Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Isaia 13:2 - DIEM PROTESTANTA

2 Hoy ny TOMPO hoe: «Manangàna faneva eo an-tendrombohitra mangadihady. Ampandreneso amin’ny koka lava ireo mpiady. Hofahofay tanana izy mba hiditra amin’ny vavahadin’ny miaramila manolo-tena.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

2 Manangàna faneva eo an-tampon’izay tendrombohitra mangadihady ianareo, manandrata feo hiantso azy, hofahofay tanana izy mba hiditra amin’ny vavahadin’ireo olo-manankaja!

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

2 Hoy ny TOMPO hoe: «Manangàna faneva eo an-tendrombohitra mangadihady. Ampandreneso amin’ny koka lava ireo mpiady. Hofahofay tanana izy mba hiditra amin’ny vavahadin’ny miaramila manolo-tena.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

2 Manangàna faneva, eo amin’ny tendrombohitra mangadihady; antsoy amin’ny feo avo izy ireo, hofay tanana izy, handingana ny vavahadin’ireo mpanapaka.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

2 Manangàna faneva eo an-tampon’izay tendrombohitra mangadihady hianareo, Manandrata feo hiantso azy, hofay tànana izy Hiditra amin’ny vavahadin’ireo mpanapaka.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

2 Manangàna faneva eo an-tampon'izay tendrombohitra mangadihady ianareo, manandrata feo hiantso azy, hofay tanana izy hiditra amin'ny vavahadin'ireo mpanapaka.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

2 Manangàna faneva eo an-tampon’izay tendrombohitra mangadihady ianareo, manandrata feo hiantso azy, hofahofay tanana izy mba hiditra amin’ny vavahadin’ireo olo-manankaja!

Jereo ny toko dika mitovy




Isaia 13:2
15 Rohy Ifampitohizana  

Nohozongozoninao ny tany ka nitresaka; amboary re izy fa nisy nihotsaka.


Fa androtr’io ihany ny fahavalo dia maka toerana ao Nôba, ka maninji-tanana mandrahona an’i Tsiôna, dia ilay tendrombohitra mampahonena, ilay havoana iorenan’i Jerosalema.


Hanangana faneva ny Tompo mba hahafantaran’ny hafa firenena fa hamory ireo sesitany tamin’i Israely Izy ary hanangona ireo niely patrana tamin’i Joda avy any amin’ny vazan-tany efatra.


Handritra ny helo-dranomasin’i Ejipta ny TOMPO; haninji-tanana handrahona ny ony Eofrata Izy, ka ny rivo-mahery avy aminy no hizaràny azy hisampantsampana ho sakeli-drano fito izay ho azo diavin-tongotra tsy miala kapa.


Ianareo rehetra mponina amin’izao tontolo izao ka mipetraka eto ambonin’ny tany, mijere rehefa atsangana eny an-tendrombohitra ny faneva famantarana, mihainoa raha vao maneno ny anjomara.


Amin’izany andro izany, dia ho tahaka ny olona vavivavy toetra ny Ejiptianina, ka hangovitra noho ny tahotra raha vao maninji-tanana handrahona azy ny TOMPOn’izao rehetra izao.


Ny mpanjakany handositra noho ny tahotra, ary ny manamboninahiny ho kivy ka hitsoaka hamela ny fanevany. Izany no teny hentitry ny TOMPO izay manana ny fatana fandoroany ao Tsiôna sy ny lafaorony miredareda ao Jerosalema.


Faneva famantarana no natsangan’ny TOMPO ho an’ny firenena iray any lavitra any; ka misioka ny Tompo mba hiantsoana azy avy any am-paran’ny tany. Indro izany firenena izany fa nilomay ka ho avy faingana dia faingana tokoa.


Ambarao amin’ny firenena ny vaovao, ampahafantaro amin’ny alalan’ny famantarana, ampahafantaro fa aza afenina ary lazao hoe: Azo i Babilôna, henatra moa izao ho an’ny sampiny ary haketrahana ho an’ireo andriamani-tsiiziny! Henatra moa izao ny an’i Bela, ary haketrahana ho an’i Merôdàky.


Indro misy vahoaka tonga avy any avaratra dia firenen-dehibe iray; ary mpanjaka mahery no miainga avy any am-paran’ny tany.


Atsangano ny fanevam-panairana hanafihana ny mandan’i Babilôna. Hateveno mafy ny fiambenana ka apetraho ny mpiambina sy ny mpitily. Tanteraky ny TOMPO izao ny fikasany, dia izay efa nambarany momba ny mponin’i Babilôna.


Indro mamely anao Aho, ry Babilôna mpampiavosa fandravana, ianao ilay nandrava izay rehetra tamin’ny tany, hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPO. Maninji-tanana hamely anao Aho, ka manjera anao avy eny ambony harambato. Hataoko vainafo miavosa ianao,


Dia nampian’ny TOMPOn’izao rehetra izao hoe: «Rava tanteraka ny manda matevin’i Babilôna, ary voadoro ny vavahadiny avo; ka dia sahiram-poana ny vahoaka, zavatra ho kilan’ny afo no isasaran’ireo firenena.»


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra