Nahatsiaro an’i Abrahama Andriamanitra raha nandrava ny tanàna teo amin’ny tany lemaka, ka nanafaka an’i Lôta tamin’ny fikorontanana izy, nony nanakorontana ny tanàna nonenan’i Lôta.
Jakoba 5:16 - Baiboly Katolika Koa mifampieke fahotana ianareo; ary mifampivavaha mba ho sitrana ianareo; fa mahefa be ny vavaka ataon’ny olo-marina an-kafanam-po. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Koa mifaneke heloka ianareo, ary mifampivavaha mba ho sitrana. Ny fiasan’ny vavaka ataon’ny marina dia tena mahery. DIEM PROTESTANTA Koa mieke heloka ianareo samy ianareo, ary mifampivavaha mba hahasitrana anareo; fa mahery fiasa tokoa ny fivavaky ny olo-marina. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Koa mieke heloka ianareo samy ianareo, ary mifampivavaha mba hahasitrana anareo; fa mahery fiasa tokoa ny fivavaky ny olo-marina. Baiboly Protestanta Malagasy Koa mifaneke heloka hianareo, ary mifampivavaha, mba ho sitrana hianareo. Ny fiàsan’ny fivavaky ny marina dia mahery indrindra. Malagasy Bible Koa mifaneke heloka ianareo, ary mifampivavaha, mba ho sitrana ianareo. Ny fiàsan'ny fivavaky ny marina dia mahery indrindra. La Bible en Malgache Koa mifaneke heloka ianareo, ary mifampivavaha mba ho sitrana. Ny fiasan’ny vavaka ataon’ny marina dia tena mahery. |
Nahatsiaro an’i Abrahama Andriamanitra raha nandrava ny tanàna teo amin’ny tany lemaka, ka nanafaka an’i Lôta tamin’ny fikorontanana izy, nony nanakorontana ny tanàna nonenan’i Lôta.
Ary nifona tamin’Andriamanitra i Abrahama dia nositranin’Andriamanitra i Abimeleka sy ny vadiny ama-mpanompovaviny, ka niteraka ireo.
Koa ankehitriny avereno ny vadin’io lehilahy io, fa mpaminany izy, ka hivavaka ho anao, dia ho velona ianao. Fa raha tsy averinao io, fantaro fa ho faty mihitsy ianao, dia ianao mbamin’izay rehetra ambanin’ny fahefanao.»
ka hoy izy: «Tsy hatao hoe Jakôba intsony ny anaranao; fa hatao hoe Israely; satria efa niady tamin’Andriamanitra sy tamin’olombelona ianao ka nahery.»
Efa tafita ny lakan-drafitra hitondra ny ankohonan’ny mpanjaka sy hanaovany izay sitrany. Nony efa hita an’i Jordany ny mpanjaka, dia nihohoka tamin’ny tongotry ny mpanjaka i Semeià zanak’i Gerà, nanao tamin’ny mpanjaka hoe:
Niteny ny mpanjaka ka nilaza tamin’ity olon’Andriamanitra hoe: «Mampionòna an’i Iaveh Andriamanitrao, ka mivavaha ho ahy mba hivonkonan’ny tanako hankatỳ amiko indray.» Nampionona an’i Iaveh ity olon’Andriamanitra ka azon’ny mpanjaka navonkina hankany aminy ny tanany izay tonga toy ny taloha ihany indray.
Koa ankehitriny mandehana maka vantotr’ombalahy fito sy ondralahy fito, dia mankanesa eo amin’i Jôba mpanompoko ka manatera sorona dorana ho anareo. Ary i Jôba mpanompoko hivavaka ho anareo, fa izy ihany no tsy hamaliako anareo araka ny hadalanareo, satria tsy mba mifanaraka amin’ny marina tahaka ny nataon’i Jôba ny filazanareo Ahy».
Raha nasandratr’i Môizy ny tanany dia i Israely no nahery; fa raha nitambotsotra kosa ny tanany, i Amaleka no nahomby.
Niala avy ao amin’i Faraôna ary nivoaka ny tanàna i Môizy, dia nanandratra ny tanany tany amin’i Iaveh, ka ny kotrok’orana sy ny havandra nitsahatra, ary ny ranonorana nijanona tsy nilatsaka tamin’ny tany intsony.
Ny soron’ny ratsy fanahy dia ankahalain’i Iaveh; fa ny vavaky ny olo-mahitsy kosa, ankasitrahiny.
Raha misy mamily ny sofiny tsy hihaino ny lalàna, na ny fivavahany aza dia fahavetavetana.
Fa izao no navalin’i Iaveh ahy: «Na i Môizy sy i Samoela aza no hitsangana eto anatrehako, dia tsy hitodika ity firenena ity ny Fanahiko; roahy hiala eo anatrehan’ny Tavako izy, ka aoka handeha!
Antsoy Aho dia hamaly anao, haneho zava-dehibe aminao, zava-tsy takatry ny saina izay tsy fantatrao.
ka nanao taminy hoe: «Aoka ho tonga eo anatrehanao anie izao fihantanay izao: mivavaha amin’i Iaveh Andriamanitrao, ho an’izao sisa rehetra izao, fa maro izahay taloha, nefa efa tonga vitsy sisa araka izao hitan’ny masonao izao.
Dia nibabababa tamin’i Môizy ny vahoaka, ary i Môizy nifona tamin’i Iaveh, ary maty ny afo.
Ary na inona na inona hangatahinareo amim-pinoana amin’ny fivavahana, dia ho azonareo.»
Ary nandeha nanatona azy ny tany Jodea rehetra sy ny mponina rehetra tao Jerosalema, ka nataony batemy tamin’ny onin’i Jordany ireo, rehefa niaiky ny fahotany.
Dia nandeha nitety vohitra ny mpianatra, ka nitory ny Evanjely sy nanasitrana hatraiza hatraiza.
Fantatsika fa Andriamanitra tsy mihaino ny mpanota; fa izay manompo Azy sy manao ny sitrapony no henoiny.
dia ny amin’i Jesoa avy any Nazareta, izay nohosoran’Andriamanitra tamin’ny Fanahy Masina sy ny heriny, ka nandeha nanao soa hatraiza hatraiza nahasitrana izay rehetra azon’ny devoly, satria nomba Azy Andriamanitra.
Dia namaly i Simôna ka nanao hoe: «Mivavaha ho ahy amin’ny Tompo ianareo, mba tsy hanjò ahy izay voalazanareo.»
Fa tahaka ny nahatongavan’ny maro ho mpanota noho ny tsy naneken’ny olona iray no hahatongavan’ny maro ho marina kosa noho ny naneken’ny olona iray.
Koa hatramin’ny andro nandrenesanay izany, dia tsy tapaka ny mivavaka ho anareo izahay; ary izao no angatahinay: mba hofenoina ny fahalalana tsara ny sitrapon’Andriamanitra, amin’ny fahendrena amam-pahazavan-tsaina rehetra ara-panahy ianareo,
Ary Andriamanitry ny fiadanana anie hanamasina ny tenanareo manontolo, ka hotahiriziny tsy hanan-tsiny ho amin’ny fahatongavan’i Jesoa Kristy Tompontsika avokoa ny fanahinareo sy ny ainareo ary ny vatanareo.
Ny finoana no nanoloran’i Abela tamin’Andriamanitra sorona tsaratsara kokoa noho ny an’i Kaina, sy nilazana azy hoe marina, fa nankatoavin’Andriamanitra ny fanatitra nataony; ary noho izany ihany koa, na dia maty aza izy, dia mbola miteny ihany.
Ny finoana no nandrafetan’i Nôe ny sambo fiara hamonjena ny fianakaviany, fa natahotra izy nony efa nilazan’Andriamanitra ny zavatra mbola tsy hita; ary izany no nanamelohany an’izao tontolo izao sy nahatongavany ho mpandova ny fahamarinana izay azo amin’ny finoana.
ary ahitsio ny dian’ny tongotrareo, mba tsy hibirioka ny mandringa, fa hijoro mahitsy tsara.
Mivavaha ho anay, fa te hanao tsara amin’ny zavatra rehetra izahay, ary matoky fa marina ny hitsim-ponay.
Dia niteny tamin’i Iaveh i Jôsoe tamin’ny andro nanoloran’i Iaveh ny Amôreana tamin’ny zanak’i Israely, ka hoy izy teo imason’ny zanak’i Israely: «Ry masoandro, mijanòna eo ambonin’i Gabaôna ary ianao, ry volana, ambonin’ny lohasaha Ajalôna.»
Izy Ilay nitondra ny fahotantsika tamin’ny Tenany teo ambony hazo, mba ho faty isika raha ny amin’ny ota, fa ho velona kosa amin’ny fahamarinana; ary ny dian-kapoka taminy no nahasitrana anareo.
Ary na inona na inona hangatahintsika dia ho azontsika, satria mitandrina ny didiny sy manao izay tsara eo imasony isika.
Tsy izao va no fijinjana ny varimbazaha? Hiantso an’i Iaveh aho, ary hahatonga kotrokorana sy ranonorana Izy, ary ho fantatrareo amin’izany fa lehibe loatra eo imason’i Iaveh ny ratsy nataonareo tamin’ny nangatahanareo mpanjaka ho anareo.
Dia niantso an’i Iaveh i Samoela, ary nampiavy kotrokorana sy ranonorana i Iaveh androtr’izay ihany ka natahotra mafy an’i Iaveh sy an’i Samoela ny vahoaka.