Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Hosea 9:11 - DIEM PROTESTANTA

11 Ankehitriny ny voninahitr’i Efraîma dia hiserana toy ny fiseram-boromanidina; ka tsy hisy zaza teraka intsony, na zaza entina am-bohoka na zaza torontoronina akory aza.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

11 Ny amin’i Efraima, hihelina toy ny voromanidina ny voninahiny ka tsy hisy hiteraka, na hanana anaka, na ho torontoronina.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

11 Ankehitriny ny voninahitr’i Efraîma dia hiserana toy ny fiseram-boromanidina; ka tsy hisy zaza teraka intsony, na zaza entina am-bohoka na zaza torontoronina akory aza.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

11 Nihelina toy ny voromanidina, ny voninahitr’i Efraima; tsy hisy intsony ny hiteraka na hanana anaka, na hotorontoronina.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

11 Ny amin’i Efraima, Hihelina toy ny voro-manidina ny voninahiny, Ka tsy hisy hiteraka, na hanan-anaka, na ho torontoronina.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

11 Ny amin'i Efraima, hihelina toy ny voro-manidina ny voninahiny, ka tsy hisy hiteraka, na hanan'anaka, na ho torontoronina.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

11 Ny amin’i Efraima, hihelina toy ny voromanidina ny voninahiny ka tsy hisy hiteraka, na hanana anaka, na ho torontoronina.

Jereo ny toko dika mitovy




Hosea 9:11
18 Rohy Ifampitohizana  

Nantsoiny hoe Efraîma kosa ny faharoa, fa hoy izy hoe: «Andriamanitra efa nampahamaro anaka ahy teto amin’ity tany nijalijaliako ity.»


I Jôsefa dia toy ny zava-maniry mahavokatra izay mirobona eo akaikin-doharano ka manan-drantsana tafahoatra ny fefy.


Dia tsy nanan-janaka mandra-pahafatiny intsony i Mikàla zanakavavin’i Saoly.


Eny, ho faty tokoa ny jiron’ny olon-dratsy, ary tsy hirehitra intsony ny lelafony.


Hihanaka toa rano abosasaka anie izy, hadisadisa toa ahitra voahosihosy;


Afaka miteraka zazalahy zato sy miaina an-taona maro ny olona iray. Saingy, na dia miaina an-taona maro aza izy, kanefa tsy mba voky fahasambarana sy tsy mahazo levenana, dia hoy aho hoe: ny zazarano aza sambatra kokoa noho izy.


Tsy hisy manda fiarovana intsony any Efraîma; tsy hisy fanjakana intsony koa any Damasy, ary izay sisa tavela amin’ny Sirianina dia tsy hisy lanjany noho ny Israelita. Izany no teny hentitry ny TOMPOn’izao rehetra izao.


Ny mponin’i Samaria dia manaja ilay sarin’ombilahikely izay ao Bety-Avena, satria misaona azy ny vahoakany mbamin’ireo mihambo ho mpisorony. Ny voninahitr’ilay ombilahikely anie no aoka hiravoravoany, amin’izao izy lasa babo ho lavitra antsika izao!


Arakaraka ny nahabetsaka ny mpisorona no vao mainka nanotany tamiko; ka dia hampodiko ho henatra ny voninahiny.


Ho tonga taniefitra i Efraîma amin’ny andro famaizana; zavatra tsy maintsy ho to no ambarako amin’ireo fokon’i Israely.


TOMPO ô, inona no sazy mba homenao azy? Ataovy momba sy tsy afa-mampinono ireo vehivavy ao aminy!


Izao no lazain’ny TOMPO: «Fahotana mifanesy no vitan’ny Hamônita, fa indrindra ity anankiray ity: Notatahany ny kibon’ireo bevohòka tao Gilehada mba hanitarana faritany. Noho izany, dia tsy hahemotro ny sazy momba azy:


Eny, ho avy ny andro hilazana hoe: «Sambatra ny vehivavy momba, tsy niteraka sady tsy nampinono!»


Tsy ho maro anaka ianareo; tsy hiavosa ny vokatry ny taninareo, ary tsy ho maro taranaka ny omby sy ondry aman’osinareo.


eny, na hoe ny zazakely vao natera-dravehivavy sy ny tavony afaka taminy aza, dia hataony ratsy fijery; hohaniny mangingina manko ireny fa tsy manana na inona hatao sakafo izy mandritra izany fahirano izany, rehefa hanery mafy anareo ny fahavalonareo any amin’ny tanànareo any.


Homem-boninahitra anie ny taranak’i Jôsefa satria mahery tahaka ny ombalahy izy! Tahaka ny ombimanga be tandroka izy, ka manan-tandroka roa hanotoany ny firenena rehetra hatrany amin’ny faravazan-tany, dia ny miaramila alinalin’ny fokon’i Efraîma sy ny miaramila arivoarivon’ny fokon’i Manase.»


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra