Efa nampihorohoro ny tany Ianao, nandrotika azy, dia amboary ny banga aminy fa mihozongozona izy.
Isaia 13:2 - Baiboly Katolika Manangàna faneva, eo amin’ny tendrombohitra mangadihady; antsoy amin’ny feo avo izy ireo, hofay tanana izy, handingana ny vavahadin’ireo mpanapaka. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Manangàna faneva eo an-tampon’izay tendrombohitra mangadihady ianareo, manandrata feo hiantso azy, hofahofay tanana izy mba hiditra amin’ny vavahadin’ireo olo-manankaja! DIEM PROTESTANTA Hoy ny TOMPO hoe: «Manangàna faneva eo an-tendrombohitra mangadihady. Ampandreneso amin’ny koka lava ireo mpiady. Hofahofay tanana izy mba hiditra amin’ny vavahadin’ny miaramila manolo-tena. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Hoy ny TOMPO hoe: «Manangàna faneva eo an-tendrombohitra mangadihady. Ampandreneso amin’ny koka lava ireo mpiady. Hofahofay tanana izy mba hiditra amin’ny vavahadin’ny miaramila manolo-tena. Baiboly Protestanta Malagasy Manangàna faneva eo an-tampon’izay tendrombohitra mangadihady hianareo, Manandrata feo hiantso azy, hofay tànana izy Hiditra amin’ny vavahadin’ireo mpanapaka. Malagasy Bible Manangàna faneva eo an-tampon'izay tendrombohitra mangadihady ianareo, manandrata feo hiantso azy, hofay tanana izy hiditra amin'ny vavahadin'ireo mpanapaka. La Bible en Malgache Manangàna faneva eo an-tampon’izay tendrombohitra mangadihady ianareo, manandrata feo hiantso azy, hofahofay tanana izy mba hiditra amin’ny vavahadin’ireo olo-manankaja! |
Efa nampihorohoro ny tany Ianao, nandrotika azy, dia amboary ny banga aminy fa mihozongozona izy.
Indray andro sisa, dia any Nobe izy; hanainga tanana hamely ny tendrombohitry ny zanaka vavin’i Siôna izy, hamely ny havoan’i Jerosalema!...
Ary izy hanangam-paneva ho an’ny firenena, hamory ny voasesitany amin’i Israely; hanangona ny tafaely amin’i Jodà, avy any amin’ny vazantany efatra.
I Iaveh hanao anatema ny sakeli-dranomasin’i Ejipta, sy hanainga ny tanany hamely ny Ony amin’ny herin’ny rivony, dia hikapoka azy sy hampisaraka azy hisampana fito, ka hataony azo aleha tsy ialàn-kapa eo.
Ry mponina rehetra amin’izao tontolo izao, ry mponina ambonin’ny tany! mijere ianareo, rehefa voatsangana eny an-tendrombohitra ny faneva, mihainoa ianareo rehefa maneno ny trômpetra.
Amin’izany andro izany i Ejipta, hanahaka ny vehivavy; ho toran-kovitra sy ho raiki-tahotra, mahita an’i Iavehn’ny tafika manainga tanana, izay aingainy hamelezana azy.
Ny vatolampy handositra aman-tahotra; ary ny andriandahiny mangovitra handao ny faneva, - teny ton’i Iaveh - izay manana ny afony ao Siôna, sy ny fatam-pandoroany ao Jerosalema.»
Manangan-tsaina ho an’ireo firenena lavitra Izy; ary misiaka miantso azy ireo, avy any am-paran’ny tany. dia indreo tonga ireny, faingana sady mailaka.
Ambarao any amin’ny firenena, torio izao, manangàna saina, ka torionareo izao; aza afeninareo fa lazao hoe: Azo i Babilôna. Mangaihay i Bela! Voazera i Merodàka! mangaihay ny sampiny, voazera ny andriamanitra tsy izy ao.
Indro misy firenena avy any avaratra; firenena lehibe, omba-mpanjaka maro, no mitsangana avy any amin’ny faran’ny tany.
Manangàna faneva hamely ny mandan’i Babilôna, ataovy mafy ny fahirano; alatsaho ny mpiambina; manaova otrika! Fa nanao hevitra i Iaveh, ka dia manatanteraka izay voalazany hamelezany ny mponina ao Babela.
Indro Aho manohitra anao, ry tendrombohitry ny fandravana, - teny marin’i Iaveh, - izay mandrava ny tany rehetra; maninjitra ny tanako hamely anao Aho, dia manakodia anao avy eny ambony harambato, sy mahatonga anao ho tendrombohitra kila.
Izao no lazain’i Iavehn’ny tafika: Efa voafongotra mihitsy ny mandan’i Babela malalaka be; ary voadotra ny vavahadiny avo be. Ka dia zava-poana izany no isasaran’ny vahoaka, ho an’ny afo no hisasaran’ny firenena, ka lany hery foana amin’izany izy.