Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Isaia 13:1 - DIEM PROTESTANTA

1 Hafatra momba an’i Babilôna araka ny fahitàn’i Isaià, zanakalahin’i Amôtsa.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

1 Ny loza hanjo an’i Babilona araka ny fahitan’Isaia zanak’i Amoza.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

1 Hafatra momba an’i Babilôna araka ny fahitàn’i Isaià, zanakalahin’i Amôtsa.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

1 Faminaniana momba an’i Babilôna nambara tamin’i Izaia, zanak’i Amôsa.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

1 FAMINANIANA hitan’Isaia, zanak’i Amoza, ny amin’ny loza hanjo an’i Babylona.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

1 Faminaniana hitan'Isaia, zanak'i Amoza, ny amin'ny loza hanjo an'i Babylona.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

1 Ny loza hanjo an’i Babilona araka ny fahitan’Isaia zanak’i Amoza.

Jereo ny toko dika mitovy




Isaia 13:1
34 Rohy Ifampitohizana  

Ary hoy i Jehò tamin’i Bidkara dekàny: –Raiso ny fatiny ka atsipazo ao amin’ny sahan’i Nabôta avy any Jizrehela. Tsarovy fa, fony isika roa lahy niara-nitondra kalesy nanaraka an’i Ahaba rain’i Jôrama, dia izao no nambaran’ny TOMPO tamin’i Ahaba:


Fanambaràn’i Isaià, zanakalahin’i Amôtsa, ny amin’i Joda sy i Jerosalema. Nanafaran’ny Tompo azy izany, tamin’ny andron’i Hozià sy i Jôtama ary i Ahaza sy i Hezekià mpanjakan’i Joda.


I Babilôna, izay ravaky ny fanjakana sady tabiha sy reharehan’ny Babilônianina, dia horavàn’Andriamanitra tahaka an’i Sôdôma sy i Gômôra.


Tamin’ny taona nahafatesan’i Ahaza mpanjaka no nisy izao hafatra izao:


Hafatra momba an’i Môaba. Indray alina monja dia rava tsy nisy niangana ny tanàna Hara-Môaba, indray alina monja dia rava tsy nisy niangana ny tanàna Kira-Môaba.


Hafatra momba an’i Damasy. Hitsahatra tsy ho tanàna intsony i Damasy, fa ho tonga korontam-bato sisa.


Hafatra momba an’i Ejipta. Indro tonga any Ejipta ny TOMPO nitaingina rahona haingam-pandeha. Mangorohoro ny andriamani-tsiizy eo anatrehany ka nihaketraka anakampo ny Ejiptianina.


Telo taona talohan’izany kosa dia nampitondra teny an’i Isaià zanakalahin’i Amôtsa ny TOMPO hoe: «Mandehana, vahao ny lamba gony eny an-tsikinanao ary esory ny kapa eny an-tongotrao.» Dia nataon’i Isaià izany, ka nandeha tsy nitafy lamba sy tsy nikiraro izy.


Hafatra milohateny hoe «Eo an-tany lavavolo». Any an-kirihitr’ala, eo an-tany lavavolo, no aoka handrianareo amin’ny alina, ry andian’olona avy any Dedàna!


Hafatra momba ny lohasahan’ny fahitana. Fa inona ity mahazo anareo no miakatra eny an-tampon-trano, ry mponin’i Jerosalema?


«Amin’izany andro izany, hoy ny teny hentitry ny TOMPOn’izao rehetra izao, dia hiletsy ilay tsatòka natsatoka teo amin’ny toerana mafy; hiala izy ka hianjera, ary ho vaky avokoa ireo entana rehetra nahantona teo.» Izany no nambaran’ny TOMPO.


Izao no lazain’ny TOMPO mpanavotra anareo, dia ilay Masin’i Israely: «Noho ny fitiavako anareo dia haniraka olona hankany Babilôna Aho, mba hamaha ny hidy rehetra.


Ary ny TOMPO naneho tamiko aviavy roa sobika izay voapetraka teo anoloan’ny tempoliny. Taorian’ny nitondran’i Nebokadnetsara mpanjakan’i Babilôna an’i Jekônià, zanakalahin’i Jôiakima sady mpanjakan’i Joda, sy ireo mpifehy an’i Joda mbamin’ireo mpahay taozavatra sy mpanefy vy tao Jerosalema ho babo tany Babilôna no nisehoan’izany.


Efa nisy tokoa mpaminany hatry ny ela talohanao sy talohako. Ireny mpaminany ireny dia manambara hafatra tamin’ireo tany matanjaka sy fanjakana malaza; nefa ady sy loza ary areti-mandringana no nambarany mazàna.


Hafatra nataon’ny TOMPO tamin’ny alalan’i Jeremià mpaminany ho an’i Babilôna sy i Babilônia.


Afa-baràka izahay nandre fandatsana! Rakotry ny henatra ny endrikay fony nidiran’ireo hafa firenena ny Toeramasina tao an-tranon’ny TOMPO.


Koa ambarao aminy fa izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY: ‹Izany hafatra fampitandremana izany dia ho an’izay andriamanjaka eto Jerosalema sy ho an’ny Israelita rehetra izay ao.›


PERESA: Voazara, voazara ny fanjakanao ka omena ny Medianina sy ny Persianina.»


dia nivaloarika ny tarehiny; nampitebiteby azy ny eritreriny, nivahavaha ny famavàn’ny vahiany ary nifampikitrana ny lohaliny.


Izao no hafatra faminaniana momba ny tanànan’i Ninive, mitantara izay nasehon’Andriamanitra tamin’i Nahoma avy any Elkôsy.


Izao no hafatra nampitondrain’Andriamanitra an’i Habakòka mpaminany.


Hafatry ny Tompo momba an’i Israely. Izao no teny hentitra ambaran’ny Tompo Izay namelatra ny lanitra sy namorona ny tany, ary nanome aina ny olona:


Hafatry ny TOMPO. Any amin’ny tanin’i Hadràka no tafapaka ny teniny, ka niato tao Damasy; satria samy an’ny TOMPO na ireo tanànan’i Arama na ny fitambaran’ireo fokon’ny Israely.


Hafatra nampitondrain’ny TOMPO an’i Malakỳ ho an’ny Israelita.


I Jôsià, ray niteraka an’i Jekônià mirahalahy avy. Tamin’izany no nahababo ny vahoaka israelita tany Babilôna.


Nanaraka an’io dia nisy anjely faharoa nanao hoe: «Rava, rava i Babilôna lehibe, izay nampisotro ny firenena rehetra tamin’ny divainy, dia ny divain’ny fijangajangàny mihoa-pampana!»


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra