Hoatra ny noheveriny fa zavatra kely foana ny mandeha amin’ny fahotan’i Jerôbôama zanak’i Nabata, ka dia nalainy ho vady i Jezabela, zanaka vavin’i Etbaala, mpanjakan’ny Sidonianina, ka lasa izy nanompo an’i Baala sy niankohoka teo anatrehany.
Hosea 9:10 - Baiboly Katolika Tahaka ny voaloboka any an’efitra no ahitako an’i Israely; tahaka ny voaloham-bokatry ny aviavy tanora no nahitako ny razanareo. Kanjo tonga tao Beelfegôra izy ireo, sy nanolo-tena ho an’ny sampy vetaveta, ka tonga vetaveta tahaka itsy zava-tiany ihany. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Tahaka ny voaloboka any an-tany efitra no nahitako ny Israely. Toy ny aviavy malady masaka no nahitako ny razanareo. Nefa ireny dia tonga tany Baala-Peora ka nanolo-tena ho amin’ilay mampahamenatra, ary tonga fahavetavetana tahaka an’ilay tiany ihany izy. DIEM PROTESTANTA «Tahaka ny voaloboka any an-taniefitra no nahitako an’i Israely, tahaka ny aviavimbazaha masaka aloha indrindra no nahitako ny razanareo. Saingy rehefa mby tao Bahala-Pehôra izy, dia nanokan-tena ho amin’ny henatra ka tonga maharikoriko toy ilay Bahala notiaviny ihany. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara «Tahaka ny voaloboka any an-taniefitra no nahitako an’i Israely, tahaka ny aviavimbazaha masaka aloha indrindra no nahitako ny razanareo. Saingy rehefa mby tao Bahala-Pehôra izy, dia nanokan-tena ho amin’ny henatra ka tonga maharikoriko toy ilay Bahala notiaviny ihany. Baiboly Protestanta Malagasy Tahaka ny fahitana voaloboka any an-efitra no nahitako ny Isiraely. Toy ny fahitana aviavy mialintaona no nahitako ny razanareo; Nefa ireny dia tonga tany Bala-peora ka nanolo-tena ho amin’ilay mampahamenatra, Ka dia tonga fahavetavetana tahaka an’ilay tiany ihany izy. Malagasy Bible Tahaka ny fahitana voaloboka any an-efitra no nahitako ny Isiraely, toy ny fahitana aviavy mialin-taona no nahitako ny razanareo; Nefa ireny dia tonga tany Bala-peora ka nanolo-tena ho amin'ilay mampahamenatra, ka dia tonga fahavetavetana tahaka an'ilay tiany ihany izy. La Bible en Malgache Tahaka ny voaloboka any an-tany efitra no nahitako ny Israely. Toy ny aviavy malady masaka no nahitako ny razanareo. Nefa ireny dia tonga tany Baala-Peora ka nanolo-tena ho amin’ilay mampahamenatra, ary tonga fahavetavetana tahaka an’ilay tiany ihany izy. |
Hoatra ny noheveriny fa zavatra kely foana ny mandeha amin’ny fahotan’i Jerôbôama zanak’i Nabata, ka dia nalainy ho vady i Jezabela, zanaka vavin’i Etbaala, mpanjakan’ny Sidonianina, ka lasa izy nanompo an’i Baala sy niankohoka teo anatrehany.
dia teny izy no nandoro zava-manitra amin’ny fitoerana avo rehetra, toy ny firenena izay nataon’i Iaveh babo teo anoloan’izy ireo, ary nanao zava-dratsy nampahatezitra an’i Iaveh.
Iza izato miakatra avy any an’efitra, tahaka ny setroka mijoalajoala, manitra mira aman’emboka, mbamin’ny zava-manitra rehetra avy amin’ny mpandranto?
Ny voninkazo mora malazo famirapiratan’ny fihaingoany, eny an-tampon’ny lohasaha lonaka, hanahaka ny voan’aviavy masaka alohan’ny fahavaratra: izay mahita azy, raha vantany vao mahazo azy an-tanana mandrapaka azy.
Fa araka ny isan’ny tanànanao, no isan’ny andriamanitrao, ry Jodà; ary araka ny isan’ny lalam-be ao Jerosalema, no isan’ny ôtely natsanganareo ho an’ilay sampy mahafa-baraka, dia ireo ôtely anaterana emboka manitra ho an’i Baala.
Ny iray tamin’ireo harona ireo, nisy aviavy tsara dia tsara, toy ny aviavy vokatra voalohany; ny iray kosa, nisy aviavy ratsy dia ratsy, tsy azo hanina akory noho ny haratsiany loatra.
Efa levon’ny fahavetavetan’ny sampy ny fahatanorantsika, ny vokatry ny fisasaran’ny razantsika, ny ondry aman’ombiny, ny zanany lahy aman-janany vavy.
Aoka isika handry eo amin’ny fahafaham-barakantsika, sy horakofan’ny henatra isika; fa samy efa nanota tamin’i Iaveh Andriamanitsika, na isika na ny razantsika, hatramin’ny fahatanorantsika ka mandrak’androany; sady tsy nihaino ny feon’i Iaveh Andriamanitsika.
Izao no lazain’i Iaveh: Nahita fitia tany an’efitra ny vahoaka afaka tamin’ny sabatra; ta-hanome fitsaharana an’i Israely aho.
Ny mpaminany, maminany lainga, ny mpisorona, mitondra araka izay sitrak’ireo mpaminany ireo; ary ny vahoakako mankasitraka izany! Ka inona no hataonareo hiafaran’izany rehetra izany?»
Niodina tamiko anefa izy ireo, fa tsy nety nihaino Ahy. Izy ireo tsy mba samy nanary ny sampiny tsy ho eo anatrehany, na niala tamin’ny fahavetavetan’i Ejipta. Nihevitra ny handatsaka ny fahavinirako tamin’izy ireo Aho, sy hanarana ny hatezerako taminy, tany amin’ny tany Ejipta.
Tia an’i Israely Aho fony mbola zaza izy; ka hatrany Ejipta nisy fiantsoana nataoko ny zanako.
Hovaliako izy noho ny andron’ireo Baala, izay nanolorany emboka, tamin’ny andro niravahany masombola sy fehivozona, sy nanarahany ny lehilahiny; fa Izaho kosa nohadinoiny, - teny marin’i Iaveh. -
samy tsy hofaizako na ny zanaka vavinareo noho ny fijangajangany, na ny vinantovavinareo tanora noho ny fakàny vadin’olona; satria, na ireo koa aza, mihataka ho any amin’ny vehivavy janga, sy miara-manatitra sorona amin’ny karam-bavy. Ary mivarin-ko faty ny vahoaka tsy misaina.
Raha vao avy misotro izy ireo, dia rafitra mijangajanga. Zava-mahamenatra no hany tadiavin’ireo mpifehiny.
Ataovy manetona ny fanati-pisaorana tsy misy lalivay; miantsoa ny fanatitra an-tsitrapo, ka torio ampahibemaso izany! Fa izany no tianareo, ry zanak’i Israely, - teny marin’ny Tompo Iaveh. -
Indrisy! Ity izaho toy ny rehefa vita ny fitoazam-boankazo fahavaratra, toy ny rehefa vita ny fitsimponam-boaloboka efa voaoty: tsy misy salohy iray akory hohanina! Ny voaloham-boan’aviavy, izay tsiriritin’ny fanahiko, tsy misy na iray aza.
Ho sahondra ho anareo izany, ary ny fijerena izany dia hahatsiarovanareo ny didin’i Iaveh rehetra mba hanarahanareo azy rehetra, fa tsy hanarahanareo ny fonareo sy ny masonareo, izay mitarika anareo ho amin’ny fivadihana.
Ho anao ny voaloham-bokatry ny taniny haterin’izy ireo ho an’i Iaveh. Hihinana amin’izany izay rehetra madio ao an-tranonao.
Inona àry no vokatra azonareo tamin’izay? Vokatra mahamenatra anareo fe ankehitriny, fa fahafatesana no iafarany.
Hitany tany an-tany efitra izy, dia tao an-tany foana misy biby dia mierona, ka nofefeny sy nokolikoleny ary notandremany toy ny anakandriamasony.
Nanao sorona tamin’ny demony izay tsy Andriamanitra izy, dia tamin’ny andriamanitra tsy fantany, andriamanitra vaovao, vao niseho tsielatsiela, izay tsy mba natahoran’ny razanareo akory.
Masonareo no nahita ny nataon’i Iaveh, noho ny amin’i Baala-Fogôra. Naringan’i Iaveh teo afovoanareo avokoa izay rehetra nanaraka an’i Baala-Fogôra;
Tamin’izany andro izany no nanomezan’ny olona anarana an’i Jedeôna hoe Jerobaala, fa nataony hoe: «Aoka i Baala hiaro tena aminy, satria noravany ny ôteliny.»