Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Mpitoriteny 12:7 - Baiboly Katolika

7 dieny mbola tsy miverina amin’ny tany ny vovoka, araka ny toetrany taloha indray, ary ny fanahy kosa hiverina amin’Andriamanitra izay nanome azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

7 Fa amin’izany ny vovoka dia hiverina amin’ny tany ho toy ny teo aloha fa ny fanahy kosa dia hiverina amin’Andriamanitra izay nanome izany.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

7 Amin’izay no hiverina ho vovoka amin’ny tany nakana azy fahiny ny vatantsika fa ny fofonaina kosa hiverina amin’Andriamanitra Izay nanome antsika izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

7 Amin’izay no hiverina ho vovoka amin’ny tany nakana azy fahiny ny vatantsika fa ny fofonaina kosa hiverina amin’Andriamanitra Izay nanome antsika izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

7 ka ny vovoka dia hiverina amin’ny tany ho toy ny teo, fa ny fanahy kosa hiverina amin’Andriamanitra, Izay nanome iny.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

7 ka ny vovoka dia hiverina amin'ny tany ho toy ny teo, fa ny fanahy kosa hiverina amin'Andriamanitra, Izay nanome iny.

Jereo ny toko dika mitovy




Mpitoriteny 12:7
23 Rohy Ifampitohizana  

Fa hoy indray i Abrahama: «Indro efa sahy niteny tamin’ny Tompo aho, izaho vovoka sy lavenona foana.»


Vovo-tany no nanaovan’i Iaveh Andriamanitra ny olombelona, dia nofofoniny fofon’aina mahavelona ny vavorony, ka tonga zava-manana aina ny olona.


Ny fahatsembohan’ny tavanao no hahazoanao hanina mandra-piverinao amin’ny tany; satria tany no nangalana anao, fa vovoka ianao, ary hody vovoka indray.»


Ny taolany feno ny otany miafina, izay hiara-mandry aminy eo amin’ny vovoka.


Nahoana no dia tsy avelanao ny heloko? Nahoana no dia tsy hadinoinao ny hadisoako? Fa vetivety foana dia handry amin’ny vovoka aho, ary hitady ahy Ianao; fa tsy hisy intsony aho».


Satria fantany izay iforonantsika, tsaroany fa vovoka ihany isika.


Manafina ny Tavanao Ianao, dia raiki-tahotra izy; alànao indray ny fofon’ainy, dia maty izy, ka miverina indray any amin’ny vovoka.


fa miala ny fofon’ainy, dia miverina amin’ny vovony izy, ary amin’izay andro izay ihany, dia levona ny hevitra kasainy


Apetrako eo am-pelatananao ny fanahiko, dia hanafaka ahy Ianao, ry Iaveh Andriamanitry ny fahamarinana.


Mampanjary ny olombelona ho vovoka Ianao, ka manao hoe: «Miverena, ry zanak’olombelona!»


Fa tsy te-hifandahatra mandrakariva aho, na hitahiry fahatezerana mandrakizay; satria amin’izany dia ho torana eo anatrehako ny fanahy sy ny aina izay nataoko.


Dia nianiana mangingina tamin’i Jeremia i Sedesiasa mpanjaka, nanao hoe: «Velona i Iaveh izay nanome antsika ity fiainana ity. Tsy hamono anao aho, na hanolotra anao amin’ireo olona mitady ny ainao ireo.»


Didim-pitsarana. Tenin’i Iaveh amin’i Israely. Teny marin’i Iaveh, izay namelatra ny lanitra sy nanorina ny tany, ary namorona ny fanahin’ny olombelona ao anatiny:


Ary niankohoka tamin’ny tany izy ireo ka nanao hoe: «Andriamanitra ô, ry Andriamanitry ny fanahin’ny nofo rehetra, olona iray no nanota, ka no dia tezitra amin’ny fiangonana rehetra Ianao?»


«Aoka i Iaveh, ilay Andriamanitry ny fanahin’ny nofo rehetra, hanendry lehilahy anankiray hitondra ny fiangonana.


Ary niantso tamin’ny feo mahery i Jesoa nanao hoe: «Raiko! apetrako ao an-tananao ny fanahiko.» Nony voalazany izany, dia niala aina Izy.


Dia nandohalika izy, ka niantso tamin’ny feo mahery hoe: «Tompo ô! aza tanana izao hadisoany izao.» Nony nilaza izany izy, dia nody mandry teo amin’ny Tompo. Ary i Saoly nankatò ny namonoana azy.


ny fiangonan’ny zokinareo izay voasoratra any an-danitra, ny Mpitsara izay Andriamanitry ny olon-drehetra, ny fanahin’ny olo-marina efa amin’ny fanaperana,


Ary na ny raintsika ara-batana aza nohajaintsika na dia nikapoka antsika aza; vao mainka ny Raintsika ara-panahy no tsy maintsy ekentsika mba ho velona isika.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra