Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -

Mpitoriteny 12:6 - Baiboly Katolika

6 Dieny mbola tsy tapaka ny kofehy volafotsy, mbola tsy vaky ny tamaboa volamena, mbola tsy vaky ny siny eo an-doharano, mbola tsy tapaka ny bolaky ka latsaka eo an-davaka famorian-drano;

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

6 dieny tsy mbola mivaha ny kofehy volafotsy, tsy mbola vaky ny vilia volamena fitoeran-diloilo, tsy mbola potika ny siny eo an-doharano, ary tsy mbola tapaka ny kodia eo an-davaka fantsakana.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

6 Dia ho tapaka ny kofehim-bolafotsin’ny fiainana; ho montsamontsana ny tavoara volamena; eny am-pantsakana no ho vaky ny siny; ho latsaka an-davaka famorian-drano ny fanovozana bolaky.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

6 Dia ho tapaka ny kofehim-bolafotsin’ny fiainana; ho montsamontsana ny tavoara volamena; eny am-pantsakana no ho vaky ny siny; ho latsaka an-davaka famorian-drano ny fanovozana bolaky.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

6 dieny tsy mbola mivaha ny kofehy volafotsy, ary tsy mbola vaky ny vilia volamena fitoeran-diloilo, ary tsy mbola rava ny barika eo an-doharano, ary tsy mbola tapaka ny kodia eo an-davaka famorian-drano,

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

Mpitoriteny 12:6
1 Rohy Ifampitohizana  

Araho izahay:

dokam-barotra

dokam-barotra