Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jeremia 30:6 - Baiboly Katolika

6 Anontanio sy zahao, raha mba misy lehilahy mihetsi-jaza. Ka nahoana ity lehilahy rehetra no hitako manery tehezana amin’ny tanany hoatra ny vehivavy mihetsi-jaza, ary nahoana no tonga hatsatra avokoa ny tarehy?

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

6 Anontanionareo ka jereo, raha mba misy lehilahy mihetsi-jaza; koa nahoana no samy hitako manery ny andilany amin’ny tanany avy ny lehilahy rehetra, ohatra ilay efa mihetsi-jaza iny, sady ny tarehy rehetra dia efa tonga hatsatra avokoa?

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

6 Anontanio ka jereo raha misy lehilahy mihetsi-jaza. Ahoana àry Aho no mahita ny lehilahy rehetra mitan-kibo toy ny vehivavy mihetsi-jaza, ka hatsatra sy mivaloharika avokoa?

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

6 Anontanio ka jereo raha misy lehilahy mihetsi-jaza. Ahoana àry Aho no mahita ny lehilahy rehetra mitan-kibo toy ny vehivavy mihetsi-jaza, ka hatsatra sy mivaloharika avokoa?

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

6 Anontanionareo ka izahao, raha mba misy lehilahy mihetsi-jaza; Koa nahoana no samy hitako manery ny valahany amin’ny tànany avy ny lehilahy rehetra Hoatra ilay efa mihetsi-jaza iny, Ary ny tarehy rehetra dia efa tonga hatsatra avokoa?

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

6 Anontanionareo ka izahao, raha mba misy lehilahy mihetsi-jaza; Koa nahoana no samy hitako manery ny valahany amin'ny tànany avy ny lehilahy rehetra hoatra ilay efa mihetsi-jaza iny, ary ny tarehy rehetra dia efa tonga hatsatra avokoa?

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

6 Anontanionareo ka jereo, raha mba misy lehilahy mihetsi-jaza; koa nahoana no samy hitako manery ny andilany amin’ny tanany avy ny lehilahy rehetra, ohatra ilay efa mihetsi-jaza iny, sady ny tarehy rehetra dia efa tonga hatsatra avokoa?

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 30:6
19 Rohy Ifampitohizana  

Kanjo nahita Azy, dia vahotra terỳ, nivadi-po izy, ka vaky nandositra.


Izany no nahafeno tebiteby ny valahako; voan’ny fanaintainana aho, toy ny vehivavy miteraka. Miolanolana aho, mahare izany; tsiravina aho mahita izany;


Noho izany, izao no lazain’i Iaveh amin’ny taranak’i Jakôba, dia Izy izay nanavotra an’i Abrahama: «Tsy hisy hahamenatra an’i Jakôba intsony tsy hivaloarika intsony ny handriny.


Hanao ahoana kosa ianareo, rehefa tendren’i Iaveh ho tomponao ireo nampianarinao hamely anao - ireo mpifankazatra aminao! Moa tsy hahazo anao va ny fanaintainana, toy ny an’ny vehivavy raha miteraka?


Ianao izay mitoetra any Libàna, sy manao ny akaninao any amin’ny sedera, endrey izany fitarainanao, rehefa tratry ny fanaintainana ianao, fifanintontsintonan’ny tena toy ny an’ny vehivavy mihetsi-jaza!


Fa izaho nandre feo, toy ny an’ny vehivavy mihetsi-jaza, tahaka ny fidrìdridrìdrin’ny vehivavy vao miteraka voalohany, dia ny feon’ny zanaka vavin’i Siôna; fa sady velon-taraina izy, no mitsotra tanana manao hoe: «Loza no manjò ahy, maty ny aiko, azon’ireo mpamono olona!»


Azo i Kariota; afaka ny trano mimanda; ary ny fon’ny mpiady maherin’i Moaba amin’izany andro izany, dia toy ny fon’ny vehivavy mihetsi-jaza.


Indro izy misondrotra, miezaka manidina toy ny voromahery; mamelatra ny elany eny ambonin’i Bôsrà; ary ny fon’ireo mpiady maherin’i Edôma, amin’izany andro izany, dia tahaka ny fon’ny vehivavy mihetsi-jaza.


Ketraka i Damasa ka nihodina handositra; azon’ny vadi-po izy; ny fangirifiriana amam-panaintainana manindry azy, tahaka ny vehivavy raha miteraka.


Nandre izany ny mpanjakan’i Babela dia niraviravy tanana, nandry andriran’antsy, tra-panaintainana toy ny vehivavy eo am-piterahana.


Vao nandre azy tamy izahay, dia niraviravy tanana, velon-tebiteby, azom-panaintainana, hoatra ny vehivavy miteraka.


Voan’ny fanaintainan’ny vehivavy raha miteraka izy; zaza tsy manam-pahendrena, fa nony tonga ny fotoana, tsy mandroso izy ho teraka.


Eo anoloan’izy ireo ny firenena, mangovitra matahotra, ny tarehy mivaloarika avokoa.


Baboy ny volafotsy, baboy ny volamena! fa tsy hita lany ny hareny, mbamin’ny fanaka sarobidiny rehetra voaangony.


Amin’ilay hanaovan’ny olona hoe: Fiadanana sy fandriam-pahalemana re izany! Iny indrindra no hilatsahan’ny fandringanana tampoka amin’izy ireo, tahaka ny fihetsehan-jaza amin’ny bevohoka, ka tsy ho afa-mandositra izy.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra