Ka indro hangoniko any amin’ny razanao ianao, hangonina amim-piadanana ianao any amin’ny fasanao, fa tsy mba hahita ny loza rehetra hampidiriko amin’ity fitoerana ity ny masonao.» Dia nitondra izany valiny izany ho any amin’ny mpanjaka izy ireo.
Jeremia 22:10 - Baiboly Katolika Aza itomaniana ilay maty ary aza igogogogoana izy io; fa ilay lasana no itomanio dia itomanio, fa tsy hiverina intsony izy, tsy hahita intsony ny tany nahaterahany! Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Aza mitomany ny maty ianareo, na misaona azy; mitomania sy midradradradrà noho ilay efa lasan-ko babo; fa tsy hiverina intsony izy na hahita ny tany nahaterahany. DIEM PROTESTANTA Ry olon’i Joda, Aza itomanianareo ny maty, dia i Jôsià mpanjaka; ary aza anaovanareo fisaonana izy; fa itomanio dia itomanio kosa ilay handeha, dia i Salòma mpanjaka, satria tsy hiverina intsony izy ka tsy hahita intsony ny tany nahaterahany. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ry olon’i Joda, Aza itomanianareo ny maty, dia i Jôsià mpanjaka; ary aza anaovanareo fisaonana izy; fa itomanio dia itomanio kosa ilay handeha, dia i Salòma mpanjaka, satria tsy hiverina intsony izy ka tsy hahita intsony ny tany nahaterahany. Baiboly Protestanta Malagasy Aza mitomany ny maty hianareo, Na misaona azy; Mitomania dia mitomania noho ilay efa lasan-ko babo; Fa tsy hiverina intsony izy, Na hahita ny tany nahaterahany. Malagasy Bible Aza mitomany ny maty ianareo, na misaona azy; Mitomania dia mitomania noho ilay efa lasan-ko babo; Fa tsy hiverina intsony izy, na hahita ny tany nahaterahany. La Bible en Malgache Aza mitomany ny maty ianareo, na misaona azy; mitomania sy midradradradrà noho ilay efa lasan-ko babo; fa tsy hiverina intsony izy na hahita ny tany nahaterahany. |
Ka indro hangoniko any amin’ny razanao ianao, hangonina amim-piadanana ianao any amin’ny fasanao, fa tsy mba hahita ny loza rehetra hampidiriko amin’ity fitoerana ity ny masonao.» Dia nitondra izany valiny izany ho any amin’ny mpanjaka izy ireo.
Tamin’ny androny, niakatra hamely ny mpanjakan’i Asiria any amin’ny Ony Eofrata, i Faraôna-Nekao mpanjakan’i Ejipta, ary nandeha hanehatra azy i Josiasa mpanjaka. Kanjo vao hitan’i Faraôna izy dia matiny tao Magedao.
Efa i Eliasima, rahalahin’i Jôakaza no nampanjakainy tamin’i Jodà sy i Jerosalema sy novany anarana hoe: Jôakima. Ary i Jôakaza rahalahiny, nalainy dia nentiny nankany Ejipta.
Dia loa-bava aho niantso ho sambatra ny maty izay efa maty, noho ny velona izay mbola velona izao.
Lasa tsy hita intsony ny marina nefa tsy misy misaina ao am-pony; alaina ny olona tia vavaka, nefa tsy misy mihevitra akory fa noesorina ho afaka amin’ny loza ny marina,
Ny olona tsy hizara aminy ny fahan-kanina amin’ny fisaonana, ho fampiononana azy raha mana-maty; ary tsy hampisotro azy ny kapoaka fampiononana noho ny amin’ny ray na ny reny.
Fa izao no lazain’i Iaveh: Ny amin’i Seloma zanak’i Josiasa, mpanjakan’i Jodà, izay nanjaka nisolo toerana an’i Josiasa rainy, sy efa niala tamin’ity fitoerana ity: Tsy hiverina atỳ intsony izy,
Noho izany, izao no lazain’i Iaveh, ny amin’i Jôakima, zanak’i Josiasa, mpanjakan’i Jodà Tsy hitomaniana izy hatao hoe Indrisy, ry rahalahy, indrisy, ry anabavy. Tsy hitomaniana izy hatao hoe Indrisy, tompoko! Indrisy, ry mpanjaka!
Lazao amin’izy ireo hoe: Izao no tenin’i Iavehn’ny tafika, Andriamanitr’i Israely: «Misotroa ianareo, mimamoa, mandoava, ary mianjerà tsy hiarina intsony, eo anoloan’ny sabatra halefako ho eo afovoanareo.»
Ary hampodiko amin’ity fitoerana ity i Jekôniasa zanak’i Jôakima, mpanjakan’i Jodà, mbamin’ny babo rehetra amin’i Jodà lasa tany Babilôna, - teny marin’i Iaveh, - fa hotapahiko ny jiogan’ny mpanjakan’i Babilôna.»
Fa izao no lazain’i Iavehn’ny tafika, Andriamanitr’i Israely: Toy ny niantefan’ny fahatezerako amam-pahavinirako tamin’ny mponina tao Jerosalema, no hiantefan’ny fahatezerako aminareo, nony tafiditra any Ejipta ianareo, ka dia ho fisahato, fitalanjonana, fanozona ary fandàtsan’ny olona ianareo sady tsy hahita ity tany ity intsony.
Tsy hisy ho afaka handositra na ho velona ny sisa amin’i Jodà, tamin’ireo izay tonga mba honina eto amin’ny tanin’i Ejipta, ka hiverina indray amin’ny tanin’i Jodà, izay irin’ny fony hiverenany mba honenana. Satria tsy hisy hody any izy afa-tsy izay vitsivitsy afa-mandositra ihany.
Sambatra ireo matin-tsabatra, noho iretsy matin’ny hanoanana, izay mihareraka tsikelikely, maratra, noho ny tsy fisian’ny vokatry ny tany!
«Ry zanak’olona, indro hesoriko tampoka aminao, amin’ny indray mitselaka monja, ilay fifalian’ny masoandro; nefa aza midradradradra na mitomany, na mandatsa-dranomaso akory.
Fa nitodika azy ireo i Jesoa ka nanao hoe: «Ry zanaka vavin’i Jerosalema, aza mitomany Ahy foana, fa ny tenanareo sy ny zanakareo no itomanio,