Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jeremia 3:18 - DIEM PROTESTANTA

18 Hankany amin’izay nielezan’ny vahoakan’i Israely ny vahoakan’i Joda ka hiara-miverina avy any amin’ny tany avaratra izy roa tonta ary hankany amin’ny tany izay nomeko ny razany ho fananany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

18 Amin’izany andro izany, ny taranak’i Joda sy ny taranak’Israely, dia hiara-mandeha ka hiara-tonga avy any amin’ny tany avaratra izy, ho any amin’ny tany nomeko ny razanareo ho lovany.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

18 Hankany amin’izay nielezan’ny vahoakan’i Israely ny vahoakan’i Joda ka hiara-miverina avy any amin’ny tany avaratra izy roa tonta ary hankany amin’ny tany izay nomeko ny razany ho fananany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

18 Amin’izany andro izany, hiara-mandeha ny taranak’i Jodà sy ny taranak’i Israely, ka hiara-tonga avy any amin’ny tany avaratra, ho ao amin’ny tany nomeko ho lovan’ny razanareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

18 Amin’izany andro izany ny taranak’i Joda sy ny taranak’Isiraely dia hiara-mandeha, Ka hiara-tonga avy any amin’ny tany avaratra izy Ho any amin’ny tany nomeko ny razanareo ho lovany.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

18 Amin'izany andro izany ny taranak'i Joda sy ny taranak'Isiraely dia hiara-mandeha, ka hiara-tonga avy any amin'ny tany avaratra izy ho any amin'ny tany nomeko ny razanareo ho lovany.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

18 Amin’izany andro izany, ny taranak’i Joda sy ny taranak’Israely, dia hiara-mandeha ka hiara-tonga avy any amin’ny tany avaratra izy, ho any amin’ny tany nomeko ny razanareo ho lovany.

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 3:18
22 Rohy Ifampitohizana  

Niseho tamin’i Abrama ny TOMPO ka niteny taminy hoe: «Homeko ny taranakao ity tany ity.» Dia nanorina alitara ho an’ny TOMPO i Abrama teo amin’io toerana izay nisehoan’ny TOMPO taminy io.


Aza matahotra fa momba anao Aho. Avy any atsinanana no hamerenako ny taranakao, avy any andrefana no hanangonako ireo olonao.


Hoy Aho amin’ny avaratra: ‹Omeo Ahy ireo›, ary amin’ny atsimo: ‹Aza hazonina izy!› Avereno amiko ny zanako lahy avy any lavitra sy ny zanako vavy avy any am-paran’ny tany,


fa hoe: ‹Velona ny TOMPO Izay nanafaka ny Israelita avy any amin’ny tany avaratra sy avy any amin’ny tany hafa rehetra izay nandroahany azy, ka mianiana aho!› Eny, haveriko eo amin’ny taniny izay efa nomeko ny razany izy.»


fa hatao hoe: ‹Velona ny TOMPO Izay nampakatra ny taranaka israelita avy any amin’ny tany avaratra sy ny faritany rehetra nanapariahany azy mba honina indray eo amin’ny tanindrazany, ka mianiana aho...› »


Koa mandehana ambarao any avaratra any izao hafatra izao hoe: Miverena, ry Israely mpiodina, hoy ny teny hentitry ny TOMPO; fa tsy hanao tarehy ratsy aminao Aho, satria entanim-pitiavana, fa tsy mitahiry hatezerana maharitra.


Fa teny hentitra avy amiko TOMPO izao: Ho avy ny andro izay hanovako ny anjaran’i Israely vahoakako ary koa ny an’i Joda. Haveriko ao amin’ny tany izay efa nomeko ny razany izy, hoy Aho, ka hizaka azy ho fananany indray.»


«Haveriko avy any an-tany avaratra izy ary hangoniko avy any am-bazan-tany. Ao avokoa mbamin’ny jamba sy ny mandringa, ary ny bevohòka sy ny tera-bao. Eny, vahoaka be no hiverina.


Izaho TOMPO dia manao teny hentitra hoe: Amin’izany andro izany, na dia hotadiavina aza ny fahadisoan’i Israely sy ny helok’i Joda, dia hanjavona tsy ho hita intsony; satria havelako heloka ireo sisa notsimbiniko ho velona.


Amin’izany andro sy fotoana izany, hoy ny teny hentitry ny TOMPO, dia hiara-tonga ny Israelita sy ny Jodeanina, ka sady mitomany izy no mandeha hitady Ahy TOMPO Andriamaniny.


Hanontany ny lalana mankany Tsiôna ireo, ka himasoany hizorana izany. Ho avy izy ka fanekempihavanana mandrakizay izay tsy hohadinoiny na oviana na oviana no hifamatorany mafy amiko TOMPO.


Fa hamponeniko eto ianareo, dia eto amin’ity tany ity izay efa nomeko ny razanareo hatry ny ela ka ho mandrakizay.


Ambarao aminy koa fa izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY: «Hangoniko avy any amin’ny firenena sy ny tany izay nanelezako anareo ianareo, ka homeko ny tanin’i Israely indray.


Dia hiray hina ny taranak’i Joda sy ny taranak’i Israely ka hifidy filoha tokana ary hanenika ny taniny: fa ho lehibe ny andron’i Jizrehèla.


Hamboleko eo amin’ny tany izany nomeko azy izy, ka tsy hongotana hiala eo intsony. Izaho TOMPO Andriamanitrao no efa niteny.»


Hampahery ny taranak’i Joda Aho ary hamonjy ny taranak’i Jôsefa; dia haveriko amin’ny laoniny indray ireo, satria hanehoako famindrampo ka ho toy ny tsy nariako na oviana na oviana. Ary hamaly vavaka azy koa Aho, fa Izaho no Tompo Andriamaniny.


Ary nanontaniako izy hoe: –Ho aiza moa ianao? Dia hoy izy namaly ahy: –Ho any Jerosalema aho handrefy azy hahitana ny sakany sy ny lavany.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra