Ary hoy i Iaveh: «Tsy hipetraka mandrakariva ao amin’ny olombelona ny fanahiko; fa nofo fotsiny ihany ny olombelona, ary ho roapolo amby zato taona no androny.»
Isaia 57:16 - Baiboly Katolika Fa tsy te-hifandahatra mandrakariva aho, na hitahiry fahatezerana mandrakizay; satria amin’izany dia ho torana eo anatrehako ny fanahy sy ny aina izay nataoko. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Fa tsy hifandahatra mandrakariva Aho ary tsy ho tezitra mandrakizay, fandrao ho reraka eo anatrehako ny fanahy, dia ny fofonaina izay nataoko. DIEM PROTESTANTA Fa tsy hanakiana lava Aho na ho tezitra hatrany; raha tsy izany dia ho faty eo anatrehako ny fofonaina mbamin’ny mananaina noariko. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Fa tsy hanakiana lava Aho na ho tezitra hatrany; raha tsy izany dia ho faty eo anatrehako ny fofonaina mbamin’ny mananaina noariko. Baiboly Protestanta Malagasy Fa tsy hifandahatra mandrakariva Aho Ary tsy ho tezitra mandrakizay; Fandrao ho reraka eo anatrehako ny fanahy, Dia ny aina izay nataoko. Malagasy Bible Fa tsy hifandahatra mandrakariva Aho ary tsy ho tezitra mandrakizay; Fandrao ho reraka eo anatrehako ny fanahy, dia ny aina izay nataoko. La Bible en Malgache Fa tsy hifandahatra mandrakariva Aho ary tsy ho tezitra mandrakizay, fandrao ho reraka eo anatrehako ny fanahy, dia ny fofonaina izay nataoko. |
Ary hoy i Iaveh: «Tsy hipetraka mandrakariva ao amin’ny olombelona ny fanahiko; fa nofo fotsiny ihany ny olombelona, ary ho roapolo amby zato taona no androny.»
Mbola naninjitra ny tanany tamin’i Jerosalema ihany ilay Anjely, handringana azy. Fa nanenenan’i Iaveh ny amin’izany loza izany, ka hoy Izy tamin’ilay Anjely namono ny vahoaka: «Aoka izay, fa avonkony amin’izao ny tananao.» Teo akaikin’ny famoloan’i Areonà, Jeboseanina, no nitoeran’ilay Anjelin’i Iaveh tamin’izay.
ary Izy no mitana eo an-tanany ny ain’ny manana aina rehetra, mbamin’ny fofon’ain’ny olombelona rehetra?
Ampodio indray amin’ny toetranay taloha izahay, ry Andriamanitry ny famonjena anay ô; atsaharo ny hatezeranao aminay.
dieny mbola tsy miverina amin’ny tany ny vovoka, araka ny toetrany taloha indray, ary ny fanahy kosa hiverina amin’Andriamanitra izay nanome azy.
Nofaizinao amin’ny sazy antonony izy, nataonao sesitany. Noroahiny tamin’ny rivotra mahery tamin’ny andro misy rivotra avy atsinanana.
Izany no iandrasan’i Iaveh vao hamindra fo aminareo izy, dia hitsangana, ka hiantra anareo; satria Andriamanitra marina i Iaveh. Sambatra izay rehetra manantena Azy!
Izao no lazain’i Iaveh Andriamanitra Izay nahary ny lanitra sy namelatra azy, izay namelatra ny tany mbamin’ny vokatra ao aminy, izay nanome fofon’aina ny olona eo aminy, sy fofon’aina ho an’izay mandeha eo.
Aza tafahoatra amin’ny hatezeranao Ianao, ry Iaveh, ary aza dia tsarovanao mandrakizay ny helokay. Jereo ange fa vahoakanao avokoa izahay rehetra!
Iaveh ô, faizo aho, nefa aoka ho ara-drariny, fa tsy araka ny hatezeranao, fa ataonao zary tsinontsinona aho.
Dia nianiana mangingina tamin’i Jeremia i Sedesiasa mpanjaka, nanao hoe: «Velona i Iaveh izay nanome antsika ity fiainana ity. Tsy hamono anao aho, na hanolotra anao amin’ireo olona mitady ny ainao ireo.»
Ahy ny fanahy rehetra, na ny fanahin’ny ray, na ny fanahin’ny zanaka, samy Ahy avokoa, ka ny fanahy izay manota dia izy no ho faty.
Izao no lazain’i Iaveh: «Noho ny heloka telo nataon’i Edôma, - sy noho ny efatra - tsy hahemotro ny didy. Satria nanenjika ny rahalahiny tamin’ny sabatra izy, fa namono ny fangoraham-po ary satria mamiravira lalandava ny hatezerany sy mitahiry ny lolom-pony hatramin’ny farany,
Iza no Andriamanitra tahaka Anao, izay manesotra ny fahotana, ary mamela fahadisoana, an’izay sisa amin’ny lovanao? Tsy mba ataony mahery mandrakizay ny fahatezerany fa ny mamindra fo no sitrany.
Didim-pitsarana. Tenin’i Iaveh amin’i Israely. Teny marin’i Iaveh, izay namelatra ny lanitra sy nanorina ny tany, ary namorona ny fanahin’ny olombelona ao anatiny:
Ary niankohoka tamin’ny tany izy ireo ka nanao hoe: «Andriamanitra ô, ry Andriamanitry ny fanahin’ny nofo rehetra, olona iray no nanota, ka no dia tezitra amin’ny fiangonana rehetra Ianao?»
Ary na ny raintsika ara-batana aza nohajaintsika na dia nikapoka antsika aza; vao mainka ny Raintsika ara-panahy no tsy maintsy ekentsika mba ho velona isika.