Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Isaia 8:17 - Baiboly Katolika

17 Manantena an’i Iaveh izay manafina ny tavany amin’ny taranak’i Jakôba aho, ary matoky azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

17 Hiandry NY TOMPO izay manafina ny tavany amin’ny taranak’i Jakoba aho; hanantena Azy ihany aho.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

17 Hiandry ny TOMPO aho satria manafin-tava amin’ny taranak’i Jakôba Izy izao, kanefa manantena Azy aho.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

17 Hiandry ny TOMPO aho satria manafin-tava amin’ny taranak’i Jakôba Izy izao, kanefa manantena Azy aho.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

17 Ary hiandry an’i Jehovah aho Izay manafina ny tavany amin’ny taranak’i Jakoba, Ka hanantena Azy ihany aho.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

17 Ary hiandry an'i Jehovah aho Izay manafina ny tavany amin'ny taranak'i Jakoba, Ka hanantena Azy ihany aho.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

17 Hiandry NY TOMPO izay manafina ny tavany amin’ny taranak’i Jakoba aho; hanantena Azy ihany aho.

Jereo ny toko dika mitovy




Isaia 8:17
39 Rohy Ifampitohizana  

Ny famonjena no antenaiko, ry Iaveh!


Nahoana Ianao no manafina ny Tavanao toy izao, sy mijery ahy toy ny fahavalonao!


Raha mba velona indray mantsy ny olona nony efa maty izy! handrasako amin’ny andro rehetra anjara fiambenako izay hahatongavan’ilay hisolo ahy.


Raha hoy ianao aminy: ‹Tsy mahita izay zava-miseho akory Ianao›, dia efa mby eo anatrehany ny momba anao, ka andraso ny fitsaràny.


Manantena an’i Iaveh aho, manantena ny fanahiko, ary miandry ny teniny aho.


Manantenà an’i Iaveh! Matokia ka herezo ny fonao! Manantenà an’i Iaveh!


Miandry an’i Iaveh amim-pitokiana ny fanahintsika; famonjena antsika sy ampingantsika Izy;


Miandrasa an’i Iaveh, ary araho ny lalany, dia hanandratra anao Izy, ka hanana ny tany ianao; raha avy izay hamongorana ny ratsy fanahy, dia ho hitanao izany.


Eny, mandalo toy ny aloka ny olona; eny, tsy misy asany ny fikofokofohany; manangona izy, nefa tsy mahalala izay handray izany.


Ho an’ny mpampianatra hira. Nataon’i Davida. Salamo.


Raha manandratra ny tananareo ianareo, misarona maso eo anoloanareo Aho; raha mampitombo ny fivavahana ianareo, tsy mihaino akory Aho: Feno ra ny tananareo.


Izao no holazain’ny olona amin’izany andro izany: Indro ny Andriamanitsika izay niankinantsika mba ho voavonjy; dia i Iaveh izay nantenaintsika. Aoka isika hanao fifaliana sy hiravoravo amin’ny famonjeny.


Koa teo amin’ny lalan’ny fitsaranao no niandrasanay Anao, ry Iaveh, ny Anaranao amam-pahatsiarovana Anao, no fanirian’ny fanahinay.


Izany no iandrasan’i Iaveh vao hamindra fo aminareo izy, dia hitsangana, ka hiantra anareo; satria Andriamanitra marina i Iaveh. Sambatra izay rehetra manantena Azy!


Iaveh ô, mamindrà fo aminay! Ianao no antenainay. Aoka Ianao ho sandrinay isa-maraina, sy ho famonjena anay amin’ny andro fahoriana.


Marina tokoa fa Andriamanitra miafina Ianao, ry Andriamanitr’i Israely mpamonjy ô!


Iza aminareo no matahotra an’i Iaveh, sy mihaino ny feon’ny Mpanompony? Na iza na iza mandeha amin’ny maizina, sy tsy manana fahazavana, aoka izy hatoky ny Anaran’i Iaveh, sy hiankina amin’ny Andriamaniny!


Tamin’ny firehetan’ny hatezerako no nanafenako vetivety ny Tavako taminao, fa amim-pitiavana mandrakizay kosa no angorahako anao, hoy i Iaveh Mpanavotra anao.


Noho ny fitsiriritany mahameloka, nitezitra Aho ary namely azy noho ny fahatezerako, nefa miery tsy ho hita Aho; ary izy kosa maditra, nanaraka ny lalan’ny sitrapony!...


fa ny helokareo no nanisy efitra mampisaraka anareo sy ny Andriamanitrareo; ny fahotanareo no nanafenany ny Tavany tsy hihainoany anareo.


Ianao no mitsena izay manaraka ny rariny an-kafaliana, izay mizotra ny lalanao sady mahatsiaro Anao. Fa izao tezitra Ianao, ary meloka izahay; - sady efa ela no toy izany: hovonjena va izahay?


Tsy nisy olona niantso ny Anaranao, nifoha mba hifikitra aminao. Fa nafeninao taminay ny Tavanao, ary navelanao ho levona ao anatin’ny fahotana izahay.


Fa ankehitriny, Iaveh ô, Rainay Ianao; tanimanga izahay, ary Ianao no ilay nanefy anay; asan-tananao avokoa izahay rehetra.


ary koa ny amin’ireo amin’ny fatin’olona, izay hovonoiko noho ny fahatezerako amam-pahavinirako, ary noho ny amin’ny haratsian’izy ireo ka hanafenako ny tavako amin’ity tanàna ity:


Ary i Iaveh no Andriamanitry ny tafika; i Iaveh no anarany.


Hitaraina amin’i Iaveh izy ireo amin’izany, nefa tsy hohenoiny; hafeniny amin’izy ireo ny Tavany amin’izany andro izany, araka ny haratsiana nanaovany ny asany.


Fa izaho kosa hitodi-maso amin’i Iaveh, hanantena ny Andriamanitry ny famonjeko; hihaino ahy ny Andriamanitro.


Fa mbola misy fahitana amin’ny fotoam-boafetra; efa mandroso ho amin’ny fotoana fanaperana azy izy, ka tsy hamitaka; raha miadam-piavy izy, andraso ihany, satria ho avy tokoa, fa tsy ho diso.


Tonga koa izy tamin’izany fotoana izany, ka nidera an’Andriamanitra, ary nilazalaza ny Zaza tamin’izay rehetra niandry ny fanavotana an’i Jerosalema.


Dia novoasany tamin’izy ireo ny tenin’i Môizy sy ny mpaminany rehetra manambara Azy ao amin’ny Soratra Masina.


Hoy izy: «Hafeniko azy ny Tavako, dia ho hitako izay hiafarany, fa taranaka mpivadibadika izy, zaza tsy manana hitsim-po.


sy hiandry ny Zanany avy any an-danitra, Izay natsangany ho velona, dia i Jesoa izay manafaka antsika amin’ny fahatezerana ho avy.


Ary enga anie ny Tompo ka hitari-dalana ny fonareo ho amin’ny fitiavana an’Andriamanitra sy ny faharetan’i Kristy.


sy ny hoe: Izaho hatoky azy; ary ny hoe: Inty Aho sy ireo zaza nomen’Andriamanitra ahy.


no nanoloran’i Kristy ny Tenany indray mandeha koa mba hanala ny fahotan’ny maro, sy mbola hisehoany tsy amin’ota fanindroany mba hamonjy izay miandry Azy.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra