Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Isaia 10:32 - Baiboly Katolika

32 Indray andro sisa, dia any Nobe izy; hanainga tanana hamely ny tendrombohitry ny zanaka vavin’i Siôna izy, hamely ny havoan’i Jerosalema!...

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

32 Mbola mijanona any Noba izy anio ary manofahofa ny tanany manambana ny tendrombohitr’i Ziona zanakavavy, dia ny havoanan’i Jerosalema.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

32 Fa androtr’io ihany ny fahavalo dia maka toerana ao Nôba, ka maninji-tanana mandrahona an’i Tsiôna, dia ilay tendrombohitra mampahonena, ilay havoana iorenan’i Jerosalema.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

32 Fa androtr’io ihany ny fahavalo dia maka toerana ao Nôba, ka maninji-tanana mandrahona an’i Tsiôna, dia ilay tendrombohitra mampahonena, ilay havoana iorenan’i Jerosalema.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

32 Anio izy mbola mitoetra any Noba, Maninjitra ny tànany manambana ny tendrombohitr’i Ziona zanakavavy, Dia ny havoan’i Jerosalema.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

32 Anio izy mbola mitoetra any Noba, Maninjitra ny tànany manambana ny tendrombohitr'i Ziona zanakavavy, dia ny havoan'i Jerosalema.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

32 Mbola mijanona any Noba izy anio ary manofahofa ny tanany manambana ny tendrombohitr’i Ziona* zanakavavy, dia ny havoanan’i Jerosalema.

Jereo ny toko dika mitovy




Isaia 10:32
21 Rohy Ifampitohizana  

Taorian’ireo zavatra aman’asa marina ireo, no niainga i Senakeriba mpanjakan’i Asiria, ka nidina tany Jodà, dia nanorina toby hamely ny tanàna mimanda, ary nikendry ny hahafaka azy.


Nony hitan’i Ezekiasa fa tonga i Senakeriba sady nitodika an’i Jerosalema hamely azy,


tany Anatôta, Nobà Ananià


Ary ny zanaka vavin’i Siôna dia tafajanona toy ny trano bongo anaty tanimboaloboka, toy ny tranotomboka, anaty tanim-boatango, toy ny tilikambo fiambenana.


Izany no hilazan’ny Tompo, Iavehn’ny tafika hoe: Aza matahotra na inona na inona avy amin’i Asora, ry vahoakako monina any Siôna, raha mamely anao amin’ny tsora-kazo izy, ka manainga ny tehina aminao, toa an’i Ejipta taloha.


Miparitaka i Medmenà, lasa nandositra ny mponina ao Gabima.


I Iaveh hanao anatema ny sakeli-dranomasin’i Ejipta, sy hanainga ny tanany hamely ny Ony amin’ny herin’ny rivony, dia hikapoka azy sy hampisaraka azy hisampana fito, ka hataony azo aleha tsy ialàn-kapa eo.


Manangàna faneva, eo amin’ny tendrombohitra mangadihady; antsoy amin’ny feo avo izy ireo, hofay tanana izy, handingana ny vavahadin’ireo mpanapaka.


Alefaso ny zanak’ondry mpanapaka ny tany, avy any Petrà, hamaky ny efitra, ho any an-tendrombohitry ny zanakavavin’i Siôna.


Amin’izany andro izany i Ejipta, hanahaka ny vehivavy; ho toran-kovitra sy ho raiki-tahotra, mahita an’i Iavehn’ny tafika manainga tanana, izay aingainy hamelezana azy.


Izao no ho tonga any amin’ny andro farany; ny tendrombohitry ny tranon’i Iaveh, hatao eo an-tampon’ny tendrombohitra; sy hasandratra ho eo ambonin’ny havoana. Ary ny firenena rehetra hirohotra ho any aminy,


dia hoporetiko mafy i Ariela, ka tsy hisy afa-tsy sento amam-pitarainana ao; fa ho tahaka an’i Ariela ho ahy izy;


ka izao no teny nolazain’i Iaveh ny aminy: Maneso anao, mihomehy anao ilay virjiny zanaka vavin’i Siôna; manifikifi-doha eo aorianao, ny zanaka vavin’i Jerosalema!


ho tafatsofoka amin’i Jodà izy, ho tondraka sy hanafotra, hisondrotra mandra-pahatongavany havozona, ary ny fivelaran’ny elany handrakotra ny tampon’ny taninao rehetra, ry Emanoela ô!»


Ka izy ireo dia mahay mandefa zana-tsipîka aman-defona; olona masiaka tsy manana indrafo; mirohondrohona hoatra ny ranomasina ny feony; mitaingin-tsoavaly izy, vonon-kiady, toa olona iray monja, hamely anao, ry zanaka vavin’i Siôna.


Fa fery mahafaty ny azy, fa tonga hatrany amin’i Jodà, tonga hatreo am-bavahadin’ny vahoakako dia hatrany Jerosalema. izy.


Ary Izaho, - teny marin’i Iaveh, - no ho manda afo manodidina azy sy hahazo voninahitra eo afovoany.› »


Koa i Davida moa nitsangana dia lasa nandeha, fa i Jônatasy kosa niditra nankany an-tanàna.


Lasa nankany Nobe amin’i Akimeleka mpisorona i Davida ka taitra mafy i Akimeleka nitsena an’i Davida nanao taminy hoe: «Nahoana ity ianao no honjohonjonao irery, fa tsy misy miaraka aminao?»


Nasian’i Saola tamin’ny lelan-tsabatra koa i Nobe, tanàna-mpisorona, ka matin’ny sabatra avokoa, na lahy na vavy, na ankizy madinika na zaza minono, na omby na ampondra na ondry.


Dia hoy i Dôega ilay Edômita lehiben’ny mpanompon’i Saola namaly azy: «Hitako tonga tany Nobe, tao amin’i Akimeleka zanak’i Akitoba, ny zanak’i Isaï.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra