Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jeremia 3:19 - DIEM PROTESTANTA

19 Hoy Aho anakampo hoe: Ahoana raha ataoko lohalaharana amin’ireo zanako lahy ianao ka homeko tany mahafinaritra izay fananana tsara indrindra eo amin’ny samy firenena? Amin’izay dia hiantso Ahy ho rainao ianao ka tsy hiodina amiko intsony.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

19 Ary Izaho efa niteny hoe: E! Fa hataoko isan’ny zanako ianao ka homeko tany mahafinaritra, dia lova izay tena endriky ny firenena rehetra. Eny, hoy Aho: Hiantso Ahy hoe Raiko ianao ka tsy hiala amin’ny fanarahana Ahy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

19 Hoy Aho anakampo hoe: Ahoana raha ataoko lohalaharana amin’ireo zanako lahy ianao ka homeko tany mahafinaritra izay fananana tsara indrindra eo amin’ny samy firenena? Amin’izay dia hiantso Ahy ho rainao ianao ka tsy hiodina amiko intsony.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

19 Ary izaho nanao hoe: Ahoana no hametrahako anao, eo amin’ireo zanako, sy homeko tanim-pahafinaretana ianao, dia izay soa indrindra eo amin’ny firenena mba ho lovanao? ary hoy Aho: «Hiantso ahy hoe Raiko, ianao,» sady tsy hitsahatra ny hanaraka Ahy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

19 Ary Izaho efa nanao hoe: He! fa hataoko isan-janako hianao Ka homeko tany mahafinaritra, Dia lova izay tena endriky ny firenena. Eny, hoy Izaho: Hianao hanao Ahy hoe Raiko, Ka tsy hiala amin’ny fanarahana Ahy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

19 Ary Izaho efa nanao hoe: He! fa hataoko isan-janako ianao ka homeko tany mahafinaritra, dia lova izay tena endriky ny firenena. Eny, hoy Izaho: Hianao hanao Ahy hoe Raiko, ka tsy hiala amin'ny fanarahana Ahy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

19 Ary Izaho efa niteny hoe: E! Fa hataoko isan’ny zanako ianao ka homeko tany mahafinaritra, dia lova izay tena endriky ny firenena rehetra. Eny, hoy Aho: Hiantso Ahy hoe Raiko ianao ka tsy hiala amin’ny fanarahana Ahy.

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 3:19
32 Rohy Ifampitohizana  

Avy eo tsy nasiany lanjany akory ilay tany mahafinaritra ary tsy ninoany velively ny fampanantenan’Andriamanitra;


Zava-mahafinaritra no voatendry ho ahy; eny, ilay fananana soa indrindra no azoko.


Homeko azy ny fifehezam-panjakana hatramin’ny ranomasina sy ny ony.


Haja no anjaran’ny hendry fa henatra kosa ny an’ireo adala.


Satria Ianao mihitsy no Rainay, fa i Abrahama tsy mahalala anay, ary i Jakôba tsy mahafantatra anay; eny, TOMPO ô, Ianao no Rainay, Ianao ilay nantsoina hatrizay hatrizay amin’ny anaranao hoe «Mpanavotra anay.»


TOMPO ô, aza vinitra loatra aminay ary aza tsarovana hatrany ny helokay; mba tsinjovy re izahay vahoakanao rehetra.


Mpitondra maro no nanimba ny voaloboko, nohosihoseny ny anjara fananako. Faritra mahafinaritra izany, nefa nataony taniefitra lao,


Amin’izany fotoana izany i Jerosalema dia hantsoina hoe «Sezafiandrianan’ny TOMPO». Hivory ao ny firenena rehetra hanome voninahitra Ahy TOMPO sady tsy hanaraka intsony ny ditran’ny fony ratsy.


Ankehitriny anefa ianao dia sahy miantsoantso Ahy hoe: «Ry raiko sady sakaizako fahazaza,


I Efraîma no zanakalahy mamiko, hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPO, zanaka malalako indrindra izy. Isaky ny manameloka azy Aho, dia mahatsiaro azy hatrany ka manjary mangoraka azy ary dia mamindrafo aminy tokoa.


Tonga am-pitomaniana izy ka narahiko sady nampiononiko. Any amin’ny lemaka misy rano no hitarihako azy ary lala-mahitsy no hizorany ka tsy ho tafintohina izy. Ho Ray Aho amin’i Israely, ary ho lahimatoako i Efraîma.»


Ary hahafaly Ahy ny hanonona ny anaran’i Jerosalema, ka ho voninahitro sy haingoko eo imason’ny firenen-kafa rehetra ambonin’ny tany izy. Ary rehefa handre ny soa rehetra izay hataoko amin’i Jerosalema, ireo firenena ireo, dia hangovitry ny tahotra manoloana ny soa rehetra sy ny fiadanam-be izay hataoko aminy.»


Ry Jerosalema ô, ahoana moa no hamelako ny helokao? Ny zanakao efa nandao Ahy ka nianiana tamin’ny andriamani-tsiizy. Novokisako tamin’izay nilainy izy nefa nanitsakitsa-bady ihany, ka nirohotra ho amin’ny fijangajangana.


Tamin’izany andro izany no nianianako fa hampamoaka azy hiala any Ejipta Aho mba hitondra azy ho amin’ny tany nomaniko ho azy manokana, dia tany izay tondra-dronono sy tantely sady mahafinaritra noho ny tany hafa rehetra.


Izay avy hamely azy dia hanao araka izay sitrapony fa tsy hisy hahatohitra akory; ary hamahatra ao amin’ilay tany tsara indrindra izy sady hanao fandripahana eo.


Ary hiditra ao amin’ilay tany tsara indrindra izy ka betsaka ny olona haripany; nefa ho afaka amin’ny tanany kosa ireo Môabita sy Edômita ary ny lohandohan’ny Hamônita.


Ary hanorina ny tranolain’andriamanjaka eo anelanelan’ny ranomasina sy ny tendrombohitra masin’ilay tany tsara indrindra izy; nefa ho tonga amin’ny hiafarany ihany izy, ka tsy hisy hamonjy azy.»


«Ary ny anankiray tamin’izy efatra ireo dia nipoiran’ny tandroka kely iray, izay nitatra nianatsimo sy niantsinanana ary hatrany any amin’ilay tany tsara indrindra.


«Hataoko ahoana anefa no hahafoy anao, ry Efraîma, na hamadika anao, ry Israely? Hataoko ahoana koa no hahafoy anao ho tahaka an’i Admà sy i Tsebôima? Onena anao ny foko ato amiko fa indray miontana ny fitiavako.


Noho ny finoana manko dia zanak’Andriamanitra avokoa ianareo, satria tafaray amin’i Kristy Jesoa.


dia natokan’Andriamanitra isika mba ho Azy, mba ho tonga zanany amin’ny alalan’i Jesoa Kristy, fa izany no safidin’ny sitrapony.


Zanak’ilay TOMPO Andriamanitrareo ianareo, koa aza mitetika ny tenanareo na manaratra ny volon-doha eo ambonin’ny handrinareo noho ny amin’ny maty.


Isika kosa dia tsy mba naman’izay mihemotra ka ho very fa naman’izay mino ka ho voavonjy.


Ilay Andriamanitra, tsy mizaha tavan’olona fa mitsara ny tsirairay araka ny asany avy, dia antsoinareo hoe Ray; koa manàna fitondrantena feno fanajana Azy ianareo mandritra ny andro ivahinianareo etỳ an-tany.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra