Dia nankany Gabaôna i Salômôna hanao sorona, fa tany no fitoerana avo malaza. Sorona dorana arivo no nateriny teo ambonin’io ôtely io
Jeremia 28:1 - Baiboly Katolika Tamin’izany taona izany ihany, dia tamin’ny niandohan’ny nanjakan’i Sedesisa, mpanjakan’i Jodà, tamin’ny taona fahefatra, volana fahadimy: niteny tamiko tao an-tranon’i Iaveh, teo anatrehan’ny mpisorona sy ny vahoaka rehetra i Hananiasa mpaminany, zanak’i Azôra, avy any Gabaôna, nanao hoe: Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Tamin’izany taona izany ihany, tamin’ny niandohan’ny nanjakan’i Zedekia, mpanjakan’ny Joda, tamin’ny volana fahadimy tamin’ny taona fahefatra, no nitenenan’i Hanania, zanak’i Azora, mpaminany avy tany Gibeona, tamiko tao amin’ny tranon’NY TOMPO, teo anatrehan’ny mpisorona sy ny vahoaka rehetra hoe: DIEM PROTESTANTA Tamin’iny taona iny ihany, izany hoe ny taona fahefatra nanjakàn’i Tsedekià mpanjakan’i Joda, andro iray tamin’ny volana fahadimy, dia nankao an-tranon’ny TOMPO i Hananià mpaminany, zanakalahin’i Hazora sady avy any Gibehôna. Niteny tamin’i Jeremià teo imason’ny mpisorona sy ny vahoaka rehetra teo izy, ka nanao hoe: Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Tamin’iny taona iny ihany, izany hoe ny taona fahefatra nanjakàn’i Tsedekià mpanjakan’i Joda, andro iray tamin’ny volana fahadimy, dia nankao an-tranon’ny TOMPO i Hananià mpaminany, zanakalahin’i Hazora sady avy any Gibehôna. Niteny tamin’i Jeremià teo imason’ny mpisorona sy ny vahoaka rehetra teo izy, ka nanao hoe: Baiboly Protestanta Malagasy ARY tamin’izany taona izany ihany, dia tamin’ny niandohan’ny nanjakan’i Zedekia, mpanjakan’ny Joda, tamin’ny volana fahadimy tamin’ny taona fahefatra, no nitenenan’i Hanania, zanak’i Azora, mpaminany avy tany Gibeona, tamiko tao an-tranon’i Jehovah, teo anatrehan’ny mpisorona sy ny vahoaka rehetra, nanao hoe: Malagasy Bible Ary tamin'izany taona izany ihany, dia tamin'ny niandohan'ny nanjakan'i Zedekia, mpanjakan'ny Joda, tamin'ny volana fahadimy tamin'ny taona fahefatra, no nitenenan'i Hanania, zanak'i Azora, mpaminany avy tany Gibeona, tamiko tao an-tranon'i Jehovah, teo anatrehan'ny mpisorona sy ny vahoaka rehetra, nanao hoe: La Bible en Malgache Tamin’izany taona izany ihany, tamin’ny niandohan’ny nanjakan’i Zedekia, mpanjakan’ny Joda, tamin’ny volana fahadimy tamin’ny taona fahefatra, no nitenenan’i Hanania, zanak’i Azora, mpaminany avy tany Gibeona, tamiko tao amin’ny tranon’NY TOMPO, teo anatrehan’ny mpisorona sy ny vahoaka rehetra hoe: |
Dia nankany Gabaôna i Salômôna hanao sorona, fa tany no fitoerana avo malaza. Sorona dorana arivo no nateriny teo ambonin’io ôtely io
21 taona i Sedesiasa fony vao nanjaka, ary nanjaka 11 taona tao Jerosalema izy. Ny anaran-dreniny dia Amitala zanak’i Jeremia avy ao Lobnà.
