Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jeremia 3:21 - DIEM PROTESTANTA

21 Injany misy feo re any an-tampon-kavoana: tsy inona izany fa ireo Israelita izay mitomany sy mitaraina mafy satria diso lalana tamin’izay nalehany ka nanadino Ahy TOMPO Andriamaniny.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

21 Injany misy feo re any an-tendrombohitra mangadihady, dia fitomaniana sy fitarainan’ny Zanak’Israely; fa nivilivily tamin’ny nalehany izy ary nanadino NY TOMPO Andriamaniny.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

21 Injany misy feo re any an-tampon-kavoana: tsy inona izany fa ireo Israelita izay mitomany sy mitaraina mafy satria diso lalana tamin’izay nalehany ka nanadino Ahy TOMPO Andriamaniny.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

21 Misy feo mihahohaho any amin’ny fitoerana avo, dia fitomanian’ny zanak’i Israely mifona; fa nanimba ny lalany izy ireo, nanadino an’i Iaveh Andriamaniny. -

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

21 Injay! feo re any an-tendrombohitra mangadihady, Dia fitomaniana amam-pitarainan’ny Zanak’Isiraely; Fa nivilivily tamin’ny nalehany izy Ary nanadino an’i Jehovah Andriamaniny.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

21 Injay! feo re any an-tendrombohitra mangadihady, dia fitomaniana amam-pitarainan'ny Zanak'Isiraely; Fa nivilivily tamin'ny nalehany izy ary nanadino an'i Jehovah Andriamaniny.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

21 Injany misy feo re any an-tendrombohitra mangadihady, dia fitomaniana sy fitarainan’ny Zanak’Israely; fa nivilivily tamin’ny nalehany izy ary nanadino NY TOMPO Andriamaniny.

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 3:21
24 Rohy Ifampitohizana  

Hihira izy ka hilaza amin’ny besinimaro hoe: «Efa nanota aho fa nandika ny rariny; nefa tsy arakaraka ny nataoko no namaizan’Andriamanitra ahy.


Izay mizotra ho olom-banona no mizotra amim-pitokiana; fa izay manan-toetra miolikolika kosa hiharan-doza.


Rehefa simban’ny hadalàny ny lalan’ny olona, dia ny TOMPO indray no itezeran’ny fony.


Ny mponin’i Dibôna dia miakatra eny amin’ny toeram-pivavahany mba hitomany. Any Nebao sy Medebà no idradradradran’i Môaba. Voaharatra avokoa ny loha rehetra ary voaala ny volombava rehetra.


Nohadinoinao, ry Israely, ilay Andriamanitra mpamonjy anao ary tsy notsarovanao ilay vatolampy fiarovanao; ka namboly zavatra faingam-paniry ho an’ny sampy ianao sy namafy masomboly ho an’ny andriamani-tsiizy.


Fa iza no nahînao sy natahoranao no dia namadika Ahy ianao, ka tsy nahatsiaro Ahy intsony sy nandroaka Ahy tao am-ponao? Efa nangina hatrỳ ny ela Aho, ka izany angaha no tsy anajanao Ahy?


Eny amin’ireo havoana ngazana rehetra any an-taniefitra any no mipoitra ireo mpandroba. Hatreo amin’ny sisintany an-kilany ka hatrany amin’ny sisintany an-daniny no andripahan’ilay sabatry ny TOMPO ka tsy misy olona tsitsîny.


Ry Jerosalema, izao no voatendry ho anao, dia ilay anjara nomaniko ho anao, hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPO, satria nanadino Ahy ianao ka nifikitra tamin’ireo andriamani-tsiizy:


Fa ny vahoakako kosa nanadino Ahy, ka nandoro zava-manitra mifangaro tamin’ireo sampy tsinontsinona izay nandavo azy teny an-dalany mba hialany amin’ny lalana mahazatra ary nampandeha azy tamin’ny lalan-kely izay mbola tsy voasoritra akory.


Moa manadino ny firàvany ve ny virijiny? sa manadino ny etrany voarandrana ve ny ampakarina? Tsia, nefa ianareo vahoakako efa nanadino Ahy hatramin’ny andro maro tsy voaisa.


Atopazo eny amin’ny havoana ny masonao: jereo raha misy toerana tsy nandrian’olona taminao. Tahaka ny Arabo mpirenireny any an-taniefitra miandry ny rembiny no nipetrahanao teo amoron-dalana niandry ny lehilahinao. Ny fijangajanganao sy ny faharatsianao no nandotoanao ny tany.


Tonga am-pitomaniana izy ka narahiko sady nampiononiko. Any amin’ny lemaka misy rano no hitarihako azy ary lala-mahitsy no hizorany ka tsy ho tafintohina izy. Ho Ray Aho amin’i Israely, ary ho lahimatoako i Efraîma.»


Hoy ny TOMPO hoe: «Ry vahoakan’i Joda, hetezo ka ario ny volonao lava izay marika fa voatokana ho Ahy ianao. Manaova hira fisaonana eny amin’ny havoana mangadihady; fa hariako sady ho laviko ianao, satria taranaka mahatezitra Ahy.»


«Izao manko no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY: ‹Satria nanadino Ahy ianao ka niodina tamiko, dia hizaka ny vokatry ny filibàna amam-pijangajanganao›. »


Handositra any an-tendrombohitra izay sisa velona; ka samy hitoloko toy ny voromahailala an-dohasaha izy rehetra noho ny heloka nataony.


Nony mby teo amin’ny ahi-maitso ianao dia afa nivoky tokoa. Eny, voky ianao, ka niavonavom-po; izany no nanadinoanao Ahy.


«Nanangan-dapa maro i Israely, ka nanadino ny Mpanao azy. I Joda koa etsy an-daniny dia nampitombo tanànamimanda; nefa handefasako afo ny tanànany ka holevonin’izany ny lapany.


Ry mpitondra ny taranak’i Jakôba, eny, ry mpitsara ny vahoakan’i Israely, henoinareo re izao: Halanareo fatratra ny rariny, ary avadikareo ny hitsiny rehetra.


Fa hoy ilay anjelin’ny TOMPO taminy: –Nahoana no nokapohinao intelo ny borikinao? Tonga aho hisakan-dalana anao, satria heveriko fa mankamin’ny fahaverezana ny dianao.


Satria ny alahelo araka an’Andriamanitra dia mahatonga hiala amin’ny toe-dratsy, mba hiroso amin’ny famonjena tsy anenenana; fa ny alahelon’izao tontolo izao kosa dia mahatonga fahafatesana.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra