Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Romana 3:10 - Baiboly Katolika

10 araka ny voasoratra hoe: «Tsy misy marina, na dia iray aza;

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

10 araka ny voasoratra hoe: «Tsy misy marina na dia iray akory aza;

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

10 araka ny voalazan’ny Soratra Masina hoe: «Tsy misy olo-marina, na dia iray akory aza;

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

10 araka ny voalazan’ny Soratra Masina hoe: «Tsy misy olo-marina, na dia iray akory aza;

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

10 araka ny voasoratra hoe: ,,Tsy misy marina na dia iray akory aza;

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

10 araka ny voasoratra hoe: Tsy misy marina na dia iray akory aza;

Jereo ny toko dika mitovy




Romana 3:10
29 Rohy Ifampitohizana  

Iza no mahay mamorona madio avy amin’ny maloto? Tsy iza tsy iza


Fa inona ny olombelona no mba hadio, izay tera-behivavy, no mba ho marina?


koa mainka izay zava-betaveta sy ratsy fanahy, izay olombelona misotro ota toy ny fisotro rano!


Ahoana no hahamarina ny olombelona eo anatrehan’Andriamanitra? Ahoana no hahadio izay tera-behivavy?


Aza mifandahatra amin’ny mpanomponao amin’ny fitsarana, fa tsy misy olombelona ho marina eo anatrehanao.


Ny fampianarana sy ny teny vavolombelona ihany e! Fa raha manao teny hafa noho izany ny vahoaka, dia tsy misy fahazavan’ny maraina ho azy.»


Mamitaka mihoatra noho ny zavatra rehetra ny fo, sady simba: iza no hahalala azy?


Satria ny fo no iavian’ny hevitra ratsy, ny famonoana olona, ny fakam-badin’olona, ny fijangajangana, ny halatra, ny ampangalainga, ny vava ratsy;


Ary hoy i Jesoa taminy: «Nahoana no ataonao hoe tsara Aho? Tsy misy tsara afa-tsy Andriamanitra irery.


araka ny voasoratra hoe: Mandraka androany, dia fanahy donto, sy maso tsy mahita, ary sofina tsy mahare no nomen’Andriamanitra azy ireo.


tsy misy manan-tsaina, tsy misy mitady an’Andriamanitra;


fa samy efa nanota ihany izy rehetra, ka tsy manana ny voninahitr’Andriamanitra,


fa Andriamanitra tsy maintsy ho marina, na dia mpandainga aza ny olona rehetra araka ny Soratra Masina hoe: «Mba ho marina ianao raha miteny, ary tsy hanan-tsiny raha mitsara».


Fa isika koa fahiny mba efa adala, tsy nanaiky, naniasia, andevon’ny faniriana amam-pilàn-dratsin’ny nofo rehetra, mpisompatra sy mpialona ka sady tandrifiny hankahalaina no nifankahala koa.


araka ny voasoratra hoe: Aoka ho masina ianareo, satria masina Aho,


Fa ny kanosa kosa, sy ny tsy mino, ny tsy valahara, ny mpamono olona, ny mpijangajanga, ny mpimasy, ny mpanompo sampy, mbamin’ny mpandainga rehetra, dia any amin’ny farihy afo aman-tsolifara mirehitra no ho anjarany; izany no fahafatesana faharoa.»


Fa any ivelany kosa ny alika sy ny mpimasy, ny mpijangajanga, ny mpamono olona, ny mpanompo sampy, mbamin’izay rehetra tia lainga sy mpandainga.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra