatrareo; fa izahay Jiosy kosa mivavaka amin’izay fantatray, satria mipoitra avy amin’ny Jiosy ny famonjena.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra