Dia tao anoloan’ny ôtelin’i Iaveh i Salômôna, nanatrika ny fiangonan’i Israely rehetra sy nanandratra ny tanany mankany an-danitra ka nanao hoe:
Isaia 1:15 - Baiboly Katolika Raha manandratra ny tananareo ianareo, misarona maso eo anoloanareo Aho; raha mampitombo ny fivavahana ianareo, tsy mihaino akory Aho: Feno ra ny tananareo. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Raha mamelatra ny tanana ianareo dia hitampi-maso tsy hijery anareo Aho; eny, na dia manao vavaka be dia be aza ianareo dia tsy hihaino Aho; Feno ran’olona ny tananareo. DIEM PROTESTANTA Raha manandra-tanana hivavaka ianareo dia hitampi-maso tsy hijery Aho. Na manao vavaka maro aza ianareo, dia tsy hihaino akory Aho, satria feno ra ny tananareo. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Raha manandra-tanana hivavaka ianareo dia hitampi-maso tsy hijery Aho. Na manao vavaka maro aza ianareo, dia tsy hihaino akory Aho, satria feno ra ny tananareo. Baiboly Protestanta Malagasy Raha mananty tànana hianareo, Dia hitampi-maso tsy hijery anareo Aho; Eny, na dia manao vavaka be aza hianareo, dia tsy hihaino Aho; Feno ran’olona ny tànanareo. Malagasy Bible Raha mananty tanana ianareo, Dia hitampi-maso tsy hijery anareo Aho; Eny, na dia manao vavaka be aza ianareo, dia tsy hihaino Aho; Feno ran'olona ny tananareo. La Bible en Malgache Raha mamelatra ny tanana ianareo dia hitampi-maso tsy hijery anareo Aho; eny, na dia manao vavaka be dia be aza ianareo dia tsy hihaino Aho; Feno ran’olona ny tananareo. |
Dia tao anoloan’ny ôtelin’i Iaveh i Salômôna, nanatrika ny fiangonan’i Israely rehetra sy nanandratra ny tanany mankany an-danitra ka nanao hoe:
Rehefa tapitra nataon’i Salômôna tamin’i Iaveh izany vavaka amam-pifonana rehetra izany, dia nitsangana izy avy teo anoloan’ny ôtelin’i Iaveh izay nandohalihany sy namelarany tanana nanondro ny lanitra.
Efa mby amin’ny fotoan’ny fanatitra hariva aho, vao tafarina tamin’ny fahoriako, amin’ireto akanjoko sy kapaotiko rovitra, dia rafitra nandohalika sy nanandratra ny tanako nankany amin’i Iaveh Andriamanitro, nanao hoe:
Hoy i Môizy taminy: «Vao mivoaka ny tanàna aho dia hanandratra ny tanako amin’i Iaveh, ka ny kotrok’orana hitsahatra, ny havandra tsy hisy intsony, mba hahafantaranao fa an’i Iaveh ny tany.
Rehefa voasasan’i Iaveh, ny loton’ny zanaka vavin’i Siôna, ka voadiony i Jerosalema amin’ny ra izay eo afovoany, amin’ny fanahin’ny fitsarana amam-panahin’ny fandringanana,
Sady miady sy mifanditra ianareo no mifady, ary mamely totohondry an-katezerana aza! Ny fomba fifadianareo amin’izany andro izany, tsy mba hihainoana ny feonareo any amin’ny avo.
Moa tsy ny hizaranao ny mofonao amin’izay noana va; sy ny hampiantranoanao ireo mahantra tsy manan-kidirana, sy ny hanafianao izay hitanao miboridana, ary ny tsy hivilianao tsy hijery ny tapaky ny tenanao?
Fa ankehitriny, Iaveh ô, Rainay Ianao; tanimanga izahay, ary Ianao no ilay nanefy anay; asan-tananao avokoa izahay rehetra.
Manantena an’i Iaveh izay manafina ny tavany amin’ny taranak’i Jakôba aho, ary matoky azy.
Noho izany, izao no lazain’i Iaveh: «Indro Aho hahatonga loza aminy, tsy ho azony idifiana. Ka na hitaraina amiko aza izy, tsy hohenoiko akory.
Rehefa hifady hanina izy, tsy hohenoiko ny fitarainany, rehefa hanolotra sorona dorana amam-panatitra ho ahy izy, tsy hankasitrahiko; fa tiako haripaka izy amin’ny sabatra, ny mosary, sy ny areti-mandringana.»
Fa izaho nandre feo, toy ny an’ny vehivavy mihetsi-jaza, tahaka ny fidrìdridrìdrin’ny vehivavy vao miteraka voalohany, dia ny feon’ny zanaka vavin’i Siôna; fa sady velon-taraina izy, no mitsotra tanana manao hoe: «Loza no manjò ahy, maty ny aiko, azon’ireo mpamono olona!»
Nohamaroinareo ny vonoana olona tamin’ity tanàna ity, sy nofenoinareo faty ny lalam-be.
Ry zanak’olona, ireo olona ireo dia efa nanangana ny sampin-dozany, ao am-pony, ary ny fanafintohinana mampanota azy, ataony eo anoloan’ny tavany: ka hety hanontanian’ireo va Aho?
Ary ho fantatry ny firenena fa noho ny heloka nataon’ny zanak’i Israely, no nahalasan-ko babo azy, satria nivadika tamiko izy. Koa nanafina ny Tavako taminy Aho ary natolotro ho eo an-tanan’ny fahavalony, mba ho lavon-tsabatra izy rehetra.
Hitondra ny ombiny aman’ondriny izy ireo, handeha hitady an’i Iaveh, nefa tsy hahita azy, fa nisaraka tamin’ireo izy.
Hitaraina amin’i Iaveh izy ireo amin’izany, nefa tsy hohenoiny; hafeniny amin’izy ireo ny Tavany amin’izany andro izany, araka ny haratsiana nanaovany ny asany.
Ka dia nisy toy izao: Toy ny niantsoany, fa tsy nohenoin’izy ireo; no hiantsoan’izy ireo koa, fa tsy hohenoiko izy ireo, hoy i Iavehn’ny tafika.
Mila loza ianareo mpanora-dalàna sy Farisianina mpihatsaravelatsihy, fa hidianareo eo anoloan’ny olona ny fanjakan’ny lanitra; ka ny tenanareo tsy miditra, ny olona hiditra sakananareo.
Ary raha mivavaka ianareo, dia aza mba maro teny tahaka ny Jentily, fa ataony ho ny hamaroan’ny teniny no hihainoana azy,
Fantatsika fa Andriamanitra tsy mihaino ny mpanota; fa izay manompo Azy sy manao ny sitrapony no henoiny.
Koa ny lehilahy tiako hivavaka na aiza na aiza, manandra-tanana madio, tsy amim-pahatezerana na tabataban-tsaina.