Aoka ny mpaminany nanonofy hilaza izany nofy izany; ary izay manana ny teniko, hilaza marina ny teniko. Fa inona izay mololo raha miolotra amin’ny vary? - teny marin’i Iaveh. -
Tamin’ny niandohan’ny nanjakan’i Jôakima, zanak’i Josiasa, mpanjakan’i Jodà, dia izao no teny natao avy amin’i Iaveh tamin’i Jeremia.
Ary i Sedesiasa mpanjakan’i Jodà koa, efa nilazako izany teny rehetra izany, nataoko hoe: Ampidiro ho ambany jiogan’ny mpanjakan’i Babilôna ny vozonareo, ka tompoy izy sy ny vahoakany, dia ho velona ianareo.
Dia ampanatero izany ho any amin’ny mpanjakan’i Edôma, ny mpanjakan’i Moaba, ny mpanjakan’ny taranak’i Amôna, ny mpanjakan’i Tira, ary ny mpanjakan’i Sidona, amin’ny alalan’ireo iraka izay tonga tatỳ Jerosalema ho any amin’i Sedesiasa, mpanjakan’i Jodà:
Sady hoy i Hananiasa, teo anatrehan’ny vahoaka rehetra: «Izao no lazain’i Iaveh: Tahaka izao no hanapahako ny jiogan’i Nabokodonozora, mpanjakan’i Babilôna, hiala eny am-bozon’ny firenena rehetra raha afaka roa taona.» Dia lasa niala i Jeremia mpaminany.
Dia maty tamin’izany taona izany ihany, tamin’ny volana fahafito i Hananiasa mpaminany.
Ary i Jeremia mpaminany namaly an’i Hananiasa mpaminany, teo anatrehan’ny mpisorona sy teo anatrehan’ny vahoaka rehetra, izay tao an-tranon’i Iaveh;
ka dia nidina nankany an-tranon’ny mpanjaka, tao amin’ny efitranon’ny mpanoratra; ka indro fa nipetraka tao avokoa ny lehibe, dia i Elisama mpanoratra, i Dalaiasa zanak’i Semeiàsa, i Elinatana zanak’i Akobôra, i Gamariasa zanak’i Safàna, i Sedekiasa zanak’i Hananiasa, mbamin’ny lehibe rehetra.
Kanjo nony mby eo am-bavahadin’i Benjamina izy, indro ny kapitenin’ny mpiambina, atao hoe Jeriasa zanak’i Selemiasa, zanak’i Hananiasa, nisambotra an’i Jeremia mpaminany, nanao hoe: «Miandany amin’ny Kaldeanina ianao.»
Ary aiza moa ireo mpaminaninareo naminany taminareo, nanao hoe: Tsy ho tonga hamely anareo na hamely ity tany ity ny mpanjakan’i Babilôna;
Ny tenin’i Iaveh izay natao tamin’i Jeremia mpaminany, ny amin’i Elama, tamin’ny niandohan’ny nanjakan’i Sedesiasa mpanjakan’i Jodà, nanao hoe:
Didy nomen’i Jeremia mpaminany, an’i Saraiasa zanak’i Neriasa zanak’i Maasiasa fony izy nandeha nankany Babilôna, niaraka tamin’i Sedesiasa mpanjakan’i Jodà, tamin’ny taona fahefatra nanjakany. Fa i Saraiasa no lehiben’ny tao an-dain’ny mpanjaka.
Fahitana tsy misy fotony ny azy, ary faminaniana mamitaka no an’ireo manao hoe: «Teny marin’i Iaveh»; nefa izy ireo tsy nirahin’i Iaveh, ary tsy mahazo manantena ny hahatanteraka ny teniny.
Dia niteny tamin’i Iaveh i Jôsoe tamin’ny andro nanoloran’i Iaveh ny Amôreana tamin’ny zanak’i Israely, ka hoy izy teo imason’ny zanak’i Israely: «Ry masoandro, mijanòna eo ambonin’i Gabaôna ary ianao, ry volana, ambonin’ny lohasaha Ajalôna.»
Fa ny mponina tao Gabaôna kosa, nony nandre ny nanaovan’i Jôsoe an’i Jerikô sy i Haia,