Tsy manan-kery ny mponina amin’ireny, fa raiki-tahotra sy mivarahotsaka izy, ka tonga toy ny ahitra any an-tsaha, sy ny zava-maitso milenodenoka, toy ny ahitra maitso eny an-tafon-trano, sy ny vary maty fotsy, maina alohan’ny fahamasahany.
Isaia 13:8 - Baiboly Katolika hangovitra izy, ho azon’ny tebiteby amam-panaintainana; hiolanolana toy ny vehivavy miteraka izy; sady hifampijery samy hitanàka foana eo; ary hivoaramena hoatra ny afo ny tarehiny! Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ho toran-kovitra izy; fanaintainana sy fahoriana no hahazo azy; hijalijaly tahaka ny vehivavy mihetsi-jaza izy; samy ho talanjona izy ka hifampijery; toy ny nodorana afo ny tarehiny. DIEM PROTESTANTA Ho very hevitra tokoa izy noho ny fanaintainana sy ny fahoriana mahazo azy ka hiolanolana toy ny vehivavy hiteraka. Talanjona izy mifampijery ka mivaloarika ny tarehiny. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ho very hevitra tokoa izy noho ny fanaintainana sy ny fahoriana mahazo azy ka hiolanolana toy ny vehivavy hiteraka. Talanjona izy mifampijery ka mivaloarika ny tarehiny. Baiboly Protestanta Malagasy Ho toran-kovitra izy; Fanaintainana sy fahoriana no hahazo azy, Ka hijalijaly tahaka ny vehivavy mihetsi-jaza izy; Samy ho talanjona izy ka hifampijery; Mitarehin-delafo ny tarehiny. Malagasy Bible Ho toran-kovitra izy; Fanaintainana sy fahoriana no hahazo azy, ka hijalijaly tahaka ny vehivavy mihetsi-jaza izy; samy ho talanjona izy ka hifampijery; Mitarehin-delafo ny tarehiny. La Bible en Malgache Ho toran-kovitra izy; fanaintainana sy fahoriana no hahazo azy; hijalijaly tahaka ny vehivavy mihetsi-jaza izy; samy ho talanjona izy ka hifampijery; toy ny nodorana afo ny tarehiny. |
Tsy manan-kery ny mponina amin’ireny, fa raiki-tahotra sy mivarahotsaka izy, ka tonga toy ny ahitra any an-tsaha, sy ny zava-maitso milenodenoka, toy ny ahitra maitso eny an-tafon-trano, sy ny vary maty fotsy, maina alohan’ny fahamasahany.
Tahaka ny vehivavy bevohoka madiva ho teraka, miolanolana sy miantsoantso eo amin’ny fijaliany, tahaka izany izahay eo anatrehan’ny tavanao, ry Iaveh.
Hanao ahoana kosa ianareo, rehefa tendren’i Iaveh ho tomponao ireo nampianarinao hamely anao - ireo mpifankazatra aminao! Moa tsy hahazo anao va ny fanaintainana, toy ny an’ny vehivavy raha miteraka?
Anontanio sy zahao, raha mba misy lehilahy mihetsi-jaza. Ka nahoana ity lehilahy rehetra no hitako manery tehezana amin’ny tanany hoatra ny vehivavy mihetsi-jaza, ary nahoana no tonga hatsatra avokoa ny tarehy?
Fa izaho nandre feo, toy ny an’ny vehivavy mihetsi-jaza, tahaka ny fidrìdridrìdrin’ny vehivavy vao miteraka voalohany, dia ny feon’ny zanaka vavin’i Siôna; fa sady velon-taraina izy, no mitsotra tanana manao hoe: «Loza no manjò ahy, maty ny aiko, azon’ireo mpamono olona!»
Fa inona re ity hitako e? Raiki-tahotra izy ireo ka miamboho lahy! Resy ny mpiadiny! Mandositra tsy miherika akory izy ireo! Fa misy fampangorohoroana hatraiza hatraiza, - teny marin’i Iaveh. -
Azo i Kariota; afaka ny trano mimanda; ary ny fon’ny mpiady maherin’i Moaba amin’izany andro izany, dia toy ny fon’ny vehivavy mihetsi-jaza.
Indro izy misondrotra, miezaka manidina toy ny voromahery; mamelatra ny elany eny ambonin’i Bôsrà; ary ny fon’ireo mpiady maherin’i Edôma, amin’izany andro izany, dia tahaka ny fon’ny vehivavy mihetsi-jaza.
Ketraka i Damasa ka nihodina handositra; azon’ny vadi-po izy; ny fangirifiriana amam-panaintainana manindry azy, tahaka ny vehivavy raha miteraka.
Nandre izany ny mpanjakan’i Babela dia niraviravy tanana, nandry andriran’antsy, tra-panaintainana toy ny vehivavy eo am-piterahana.
Ireo lehilahy maherin’i Babela nitsahatra tsy niady; mihiboka ao anaty trano mimanda; lany ny heriny, tonga toy ny vehivavy izy; nodorana ny fonenany; notapahina ny hidim-bavahadiny.
Voan’ny fanaintainan’ny vehivavy raha miteraka izy; zaza tsy manam-pahendrena, fa nony tonga ny fotoana, tsy mandroso izy ho teraka.
Baboy ny volafotsy, baboy ny volamena! fa tsy hita lany ny hareny, mbamin’ny fanaka sarobidiny rehetra voaangony.
Ory ny vehivavy raha miteraka satria tonga ny fotoany; nefa tsy tsaroany intsony izay fahoriany rehefa teraka izy, noho ny hafaliany fa hoe misy olona teraka amin’izao tontolo izao.
Amin’ilay hanaovan’ny olona hoe: Fiadanana sy fandriam-pahalemana re izany! Iny indrindra no hilatsahan’ny fandringanana tampoka amin’izy ireo, tahaka ny fihetsehan-jaza amin’ny bevohoka, ka tsy ho afa-mandositra izy.