Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jeremia 3:20 - DIEM PROTESTANTA

20 Kanjo toy ny vehivavy nisintaka tamim-badiny no nisintahanao tamiko, ry taranak’i Israely; teny hentitra avy amiko TOMPO izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

20 Kanefa toy ny vehivavy misintaka miala amin’ny sakaizany, dia toy izany tokoa no nisintahanareo niala Tamiko, ry taranak’Israely, hoy NY TOMPO.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

20 Kanjo toy ny vehivavy nisintaka tamim-badiny no nisintahanao tamiko, ry taranak’i Israely; teny hentitra avy amiko TOMPO izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

20 Kanefa kosa, toy ny ivadihan’ny vehivavy amin’ny sakaizany no niodinanareo tamiko, ry taranak’i Israely, - teny marin’i Iaveh. -

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

20 Kanefa toy ny vehivavy misintaka miala amin’ny lahy, Dia toy izany tokoa no nisintahanareo niala tamiko, Ry taranak’Isiraely, hoy Jehovah.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

20 Kanefa toy ny vehivavy misintaka miala amin'ny lahy, dia toy izany tokoa no nisintahanareo niala tamiko, ry taranak'Isiraely, hoy Jehovah.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

20 Kanefa toy ny vehivavy misintaka miala amin’ny sakaizany, dia toy izany tokoa no nisintahanareo niala Tamiko, ry taranak’Israely, hoy NY TOMPO.

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 3:20
11 Rohy Ifampitohizana  

Hatrany am-paran’ny tany no andrenesanay hira hoe: «Voninahitra anie ho an’Ilay Marina!» Fa hoy kosa aho anakampoko hoe: «Vita ny amiko, vita ny amiko.» Lozan’ireo mpamadika! Mamadika tokoa ny mpamadika; eny, mamadika hatrany izy.


Ianareo koa moa tsy nihaino sady tsy te hahalala no tsy nanokatra sofina hatry ny ela; Fantatro fa mpamadika hatrany ianareo sady nantsoina hoe mpikomy hatrany am-bohòka.


TOMPO ô, mpandala ny rariny Ianao ka tsy tokony mifandahatra aminao aho. Nefa ny amin’ireto toe-javatra ireto dia te hiady hevitra aminao aho. Nahoana no ahitam-pahombiazana ny lalana ombàn’ny olon-dratsy? Ary nahoana no miadam-pinaritra ireo rehetra mpivadika aminao?


Fa efa nivadika tamiko mihitsy na ny fanjakan’i Joda na ny fanjakan’i Israely, hoy ny teny hentitry ny TOMPO.


Hoy ny TOMPO tamiko: «Mandehana indray ka tiava io vehivavy izay tiavin’ny lehilahy sakaizany io sady tena mpanitsakitsa-bady. Tiavo izy tahaka ny itiavako ny Israelita, na dia mihodina ho amin’ny andriamani-kafa aza izy sady tia ampempam-boaloboka.»


Namadika ny TOMPO izy fa niteraka zazasary. Ankehitriny, iray volana latsaka dia ho levona izy mbamin’ny fananany.


Tao Adama kosa ianareo no nandika ny fanekempihavanana tao ianareo no namadika Ahy.


Efa nivadi-panekena ny vahoakan’i Joda. Zavatra maharikoriko no nataony tao Jerosalema sy tamin’ny tanin’i Israely manontolo; satria nozimbazimbainy ny toeramasina izay mamin’ny TOMPO, ary dia nanambady vehivavy mpivavaka amin’ny andriamani-kafa izy.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra