Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jeremia 27:22 - DIEM PROTESTANTA

22 «Hoentina any Babilôna ireo fanaka rehetra ireo, ary hijanona any ambara-piavin’ny andro hirotsahako an-tsehatra hampakatra sy hamerina azy eto amin’ity toerana ity indray.» Izany no teny hentitry ny TOMPO.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

22 Ho any Babilona no hitondrana ireo sady hitoetra any izy ambara-pahatongan’ny andro hamangiako azy, hoy NY TOMPO, avy eo vao hoentiko miakatra izy ka hampodiko amin’ity tanàna ity.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

22 «Hoentina any Babilôna ireo fanaka rehetra ireo, ary hijanona any ambara-piavin’ny andro hirotsahako an-tsehatra hampakatra sy hamerina azy eto amin’ity toerana ity indray.» Izany no teny hentitry ny TOMPO.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

22 Hoentina any Babilôna koa ireo, sady hitoetra any, mandra-piavin’ny andro hamangiako azy, - teny marin’i Iaveh, - ka dia hampiakatra azy sy hampody azy amin’ity fitoerana ity indray Aho.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

22 Ho any Babylona no hitondrana ireo, sady hitoetra any izy ambara-pahatongan’ny andro hamangiako azy, hoy Jehovah, dia vao ho entiko miakatra izy ka hampodiko amin’ity tanàna ity.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

22 Ho any Babylona no hitondrana ireo, sady hitoetra any izy ambara-pahatongan'ny andro hamangiako azy, hoy Jehovah, dia vao ho entiko miakatra izy ka hampodiko amin'ity tanàna ity.

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 27:22
24 Rohy Ifampitohizana  

Nopotehin’ny Babilônianina ireo andry halimo tao an-tranon’ny TOMPO mbamin’ireo kalesy ary ilay fitobian-drano halimo goavana teo an-kianja; dia nentiny nankany Babilôna avokoa ny halimo tamin’izany.


Izany no nahatanterahan’ny teny nampilazain’ny TOMPO an’i Jeremià hoe: «Ity tany ity dia hilaozana mandritra ny fitopolo taona, mandra-pahatapitra ny fe-potoana tokony hitsaharany mba ho onitry ny andro fitsaharana rehetra izay tsy voatandrina.»


Ny isan’ny fanaka volamena sy volafotsy rehetra dia 5 400; ka nentin’i Sesebatsàro ireo, fony niakatra avy tany Babilôna ho any Jerosalema ny voasesitany.


Ny fanaka nomena anao ho an’ny fanompoam-pivavahana ao an-tranon’Andriamanitrao dia apetraho eo anatrehan’Andriamanitra any Jerosalema.


Ny andro voalohan’ny volana voalohany no niaingan’i Hezrà avy tany Babilôna; ary ny andro voalohan’ny volana fahadimy no nahatongavany tao Jerosalema noho ny fiarovana mahery nombàn’Andriamanitra azy.


Ny fahendren’olombelona sy ny fahaizana amam-pisainany dia maivana eo anatrehan’ny TOMPO.


Ny haren’ny mponin’ity tanàna ity sy ny vokatry ny asany ary ny zava-tsoa ananany, mbamin’ireo raki-tsarobidin’ny mpanjakan’i Joda dia samy hatolotro avokoa ho eo an-tanan’ny fahavalony, ka horobainy sy halainy ary hoentiny any Babilôna.


Koa izao no lazain’ny TOMPOn’izao rehetra izao sady Andriamanitr’i Israely, ny amin’ireo fanaka sisa tafajanona ao an-tranon’ny TOMPO sy ao an-dapan’ny mpanjakan’i Joda na eto Jerosalema:


Hanompo azy sy ny zanany mbamin’ny zafikeliny ny firenena rehetra ambara-pahatongan’ny andro hanompoan’ny taniny kosa an’ireo firenena matanjaka kokoa sy mpanjaka lehibe kokoa.


«Izao koa no lazain’ny TOMPO: ‹Rehefa naharitra fitopolo taona ny fanjakan’i Babilôna, dia hirotsaka an-tsehatra Aho noho ny aminareo; ka hotanterahiko ny soa nampantenaiko anareo: haveriko eto Jerosalema ianareo.


Dia hoentina any Babilôna i Tsedekià, ka hijanona any saingy hokarakaraiko, hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPO. Fa na dia hanohy hiady amin’ny Babilônianina aza ianareo, dia tsy haharesy azy.»


«Izaho TOMPO Andriamanitr’i Israely no mandidy anao hankany amin’i Tsedekià mpanjakan’i Joda mba hilaza izao hafatro izao: Hatolotro eo an-tanan’i Nebokadnetsara mpanjakan’i Babilôna ity tanàna ity mba hodorany amin’ny afo.


Ary tsy ho afa-miala aminy ianao, fa ho azo sambo-belona ka hatolotra azy. Tsy maintsy hifanatri-maso aminy ianao ka hamaly azy mivantana alohan’ny hankanesanao any Babilôna.


Fa ho faty amim-piadanana aza ianao, ka ny fandevenana anao dia hatao tahaka ny an’ireo razanao izay mpanjaka talohanao: handoran’ny olona zava-manitra ianao sady hanaovany hira fisaonana hoe: ‹Indrisy, ry mpanjaka tompoko!› Izaho TOMPO mihitsy no milaza, ary teny hentitra avy amiko izany!»


Fa nihantsy ny Tompon’ny lanitra ianao, raha nampaka ny tsatokaty voababo tao an-tempoliny ho eo anatrehanao; ka ny tenanao sy ny olo-manan-kajanao ary ireo vadinao mbamin’ny vaditsindranonao no nisotro divay taminy. Nankalazainao ireo andriamanitra volafotsy sy volamena, halimo sy vy ary vato aman-kazo izay tsy mahita na mandre na mahalala akory, fa ilay Andriamanitra Izay mihazona ny ainao sy miahy ny lalanao rehetra kosa tsy mba nomenao voninahitra.


izaho Daniela dia nandinika tao amin’ireo boky masina ny hevitr’izay efa nambaran’ny Tompo tamin’i Jeremià mpaminany, dia momba ny fitopolo taona haharetan’ny faharavàn’i Jerosalema.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra