Jeremia 51:25 - Baiboly Katolika25 Indro Aho manohitra anao, ry tendrombohitry ny fandravana, - teny marin’i Iaveh, - izay mandrava ny tany rehetra; maninjitra ny tanako hamely anao Aho, dia manakodia anao avy eny ambony harambato, sy mahatonga anao ho tendrombohitra kila. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy 201125 Indro mamely anao Aho, ry tendrombohitra ahitan-doza, izay mandringana ny tany rehetra, hoy NY TOMPO; ary hatsotrako ny tanako hamelezana anao, dia hakodiako hianjera amin’ny harambato ianao ka hataoko tendrombohitra mirehitra. Jereo ny tokoDIEM PROTESTANTA25 Indro mamely anao Aho, ry Babilôna mpampiavosa fandravana, ianao ilay nandrava izay rehetra tamin’ny tany, hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPO. Maninji-tanana hamely anao Aho, ka manjera anao avy eny ambony harambato. Hataoko vainafo miavosa ianao, Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara25 Indro mamely anao Aho, ry Babilôna mpampiavosa fandravana, ianao ilay nandrava izay rehetra tamin’ny tany, hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPO. Maninji-tanana hamely anao Aho, ka manjera anao avy eny ambony harambato. Hataoko vainafo miavosa ianao, Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy25 Indro mamely anao Aho, ry tendrombohitra ahitan-doza, Izay mandringana ny tany rehetra, hoy Jehovah; Ary hahinjitro ny tànako hamelezana anao, Dia hakodiako hianjera amin’ny harambato hianao Ka hataoko tendrombohitra mirehitra. Jereo ny tokoMalagasy Bible25 Indro mamely anao Aho, ry tendrombohitra ahitan-doza. Izay mandringana ny tany rehetra, hoy Jehovah; Ary hahinjitro ny tanako hamelezana anao, dia hakodiako hianjera amin'ny harambato ianao ka hataoko tendrombohitra mirehitra. Jereo ny tokoLa Bible en Malgache25 Indro mamely anao Aho, ry tendrombohitra ahitan-doza, izay mandringana ny tany rehetra, hoy NY TOMPO; ary hatsotrako ny tanako hamelezana anao, dia hakodiako hianjera amin’ny harambato ianao ka hataoko tendrombohitra mirehitra. Jereo ny toko |
dia indro ampanalaiko ny foko rehetra any avaratra, - teny marin’i Iaveh, - hoentiko amin’i Nabokodonozora mpanjakan’i Babilôna, mpanompoko; ary hataoko tonga izy ireo hamely an’ity tany ity mbamin’ny mponina eo aminy sy ny firenena rehetra amin’ny manodidina, ka hataoko anatema izy, hataoko tany lao, zavatra fandatsa, ary rava mandrakizay.