Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jeremia 28:1 - DIEM PROTESTANTA

1 Tamin’iny taona iny ihany, izany hoe ny taona fahefatra nanjakàn’i Tsedekià mpanjakan’i Joda, andro iray tamin’ny volana fahadimy, dia nankao an-tranon’ny TOMPO i Hananià mpaminany, zanakalahin’i Hazora sady avy any Gibehôna. Niteny tamin’i Jeremià teo imason’ny mpisorona sy ny vahoaka rehetra teo izy, ka nanao hoe:

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

1 Tamin’izany taona izany ihany, tamin’ny niandohan’ny nanjakan’i Zedekia, mpanjakan’ny Joda, tamin’ny volana fahadimy tamin’ny taona fahefatra, no nitenenan’i Hanania, zanak’i Azora, mpaminany avy tany Gibeona, tamiko tao amin’ny tranon’NY TOMPO, teo anatrehan’ny mpisorona sy ny vahoaka rehetra hoe:

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

1 Tamin’iny taona iny ihany, izany hoe ny taona fahefatra nanjakàn’i Tsedekià mpanjakan’i Joda, andro iray tamin’ny volana fahadimy, dia nankao an-tranon’ny TOMPO i Hananià mpaminany, zanakalahin’i Hazora sady avy any Gibehôna. Niteny tamin’i Jeremià teo imason’ny mpisorona sy ny vahoaka rehetra teo izy, ka nanao hoe:

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

1 Tamin’izany taona izany ihany, dia tamin’ny niandohan’ny nanjakan’i Sedesisa, mpanjakan’i Jodà, tamin’ny taona fahefatra, volana fahadimy: niteny tamiko tao an-tranon’i Iaveh, teo anatrehan’ny mpisorona sy ny vahoaka rehetra i Hananiasa mpaminany, zanak’i Azôra, avy any Gabaôna, nanao hoe:

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

1 ARY tamin’izany taona izany ihany, dia tamin’ny niandohan’ny nanjakan’i Zedekia, mpanjakan’ny Joda, tamin’ny volana fahadimy tamin’ny taona fahefatra, no nitenenan’i Hanania, zanak’i Azora, mpaminany avy tany Gibeona, tamiko tao an-tranon’i Jehovah, teo anatrehan’ny mpisorona sy ny vahoaka rehetra, nanao hoe:

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

1 Ary tamin'izany taona izany ihany, dia tamin'ny niandohan'ny nanjakan'i Zedekia, mpanjakan'ny Joda, tamin'ny volana fahadimy tamin'ny taona fahefatra, no nitenenan'i Hanania, zanak'i Azora, mpaminany avy tany Gibeona, tamiko tao an-tranon'i Jehovah, teo anatrehan'ny mpisorona sy ny vahoaka rehetra, nanao hoe:

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

1 Tamin’izany taona izany ihany, tamin’ny niandohan’ny nanjakan’i Zedekia, mpanjakan’ny Joda, tamin’ny volana fahadimy tamin’ny taona fahefatra, no nitenenan’i Hanania, zanak’i Azora, mpaminany avy tany Gibeona, tamiko tao amin’ny tranon’NY TOMPO, teo anatrehan’ny mpisorona sy ny vahoaka rehetra hoe:

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 28:1
22 Rohy Ifampitohizana  

Indray andro dia nankany Gibehôna ny mpanjaka mba hanao sorona, fa tany no toeram-pisoronana malaza indrindra. Sorona dorana manontolo arivo no naterin’i Salômôna teo amin’izany alitara izany.


Feno 21 taona i Tsedekià fony tonga mpanjaka; ary naharitra 11 taona no nanjakany tao Jerosalema. Ny anaran-dreniny dia Hamotala zanakavavin’i Jeremià avy any Libnà.


Feno 21 taona i Tsedekià fony tonga mpanjaka; ary naharitra iraika ambin’ny folo taona no nanjakany tao Jerosalema.


Ny mpitarika ity firenena ity dia tsy nanao afa-tsy ny nampivoana azy, ka izay rehetra notarihiny dia nandeha tamin’ny lalan-tsiizy avokoa.


Raha misy mpaminany manonofy, dia aoka izy hilaza ny nofiny! Fa raha mitondra hafatra avy amiko izy, dia aoka hanambara marina ny teniko! Aoka tsy hafangaro ny mololo sy ny vary hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPO.


Tamin’ny fiandohan’ny nanjakan’i Tsedekià, zanakalahin’i Josià sady mpanjakan’i Joda, dia nisy teny avy amin’ny TOMPO tonga tamin’i Jeremià nanao hoe:


Araka izany hafatra izany koa no nilazan’i Jeremià tamin’i Tsedekià mpanjakan’i Joda hoe: «Maneke hitondra ny zioga izay ampitondrain’ny mpanjakan’i Babilôna ianao sy ny vahoakanao, ka manompoa azy sy ny vahoakany, dia ho velona ianareo.


Avy eo dia alefaso any amin’ny mpanjakan’i Edôma sy ny mpanjakan’i Môaba ary ny mpanjakan’ny Hamônita mbamin’ny mpanjakan’i Tiro sy ny mpanjakan’i Tsidôna ireny. Ampitondray ireo masoivohony tonga eto Jerosalema mba hihaona amin’i Tsedekià mpanjakan’i Joda ireny zioga ireny;


Avy eo dia hoy i Hananià teo imason’ny vahoaka rehetra teo: «Izao no lazain’ny TOMPO: ‹Alohan’ny roa taona androany, dia hopotehiko tahaka izao ny ziogam-pamoretana angejan’i Nebokadnetsara mpanjakan’i Babilôna ny firenena rehetra.› » Dia lasa nandeha tamin’ny diany i Jeremià mpaminany.


Dia maty tamin’ny volana fahafito tamin’iny taona iny tokoa i Hananià mpaminany.


Fa namaly an’i Hananià mpaminany i Jeremià teo imason’ny mpisorona sy ny vahoaka rehetra izay tao an-tranon’ny TOMPO


«Noho ianareo mihambo ho nananganan’ny TOMPO mpaminany atỳ Babilôna,


dia nidina tao an-dapan’ny mpanjaka ary tonga amin’ny biraon’ny mpitantsora-panjakana. Nivory tao avokoa ny mpitondra fanjakana ambony: i Elisamà mpitantsora-panjakana, i Delaià zanakalahin’i Semahià, i Elnatàna zanakalahin’i Hakbôra, i Gemarià zanakalahin’i Safàna, i Tsedekià zanakalahin’i Hananià sy ireo mpitondra fanjakana hafa rehetra.


Kanjo raha vao nandalo teo am-bavahadin’i Benjamîna izy, dia nifanehatra tamin’ny lehiben’ny mpiambina atao hoe Jirià, zanakalahin’i Selemià sady zafikelin’i Hananià. Ary nosamborin’i Jirià i Jeremià mpaminany ka nataony hoe: –Miandany amin’ny Babilônianina ianao.


Ary nankaiza ireo mpaminany izay naminany teo aminareo fa tsy ho tonga hanafika anareo na ity tanàna ity ny mpanjakan’i Babilôna?


Hafatry ny TOMPO azon’i Jeremià mpaminany ho an’ny Helamita, tamin’ny fiandohan’ny fanjakan’i Tsedekià mpanjakan’i Joda.


I Seraià, zanakalahin’i Nerià sady zafikelin’i Mahaseià, no lehiben’ny tobin’i Tsedekià mpanjakan’i Joda. Koa ny taona fahefatra nanjakan’i Tsedekià dia nanaraka ny mpanjaka tany Babilôna izy. Nosoratan’i Jeremià tamin’ny horonan-taratasy ny loza rehetra izay hamely an’i Babilôna, dia ireo fanambarana rehetra momba izany! Dia nanome baiko an’i Seraià i Jeremià hoe:


Fa nilaza fahitana manodoka sy fanambaràna mamitaka izy, ka nanao hoe: ‹Izao no teny hentitra avy amin’ny TOMPO›; nefa Izaho TOMPO tsy naniraka azy akory! Saingy manantena ny hanamafisako ny teniny izy.


Manafim-paharatsiana sy fiokoana izy no mamalifaly ny mpanjaka sy ny mpifehy.


Tamin’ny andro nanomezan’ny TOMPO fandresena ho an’ny Israelita teo anoloan’ny Amôrita, dia nivavaka tamin’ny TOMPO i Josoa ka niteny teo imason’ny Israelita hoe: –Ry masoandro, mijanona eo ambonin’ny lohasahan’i Aialôna!


Ny mponina tao Gibehôna dia isan’ny Hivita; kanefa, nony nandre an’izay nataon’i Josoa tamin’i Jerikao sy i Hay ry zareo,


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra