Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Hosea 9:10 - DIEM PROTESTANTA

10 «Tahaka ny voaloboka any an-taniefitra no nahitako an’i Israely, tahaka ny aviavimbazaha masaka aloha indrindra no nahitako ny razanareo. Saingy rehefa mby tao Bahala-Pehôra izy, dia nanokan-tena ho amin’ny henatra ka tonga maharikoriko toy ilay Bahala notiaviny ihany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

10 Tahaka ny voaloboka any an-tany efitra no nahitako ny Israely. Toy ny aviavy malady masaka no nahitako ny razanareo. Nefa ireny dia tonga tany Baala-Peora ka nanolo-tena ho amin’ilay mampahamenatra, ary tonga fahavetavetana tahaka an’ilay tiany ihany izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

10 «Tahaka ny voaloboka any an-taniefitra no nahitako an’i Israely, tahaka ny aviavimbazaha masaka aloha indrindra no nahitako ny razanareo. Saingy rehefa mby tao Bahala-Pehôra izy, dia nanokan-tena ho amin’ny henatra ka tonga maharikoriko toy ilay Bahala notiaviny ihany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

10 Tahaka ny voaloboka any an’efitra no ahitako an’i Israely; tahaka ny voaloham-bokatry ny aviavy tanora no nahitako ny razanareo. Kanjo tonga tao Beelfegôra izy ireo, sy nanolo-tena ho an’ny sampy vetaveta, ka tonga vetaveta tahaka itsy zava-tiany ihany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

10 Tahaka ny fahitana voaloboka any an-efitra no nahitako ny Isiraely. Toy ny fahitana aviavy mialintaona no nahitako ny razanareo; Nefa ireny dia tonga tany Bala-peora ka nanolo-tena ho amin’ilay mampahamenatra, Ka dia tonga fahavetavetana tahaka an’ilay tiany ihany izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

10 Tahaka ny fahitana voaloboka any an-efitra no nahitako ny Isiraely, toy ny fahitana aviavy mialin-taona no nahitako ny razanareo; Nefa ireny dia tonga tany Bala-peora ka nanolo-tena ho amin'ilay mampahamenatra, ka dia tonga fahavetavetana tahaka an'ilay tiany ihany izy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

10 Tahaka ny voaloboka any an-tany efitra no nahitako ny Israely. Toy ny aviavy malady masaka no nahitako ny razanareo. Nefa ireny dia tonga tany Baala-Peora ka nanolo-tena ho amin’ilay mampahamenatra, ary tonga fahavetavetana tahaka an’ilay tiany ihany izy.

Jereo ny toko dika mitovy




Hosea 9:10
32 Rohy Ifampitohizana  

Tsy vitan’ny hoe nizotra tamin’ny fahotan’i Jerôbohama zanakalahin’i Nebata izy, fa mbola nanambady an’i Jezebela zanakavavin’i Etbahala mpanjakan’ny Tsidônianina sy nanompo an’i Bahala ary niankohoka teo anatrehany.


dia nandoro sorona hanetona teny amin’ny toeram-panasinana rehetra koa izy tahaka ny nataon’ireo hafa firenena izay noroahin’ny TOMPO tsy ho eo anoloany. Nahavita zava-dratsy tokoa ny Israelita, hany ka nampahatezitra ny TOMPO:


Ho tahaka azy anie izay manao azy sy izay rehetra mitoky aminy!


Kanjo ny vahoakako tsy nihaino Ahy, ny Israelita tsy nila Ahy,


Iza moa irỳ miakatra avy any an-taniefitra tahaka ny setroka mitambolimbolina ho etona mandraradraraka miora sy emboka mamerovero ary fofon-javamanitra isan-karazany?


Ho voahitsakitsaka am-paladia ny voninkazo mihamalazo izay haingony marevaka terỳ an-tendron’ny lohasaha lonaka. I Samaria dia ho tahaka ny voan’aviavy masaka alohan’ny fahavaratra, ka izay mahita azy dia hioty ary hitelina azy indraim-bava.


Fa araka ny isan’ny tanànany no isan’ireo andriamanitr’i Joda; ary araka ny isan’ny lalamben’i Jerosalema no isan’ny alitara naorinareo mba handoroana vovo-javamanitra ho an’i Bahala, ilay henatrareo.»


Ny sobika voalohany dia nisy aviavy tsara dia tsara toy ny aviavy masaka voalohany. Ny sobika faharoa kosa nisy aviavy ratsy loatra ka tsy azo hanina.


Fa hatry ny fahazazànay dia efa lanin’io fivavahana mahamenatra nanompoana an’i Bahala io ny zavatra rehetra nisasaran’ny razanay, dia ny omby aman’ondriny sy ny osiny, ny zanany lahy sy ny zanany vavy.


Aoka hatory ombàn-kenatra izahay ka hanaiky ny fahafaham-baràka, satria efa nanao heloka teo anatrehanao TOMPO Andriamanitray. Fa na izahay na ny razanay dia tsy nihaino izay nolazain’ny TOMPO Andriamanitray hatry ny fahazazànay ka mandrak’androany.


Izao no lazain’ny TOMPO: «Tany an-taniefitra no nanehoako hatsaram-po ny vahoaka sisa tsy matin’ny fandringanana. Hizotra milamina amin’izay i Israely.


maminany lainga ny mpaminany, mitady ny tombontsoany ny mpisorona, ary ny vahoakako mankasitraka izany. Koa rehefa tonga ny farany, inona kosa no hataonareo?


«Kanjo nikomy tamiko izy, ary tsy nanaiky hihaino Ahy. Tsy nisy nanary ireo sampy maharikoriko izay nanintona azy izy, ary tsy nisy nandao ny sampy ejiptianina. Koa nihevitra Aho ny hampihatra sy hampitosaka ny fahavinirako amam-pahatezerako aminy tao Ejipta ihany.


«Fony mbola tanora i Israely, dia notiaviko, hoy Izaho Tompo; ary zanako izy ka nantsoiko hiala tany Ejipta.»


Izaho no mpiandry anao; fony ianao tany an-taniefitra tany amin’ny tany karankaina.


Hofaiziko izy noho ireo andro nandoroany vovo-javamanitra mifangaro ho an’ireo Bahala isan-karazany: niravaka peratra sy firavaka izy, ka nanaraka ireo lehilahy sakaizany; fa Izaho TOMPO kosa nohadinoiny, hoy ny teny hentitra ambarako.


Tsy hofaiziko ny zanakavavinareo raha mivaro-tena izy, na ny vinantovavinareo, raha manitsakitsa-bady izy. Satria ireny mpisorona ireny aza no mitondra mpivarotena any amin’ny takona, ka mihinana ny sorona aterina amin-tsampy miaraka amin’ireny vehivavy ireny. Fa hoy ny ohabolana hoe: «Izay vahoaka tsy misy fahaiza-manavaka dia vahoaka mamery ny tenany.


hanapitra ny fibobohany hampahery mijangajanga azy; fa tia fahafaham-baràka ireo filohany.


Dory hanetona eo amin’ny alitara ny mofo misy leviora fanati-pisaoranareo; ary ataovy antso avo ampahibemaso ny fanatitra an-tsitrapo ataonareo, satria izany no tianareo.


Indrisy, tahaka ny olona mioty aviavy aorian’ny fiotazam-boankazo aho ka tsy mahita aviavy masaka ifotony izay ankafiziko tokoa; ary tahaka ny olona mitsimpona sampaho aorian’ny fiotazam-boaloboka aho, ka tsy mahita voaloboka firy hohanina!


Hitondra akanjo misy somotraviavy ianareo; koa raha mijery izany ianareo, dia hahatsiaro ny didiko rehetra ary hanatanteraka izany, ka tsy hety havilin’ny fonareo sy ny masonareo amin’ny fanompoan-tsampy.


Eny, ho anareo avokoa ny santa-bokatry ny taniny, izay hateriny amiko. Izay rehetra madio ao an-tranonareo dia afaka hihinana izany.


Inona àry no vokatra azonareo tamin’ireny zavatra nataonareo fahiny ireny? Mahamenatra anareo izany ankehitriny satria fahafatesana no iafarany.


Tany an-taniefitra no nanangonany azy, dia tany amin’ny tany foana misy bibidia mierona. Koa nokarakarainy izy, nokolokoloiny, notandremany tahaka ny anakandriamasony.


ny nanolorany sorona dia lolo izay tsy andriamanitra akory sady andriamanitra tsy fantany, andriamani-baovao niseho tatỳ aoriana sady tsy nohajain’ny razany.


Efa nahita maso izay nataon’ny TOMPO noho ny amin’ilay Bahala tao Pehôra ianareo; fa ny olona rehetra nanompo an’io Bahala io taminareo, dia naringan’ny TOMPO Andriamanitrareo tsy ho eo aminareo intsony.


Nanomboka hatreo i Gidehôna dia nantsoina hoe Jerobahala, izany hoe «Aoka hiaro tena i Bahala»; ny antony moa dia ny amin’ny tenin’i Jôasy hoe: «Aoka hiaro tena i Bahala satria ny alitarany no noravana!»


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra